Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay “Mpanjakan’ny Alan’i Amerika”

Ilay “Mpanjakan’ny Alan’i Amerika”

Ilay “Mpanjakan’ny Alan’i Amerika”

MPANJAKAN’NY ala hoe? Ie. Any Amerika Atsimo sy Afovoany no misy azy io, any anaty ala sy lobolobo ary heniheny. Tsy inona izany fa ny jagoara. Io no saka ngeza indrindra any Amerika. Miavaka izy io satria mandeha any anaty rano koa, fa tsy eny an-tanety sy eny ambony hazo ihany.

Eritrereto ange hoe mijoro eo akaikin’ny jagoara lahy efa lehibe ianao e! Mahatratra roa metatra ny halavany raha tsy refesina ny rambony, ary 120 kilao na mihoatra ny lanjany. Mandeha irery foana izy, raha tsy rehefa mila vady. Afaka manao firaisana ny lahy rehefa telo na efa-taona. Ny vavy kosa roa taona dia efa afaka miteraka. Bevohoka mandritra ny telo na efa-bolana izy, ary roa matetika ny zanany isaky ny miteraka. Velona 20 taona mahery ny jagoara, raha any amin’ny faritra voaro.

Mahay miafina ireny saka be ireny. Hoy ny mpikaroka iray: ‘Tena sarotra hita ny jagoara! Mety tsy ho hitanao izy na dia eo akaikinao eo aza.’ Ny volony mantsy somary mavo misy boribory mainty be dia be, izay mbola misy pentimpentina koa. Afaka miafina tsara àry izy rehefa amin’ny aloka, ka tsy hita akory ny andehanany.

Mpijoko tsy re tsaika

Mpihaza tena mahay ny jagoara. Biby 85 karazana no sakafony, anisan’izany ny serfa sy ny gidro. Mora mahazo trondro sy soka-drano koa ny jagoara, satria tia mandeha ao anaty rano. Indray mandeha aza nisy jagoara namono soavaly be iray, dia notaritiny avy eny amin’ny 80 metatra ilay izy, ary avy eo nentiny niampita renirano.

Fetsy io saka be io, ka mamitsaka eny ambony hazo, miandry biby hohazaina. Rehefa mandalo ny andiana lambo tsy manampo na inona na inona, dia mitsambikina tampoka izy. Kaikeriny mafy be indray mandeha fotsiny ny anankiray dia maty, ary miverina haingana eny ambony hazo izy. Andrasany ho lasa ilay andiany, vao alainy ilay rembiny.

Tsy anisan’ny biby mpihinana olona anefa ny jagoara, ary tsy atahorana hanaikitra olona mihitsy. Ny olona indray aza no mamono azy.

Nahoana izy ireo no vitsy?

Taloha, dia nisy jagoara tany amin’ny faritra atsimon’i Etazonia hatrany amin’ny faran’i Amerika Atsimo. Ny antsasaky ny faritra onenan’izy ireo tamin’ny zato taona lasa anefa izao no sisa tavela. Talohan’ny 1975, dia an’arivony isan-taona ny jagoara novonoin’ny mpihaza, mba hakana ny hodiny. Tamin’ny 1968 fotsiny, dia hoditra jagoara 13 500 no naondran’ny olona avy any Amerika. Tsy ampy 50 000 intsony ny isan’ny jagoara, tamin’ny 2002. Angamba 15 000 eo ho eo sisa izy ireo izao, raha tsy isaina ireo any amin’ny valan-javaboary.

Milaza ny Fikambanana Mpiaro ny Bibidia, fa efa ho ny 40 isan-jaton’ny fonenan’ny jagoara no simba noho ny fandripahana ala. Any Meksika fotsiny, dia ala mitovitovy velarana amin’ny kianja filalaovam-baolina iray no ripaka isa-minitra. Voatery mangalatra biby fiompy àry ny jagoara, mba hivelomana.

Fiarovana an’ireo jagoara

Firenena 200 eo ho eo no nanao fifanarahana hoe tsy azo atao ny mihaza jagoara mba hahazoam-bola. Nisy faritra maro fonenan’izy ireo koa natao valan-javaboary mba ho voaro. Tamin’ny 1986 no lasa faritra voalohany eran-tany iarovana ny jagoara ny Toeram-piarovana Bibidian’ny Lemak’i Cockscomb, any Belize. Nanokana ala 150 000 hektara koa i Meksika mba hiarovana ny jagoara, ao amin’ny Tahirin-javaboarin’i Calakmul, any amin’ny Saikinosin’i Yucatán.

Mbola tsy fantatra raha hahomby na tsia ny ezaka ataon’ny olombelona mba hiarovana an’ilay “mpanjakan’ny ala.” Mampahery anefa ny mahalala fa tsy ho ela ilay Mpamorona be fitiavana dia ‘handringana izay manimba ny tany.’ (Apokalypsy 11:18) Ho tanteraka ny fikasany amin’izay, ka hihavana indray ny olona sy ny biby.—Isaia 11:6-9.

[Sarintany, pejy 24, 25]

(Jereo ny gazety)

Fonenan’ny jagoara

Taloha

Ankehitriny

AMERIKA AVARATRA

AMERIKA AFOVOANY

AMERIKA ATSIMO