Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Dikan’ilay hoe “Atodiho any Aminy koa ny Takolakao Ilany”?

Inona no Dikan’ilay hoe “Atodiho any Aminy koa ny Takolakao Ilany”?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Inona no Dikan’ilay hoe “Atodiho any Aminy koa ny Takolakao Ilany”?

HOY i Jesosy Kristy tamin’ilay toriteniny malaza teo an-tendrombohitra: “Aza manohitra an’izay manisy ratsy anao, fa na iza na iza mamely tehamaina ny takolakao havanana, dia atodiho any aminy koa ny takolakao ilany.”—Matio 5:39.

Inona no tiany holazaina? Te hiteny ve izy hoe tsy tokony hiaro tena mihitsy ny Kristianina? Tokony hiaritra fotsiny ve ny Kristianina ka tsy hanaiky harovan’ny lalàna?

Inona no tian’i Jesosy holazaina?

Tsy maintsy fantarintsika aloha hoe inona no nolazain’i Jesosy talohan’ny nitenenany an’ireo teny ireo, ary iza no nihaino azy. Naka tenin’ny Soratra Masina efa fantatry ny mpihaino azy izy. Hoy izy: “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Maso ho solon’ny maso ary nify ho solon’ny nify.’ ”—Matio 5:38.

Avy ao amin’ny Eksodosy 21:24 sy Levitikosy 24:20 ireo teny ireo. Tsara homarihina fa araka ny Lalàn’Andriamanitra, dia tsy ho nampiharina ilay sazy momba ny “maso ho solon’ny maso” raha tsy efa notsaraina teo anatrehan’ny mpisorona sy ny mpitsara ilay voampanga. Nohadihadina tsara ilay raharaha ary nojerena raha tena niniana natao ilay heloka.—Deoteronomia 19:15-21.

Naolan’ny Jiosy io lalàna io tatỳ aoriana. Hoy i Adam Clarke, mpivaofy teny ara-baiboly tamin’ny taonjato faha-19: “Toa nampiasain’ny Jiosy io lalàna io [maso ho solon’ny maso, nify ho solon’ny nify] mba hanamarinana ny hatezerany sy izay zavatra tafahoatra rehetra ataony mba hamaliana faty. Matetika no faran’izay tezitra ilay mpamaly faty ary ratsy kokoa noho izay natao taminy no avaliny.” Noraran’ny Soratra Masina anefa ny famaliana faty.

Mifanaraka tsara amin’ny tena dikan’ny Lalàn’Andriamanitra ho an’ny Israely ilay fampianaran’i Jesosy hoe “atodiho any aminy koa ny takolakao ilany.” Tsy te hilaza akory i Jesosy hoe tokony hanolotra ny takolany ilany ny mpanara-dia azy raha misy mamely tehamaina. Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia tsy natao handratrana ny tehamaina fa natao hahatezitra sy hihantsiana ady, toy izay fahita ankehitriny.

Izao àry no tian’i Jesosy holazaina: Tsy tokony hamaly ny olona iray, raha misy mila ady aminy ka mamely tehamaina azy na milaza teny mandratra. Tokony hohalaviriny kosa izay mety hahatonga azy ireo hifamaly faty tsy misy farany.—Romanina 12:17.

Tena mitovy amin’ireto tenin’i Solomona Mpanjaka ireto ny tenin’i Jesosy: “Aza manao hoe: ‘Izay nataony tamiko no hataoko aminy. Hovaliako araka ny nataony avy ny tsirairay.’ ” (Ohabolana 24:29) Mampitodika ny takolany ilany ny mpanara-dia an’i Jesosy, izany hoe tsy manaiky hoteren’ny hafa “hiady.”—2 Timoty 2:24.

Mety ve ny miaro tena?

Tsy te hilaza koa i Jesosy hoe tsy tokony hiaro tena ny Kristianina raha misy olona manafika azy sady mampiasa herisetra. Tsy nilaza izy hoe tsy tokony hiaro tena mihitsy isika. Tsy mety mihitsy anefa ny mikasi-tanana voalohany, na ny manaiky ho tezitra ka mamaly. Aleo foana miala raha mbola azo atao. Mety anefa ny manao zavatra mba hiarovan-tena na mitady ny fanampian’ny mpitandro filaminana, raha misy manafika.

Nanaraka tsara an’io toro lalana io ny mpanara-dia an’i Jesosy fahiny, mba hiarovana ny zony. Nampiasa ny lalàna nisy tamin’ny androny, ohatra, ny apostoly Paoly mba hiarovana ny zony hitory, araka ilay didin’i Jesosy ho an’ny mpanara-dia azy. (Matio 28:19, 20) Nosamborin’ny manam-pahefana i Paoly sy Silasy misionera namany, ary nampangaina ho nandika lalàna, tamin’izy ireo nitory tany Filipy.

Nokapohina ampahibemaso izy roa lahy avy eo, ary natao am-ponja nefa tsy notsaraina akory. Nampiasa ny zony tamin’ny naha Romanina azy i Paoly, raha vao afaka nanao izany. Natahotra ireo manam-pahefana raha vao nandre fa Romanina i Paoly, ary niangavy azy roa lahy handeha ka tsy hampisy korontana. Namela modely ho antsika àry i Paoly, ka “niaro ny vaovao tsara sy nanamafy orina azy io araka ny lalàna.”—Asan’ny Apostoly 16:19-24, 35-40; Filipianina 1:7.

Toa an’i Paoly, dia imbetsaka ny Vavolombelon’i Jehovah no voatery nitady ny rariny tany amin’ny fitsarana, mba hahafahany hanohy hanompo an’Andriamanitra. Mitranga izany na dia any amin’ireo firenena mpanome fahalalahana ara-pivavahana ny vahoakany aza. Miaro tena koa ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy hoe manaiky fotsiny, rehefa iharan’ny heloka bevava na rehefa tandindomin-doza ny ainy. Manao zavatra araka ny lalàna izy ireo rehefa miaro tena.

Kristianina ny Vavolombelon’i Jehovah ka manao zavatra ara-dalàna mba hitakiana ny zony, na dia fantany aza fa voafetra ny vokatr’izany matetika. Manahaka an’i Jesosy izy ireo ary apetrany amin’Andriamanitra ilay olana. Matoky izy ireo fa mahafantatra tsara ny zava-drehetra i Jehovah ary araka ny rariny tanteraka izay sazy omeny. (Matio 26:51-53; Joda 9) Fantatry ny tena Kristianina fa an’i Jehovah ny famaliana.—Romanina 12:17-19.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

● Inona no tsy tokony hataon’ny Kristianina?—Romanina 12:17.

● Raran’ny Baiboly ve ny manao zavatra araka ny lalàna rehefa miaro tena?—Filipianina 1:7.

● Inona no natokisan’i Jesosy fa hataon’ny Rainy?—Matio 26:51-53.