Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hataoko mba Tsy Halahelo Be Hoatr’izao Aho?

Inona no Hataoko mba Tsy Halahelo Be Hoatr’izao Aho?

Manontany ny Tanora Hoe...

Inona no Hataoko mba Tsy Halahelo Be Hoatr’izao Aho?

“Rehefa ny hafa no kivy, dia manampy sy mampahery foana aho. Fa rehefa izaho kosa no malahelo, dia mitomany irery satria tsy mba misy mahita.”—Mihanta. *

“Aleoko mitokantokana rehefa kivy aho. Mitady fomba hialana aho rehefa misy miantso ahy hiaraka aminy. Tsy fantatry ny fianakaviako mihitsy hoe malahelo aho, satria haiko ny manafina an’ilay izy.”—Naly.

EFA nahatsapa toa an’i Mihanta na Naly ve ianao? Aza tonga dia mieritreritra hoe hafahafa ianao. Mety halahelo daholo mantsy isika rehetra indraindray. Ny mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika fahiny aza mba nisy kivy koa.

Indraindray fantatrao ny antony mampalahelo anao, fa indraindray tsy azonao mihitsy. Hoy i Alisoa, 19 taona: “Zavatra tsisy dikany dia mety hampalahelo anao. Na tsy misy olana akory aza, dia mety halahelo fotsiny eo ianao. Hafahafa ilay izy nefa izay no mitranga!”

Inona àry no azonao atao, na misy antony na tsy misy antony ny alahelonao?

1. Resaho ilay izy. Hoy ny Baiboly: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.”—Ohabolana 17:17.

Mihanta: “Maivamaivana erỳ aho rehefa avy niresaka an’ilay izy. Mba nisy nahatakatra mantsy izay tsapako. Hoatran’ny hoe tao anaty lavaka lalina aho, dia iny fa nisy olona nandefa tady sy nampakatra ahy avy ao!”

Soso-kevitra: Soraty eto ambany ny anaran’izay “tena namana”, azonao iresahana rehefa malahelo be ianao.

․․․․․

2. Soraty izay tsapanao. Rehefa manavesatra ny fonao ny alahelo, dia azonao soratana ilay izy mba hivoaka. Namoaka ny alahelony i Davida indraindray, rehefa nanoratra salamo. (Salamo 6:6) Hanampy anao koa izany mba hanana ‘fahendrena sy fahaiza-misaina’ foana.—Ohabolana 3:21.

Sanda: “Tsy mikorontana loatra intsony ny saiko rehefa soratako izay mampalahelo ahy. Maivana kokoa ny alahelo rehefa avoaka, sady lasa azonao ny antony.”

Soso-kevitra: Raha manana diary ianao, dia soraty izay tsapanao rehefa malahelo. Lazao ao izay heverinao ho antony. Vakio ilay izy afaka iray volana. Raha efa tony ny alahelonao, dia soraty izay nanampy anao.

3. Mivavaha. Milaza ny Baiboly fa raha mivavaka momba izay mampanahy anao ianao, dia ‘hiambina ny fonao sy ny sainao ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.’—Filipianina 4:7.

Liantsoa: “Nisy fotoana tena tsy azoko mihitsy ny antony nahakivy ahy. Leo aho satria nalahelo nefa tsisy antony akory. Nangataka tamin’i Jehovah aho mba ho falifaly, dia tsy nalahelo be intsony aho. Tena misy heriny lehibe ny vavaka!”

Soso-kevitra: Manaova vavaka mitovitovy amin’ny Salamo 139:23, 24. Aborahy amin’i Jehovah izay rehetra ao am-ponao, ary mangataha aminy mba hanampy anao hamantatra ny antony mampalahelo anao.

Misy hevitra maro hanampy anao ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ankoatra an’ireo. (Salamo 119:105) Misy tantara maro ao amin’ny Baiboly, hanampy anao hieritreritra zavatra mampahery. Hisy vokany eo amin’ny fonao sy ny sainao ary izay ataonao izy ireny. (Salamo 1:1-3) Ahitana tantara mahafinaritra, ohatra, ao amin’ny Asan’ny Apostoly. Hanampy anao rehefa mamaky Baiboly koa ireo “Olona Modely” sivy, ao amin’ny Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Anisan’ny tantaraina ao i Josefa, Hezekia, Lydia, ary Davida. Ho hitanao ao amin’ny pejy 227 koa fa kivy ny apostoly Paoly indraindray noho izy tsy lavorary, nefa vitany ny nandresy izany.

Ahoana anefa raha efa miezaka ianao, fa tsy afaka mihitsy ny alahelonao?

Alahelo maharitra

Hoy i Ryan: “Indraindray aho tsy te hifoha, fa te hijanona eo am-pandriana. Efa fantatro mantsy fa tsy hisy zavatra tsara ho vitako amin’io andro io.” Lasa aretina ny fahakiviana mahazo an’i Ryan, ary maro no voan’izany. Ny ampahefatry ny tanora no tratran’io aretina io.

Ahoana no ahafantaranao raha lasa aretina ny fahakivianao? Ireto misy soritr’aretina vitsivitsy: Mitokantokana, malahelo tampoka dia faly tampoka, kamo manao zavatra, lasa malain-komana sy tsy mahita tory na ny mifanohitra amin’izany, mahatsiaro tena ho tsy misy ilana azy, na manamelo-tena be tsy amin’antony.

Mazava ho azy fa mety hitranga amin’ny olon-drehetra indraindray ny iray na maromaro amin’ireo soritr’aretina ireo. Raha maharitra herinandro maromaro anefa izany, dia resaho amin’ny ray aman-dreninao sao ilaina ny manatona dokotera. Amin’izay mantsy fantatra raha aretina no mahatonga ny alahelonao. *

Tsy tokony ho menatra ianao raha aretina ny fahakivianao. Azo tsaboina izany, ary maro no nihatsara indray na dia efa naharitra ela aza ny fotoana nahakivy azy! Na aretina na tsia no mahazo anao, dia tsarovy ny Salamo 34:18 rehefa malahelo ianao. Izao no voalaza ao: “Akaikin’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay ketraka.”

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 23 Misy tanora te hamono tena mihitsy rehefa maharitra loatra ny alahelony. Miresaha haingana amin’ny olon-dehibe atokisanao, raha izany no tsapanao.—Jereo ny Mifohaza! Mey 2008, pejy 26-28.

ERITRERETO IZAO:

Ilaina ve ny mitomany indraindray?

“Izaho tsy mba olona mora mitomany, nefa tena ilaina izany rehefa malahelo. Rehefa mitomany ianao dia mivoaka ny alahelonao, ka lasa tony ny sainao. Vonona hiatrika ny hoavy ianao, sady manantena hoe ho faly indray.”—Miangola.

Nahoana no manampy anao ny miaraka amin’ny olona rehefa malahelo ianao?

“Tsy tokony hitokantokana aho rehefa malahelo. Marina fa mety hitokana kely aho aloha, dia manamboatra ny saiko any, na mitomany kely. Kanefa mila miaraka amin’olona aho avy eo mba tsy hifantoka be amin’ilay zavatra mampalahelo ahy.”—Sahoby.

[Efajoro/Sary, pejy 21]

NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO

“Matetika aho no mora malahelo rehefa mifantoka loatra amin’ny tenako. Rehefa manampy olona àry aho, dia lasa falifaly indray.”

“Tsy mora kivy loatra aho rehefa mazoto manao fanatanjahan-tena. Tsy mihevi-tena hoe tsy misy dikany mantsy aho. Reraka be koa aho avy eo, ka tsy mahavita mieritreritra momba izay nampalahelo ahy intsony!”

[Sary]

Drenelle

Rebekah

[Sary, pejy 22]

Na toy ny hoe ao anaty lavaka aza ianao rehefa malahelo, dia ho tafavoaka raha miezaka sady misy manampy