Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahavariana ny Nanaovana ny Molekiolan’ny Hemoglobinina

Mahavariana ny Nanaovana ny Molekiolan’ny Hemoglobinina

Mahavariana ny Nanaovana ny Molekiolan’ny Hemoglobinina

“Toa tsotra ny miaina ary mariky ny fahavelomana izany. Hita anefa fa tsy ho azo atao izany raha tsy miara-miasa ireo karazana ataoma maro be ao amin’ny molekiola iray mahavariana sy be pitsiny.” —Max Perutz, mpikaroka momba ny molekiolan’ny hemoglobinina ka anisan’ny nahazo Loka Nobel tamin’ny 1962.

MANDEHA ho azy ny hoe miaina, ary tsy dia miasa saina amin’izany ny ankamaroantsika. Tsy ho velona anefa isika na miaina aza, raha tsy eo ny molekiolan’ny hemoglobinina. Be pitsiny io sangan’asan’ny Mpamorona io, ary any anatin’ireo liomena 30 tapitrisa tapitrisa. Izy io no mitondra ny oksizenina avy ao amin’ny havokavoka mankany amin’ny vatana manontolo. Ho faty eo no ho eo isika raha tsy eo ny hemoglobinina.

Vitan’ny hemoglobinina ny maka sy mitahiry tsara ary mamoaka an’ireo molekiolan’oksizenina. Ahoana no hanaovany izany amin’ny fotoana mety? Misy fiaraha-miasa mahavariana eo amin’ireo molekiola.

“Taxi” faran’izay bitika

Toy ny taxi misy varavarana efatra ary tsy antonona afa-tsy “mpandeha” efatra, ny molekiolan’ny hemoglobinina tsirairay. Tsy mila mpamily ilay taxi satria ao anaty liomena, izay toy ny boaty mandehandeha feno molekiolan’ny hemoglobinina.

Manomboka ny dian’ilay hemoglobinina rehefa tonga ao amin’ny kitapon-drivotry ny havokavoka ny liomena. Rehefa mifoka rivotra isika, dia mitady taxi ireo molekiolan’oksizenina maro be vao tonga ao amin’ny havokavoka, izay toy ny “seranana.” Miditra ao amin’ireo liomena na “boaty” izy ireo. Mbola mikatona ny varavaran’ireo taxi ao anaty liomena, amin’io fotoana io. Vetivety anefa dia tafatsofoka ao anaty taxi ny molekiolan’oksizenina iray ary mahazo toerana.

Mahaliana izay mitranga avy eo. Miova ny bikan’ny hemoglobinina ao anaty liomena. Misokatra ho azy ireo “varavarana” efatr’ilay taxi raha vao misy mpandeha tafiditra, ka tafiditra mora foana ny ambiny. Tena mandaitra izany fiaraha-miasa izany, ka indray mifoka rivotra fotsiny ny olona iray dia efa feno ny ankamaroan’ny “toerana” ao amin’ireo taxi rehetra ao anaty liomena. Misy 250 tapitrisa mahery ireo molekiolan’ny hemoglobinina ao amin’ny liomena iray, ary afaka mitondra molekiolan’oksizenina arivo tapitrisa eo ho eo izy ireo. Vetivety dia lasa ilay liomena misy an’ireo taxi rehetra ireo, ary manatitra an’ireo oksizenina any amin’ny sela mila azy. Inona anefa no mihazona an’ireo oksizenina tsy hivoaka aloha kokoa?

Miraikitra amin’ny ataomana vy ao anaty hemoglobinina ny molekiolan’oksizenina. Fantatsika fa matetika no lasa harafesina ny vy rehefa mifangaro amin’ny oksizenina sy rano, ka tsy tafavoaka intsony ny oksizenina. Mampitambatra sy mampisaraka ny vy sy ny oksizenina anefa ny molekiolan’ny hemoglobinina ary tsy miteraka harafesina. Ahoana no hahavitany izany nefa mando lava ao anaty liomena?

Diniho akaiky

Andeha hodinihintsika akaiky ny molekiolan’ny hemoglobinina, mba hamaliana izany. Misy ataomana vy 4 voahodidin’ny ataomana hidrozenina, karbonina, azota, solifara, ary oksizenina, miisa 10 000 eo ho eo, ao anatiny. Nahoana ny ataomana vy no mila arovana mafy toy izany?

Misy herinaratra ireo ataomana vy efatra ka tsy maintsy arovana tsara. Manimba ny ao anatin’ny sela ny ataoma toy izany raha votsotra. Voaro eo afovoan’ny plaky mafy be àry ny ataomana vy tsirairay. * Mety tsara koa ny fipetrak’ireo plaky efatra ao anaty hemoglobinina ka tafiditra any amin’ny ataomana vy ny molekiolan’oksizenina. Tsy tafiditra any kosa ny molekiolan’ny rano, ka tsy misy harafesina miforona.

Tsy afaka mitahiry oksizenina sy mamoaka an’izany raha ny vy irery. Tsy hisy hilana azy anefa ny zavatra hafa rehetra ao amin’ny molekiolan’ny hemoglobinina, raha tsy eo ireo ataomana vy efatra misy herinaratra. Tsy ho afaka hitatitra oksizenina àry ny ra raha tsy mety tsara ny toeran’ireo ataomana vy ao anaty molekiolan’ny hemoglobinina.

Famoahana oksizenina

Miova ny zavatra tsapan’ny liomena rehefa miala ao amin’ny lalan-dra vaventy izy ary tonga any amin’ny lalan-dra madinika amin’ny vatana. Mafana kokoa ny manodidina azy raha oharina amin’ny tao amin’ny havokavoka, ary kely kokoa ny oksizenina, sady betsaka kokoa ny asidra avy amin’ny gazy karbonika. Ireo rehetra ireo no mampahafantatra an’ireo taxi na molekiolan’ny hemoglobinina ao anaty liomena, fa tokony havoakany amin’izay ireo mpandeha, izany hoe ny oksizenina.

Miova indray ny bikan’ny molekiolan’ny hemoglobinina, rehefa mivoaka avy ao ireo molekiolan’oksizenina. “Mikatona ireo varavarana” noho izany, ka mijanona any amin’ny toerana tena ilana azy ny oksizenina, ary tsy afaka mitondra oksizenina miverina any amin’ny havokavoka ny hemoglobinina. Maka gazy karbonika avy hatrany kosa izy rehefa miverina.

Vetivety dia tafaverina any amin’ny havokavoka ny liomena avy nanatitra oksizenina, ka mamoaka gazy karbonika ary maka an’ilay zavatra tena ilain’ny vatana, dia ny oksizenina. Manao an’izany inarivony ny liomena iray mandritra ny efa-bolana eo ho eo, ary maty avy eo.

Hafakely tokoa ny molekiolan’ny hemoglobinina. Tena marina ilay voalaza terỳ am-piandohana hoe “molekiola iray mahavariana sy be pitsiny” izy io. Tsy mahagaga raha talanjona isika noho ireo zavatra bitika natao mba hahavelomantsika. Faran’izay tsara sy voakaly izy ireny, ka ankasitrahantsika ilay Mpamorona.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Molekiola hafa mihitsy io plaky io ary tsy anisan’ny proteinina, na dia miraikitra aminy aza. Antsoina hoe hema izy io.

[Efajoro/Tabilao, pejy 28]

KARAKARAO TSARA NY HEMOGLOBININAO

Fandre ny hoe “ra tsy ampy vy”, any amin’ny tany sasany. Ny hemoglobinina ao amin’ny ra anefa no tsy ampy raha ny tena izy. Tsy hisy ilana azy ireo ataoma 10 000 ao amin’ilay molekiola raha tsy ao ireo ataomana vy efatra tena ilaina. Mila misakafo tsara àry isika mba ho ampy vy. Omena eto ny sakafo sasany misy vy.

Ireto koa misy torohevitra tokony harahina, ankoatra ny fihinanana sakafo be vy: 1. Manaova fanatanjahan-tena mety sy mitohy. 2. Aza mifoka sigara. 3. Halaviro ny setroka avoakan’ny mpifoka sigara. Nahoana no mampidi-doza be ny karazan-tsigara rehetra?

Feno oksidana karbonina ny setro-tsigara. Gazy mahafaty izy io ary hita ao amin’ny setroka avoakan’ny fiara koa. Maro ny olona maty tampoka noho io gazy io. Mampiasa azy io koa ny olona sasany mba hamonoan-tena. Mora miraikitra haingana amin’ny vy ao amin’ny hemoglobinina io gazy io, raha ampitahaina amin’ny oksizenina. Tena manimba àry ny setro-tsigara satria mametra ny oksizenina miditra amin’ny vatana.

[Tabilao]

SAKAFO HABETSAHANY VY (mg)

Voaloboka 125 grama 5,1

Atin-kena 50 grama 4,4

Koban-tsaozà 113 grama 4

Lantihy 99 grama 3,3

Henan’omby 85 grama 3,2

Tsaramaso mena 88,5 grama 2,6

Voanjobory 82 grama 2,4

Ovy nandrahoina 100 grama 1,4

Henan’akoho 100 grama 0,8

Epinara 30 grama 0,8

Atody 1 0,7

[Kisary/Sary, pejy 26]

(Jereo ny gazety)

Proteinina

Oksizenina

Ataomana vy

Hema

Miditra ao amin ny hemoglobinina ny molekiolan’oksizenina iray, rehefa ao amin’ny toerana be oksizenina ao amin’ny havokavoka

Miova kely ny bikan’ny hemoglobinina raha vao tafiditra ilay molekiolan’oksizenina, ka afaka miditra haingana ny telo hafa

Entin’ny hemoglobinina miala amin’ny havokavoka ny molekiolan’oksizenina, ary avoakany any amin’izay toerana ilana azy