Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manirery Nefa Betsaka ny Fitaovam-pifandraisana

Manirery Nefa Betsaka ny Fitaovam-pifandraisana

Manirery Nefa Betsaka ny Fitaovam-pifandraisana

MBOLA tsy nitobaka be toy izao angamba ny fitaovana azo ifandraisana. Afaka mifampiantso sy mifandefa hafatra amin’ny telefaonina sy Internet ny olona. Na izany aza, dia maro ny olona mahatsiaro ho manirery, na tanora na antitra. Fa nahoana?

Namoaka boky momba ireo olona mahatsiaro ho manirery ny mpikaroka atao hoe John Cacioppo sy William Patrick. Resahiny ao fa araka ny fikarohana natao, dia “mety ho vao mainka hitokantokana sy ho ketraka be ny olona iray, raha mitombo ny fampiasany Internet nefa tsy mifanerasera mivantana amin’ny olona izy.”

Be atao be ny olona noho ny fandrosoana, ka lasa sarotra ny mifandray am-po amin’olona. Telefaonina sy ordinatera fotsiny no ifandraisana, kanefa tsy hita eo amin’izy ireny mazàna ny tsikitsikin’ilay olona iresahana sy ny masony be fitiavana.

Mety hitranga any am-piasana ireo, nefa mety hitranga koa na ao an-tokantrano aza. Tsy miara-misakafo na mifampiresaka ny mpianakavy ao amin’ny fianakaviana maro, fa samy manana ny alehany. Misy koa ankizy variana amin’ny telefaonina na tsy miala eo amin’ny ordinatera mihitsy, ka lasa tsy miaraka amin’ny fianakaviany. Mahagaga fa maro ny ankizy mahatsiaro ho manirery, na dia manana telefaonina sy fitaovana hafa ifandraisana amin’olona aza.

Na ny olona manambady koa aza mety hahatsiaro ho manirery. Tsy mifampiresaka ny mpivady sasany, ary samy manana ny fiainany, ka zara raha manao zavatra miaraka. Maro ny antony mety hahatonga ny olona ho manirery, fa ny mampahory indrindra dia ny hoe mahatsiaro ho manirery nefa manambady.

Ny ray na reny tokan-tena koa no tena mahatsiaro ho manirery matetika. Mety ho vao mainka mafy izany, raha variana amin’ny telefaonina sy ny Internet izy na ny zanany. Mahatonga azy ireo tsy dia hifandray mantsy izany. Eo koa ireo mpitovo maro maniry mafy hanambady, nefa mbola tsy tanteraka ny faniriany.

Nanjary olana lehibe eo amin’ny fiaraha-monina ny hoe mahatsiaro ho manirery. Mety hahatonga ny olona hiankin-doha amin’ny toaka izany, na hisakafo be loatra, hampiasa zava-mahadomelina, haloto fitondran-tena, na hamono tena mihitsy. Tena ilaina àry ny mahafantatra hoe nahoana ny olona no mahatsiaro ho manirery. Dingana voalohany ahafahana miatrika an’ilay olana izany.