Nahoana ny Olona no Mahatsiaro ho Manirery?
Nahoana ny Olona no Mahatsiaro ho Manirery?
TSY mitovy ny hoe irery sy mahatsiaro ho manirery. Ny hoe irery dia midika hoe mitokana satria mety ho izay mihitsy no faniriana. Ny hoe mahatsiaro ho manirery kosa dia midika matetika hoe irery nefa te hiaraka amin’olona.
Mahasoa indraindray ny mitokana irery. Maro ny mitokana mba hivavaka na hisaintsaina, toy ny nataon’i Jesosy Kristy. (Matio 14:13; Lioka 4:42; 5:16; 6:12) Tsy mba toy izany anefa ny olona mahatsiaro ho manirery. Mety hijaly izy ao am-pony ao. Inona àry no mahatonga ny olona hahatsiaro ho manirery?
● Tsy mifankahalala ny mponina an-tanàn-dehibe
Olona an’arivony, raha tsy an-tapitrisany mihitsy, no miara-miaina amin’ny tanàn-dehibe. Mahagaga anefa fa vao mainka mahatonga olona maro hahatsiaro ho manirery izany. Be atao ny olona, ka tsy afaka mifankahalala amin’ny mpifanila trano aminy. Vokatr’izany, dia hoatran’ny hoe olona tsy fantany daholo ny manodidina azy. Tsy matoky olona tsy fantany koa ny olona matetika, ary tsy tiany hidikidiran’ny hafa ny fiainany. Izany angamba no tena mahatonga ny olona an-tanàn-dehibe hahatsiaro ho manirery.
● Mampijaly ny fomba itondrana ny mpiasa
Mahatonga ny mpiasa hahatsiaro ho manirery sy hihevi-tena ho tsy mahay, ny fomba itondrana ny mpiasa amin’ny orinasa lehibe maro. Mahatsapa izany ny rehetra, na ny ambonimbony, na ny mpiasa madinika. Matetika ny mpiasa no asaina miasa mafy foana ka miady saina lava.
Afindra toeram-piasana matetika koa ny mpiasa, ka manjary manahy sy lasa tsy mana-namana ary mahatsiaro ho manirery. Nisy mpiasa maro namono tena tao amin’ny orinasa lehibe sasany tany Frantsa. Niresaka momba izany ny gazety iray, ary nilaza fa “niova haingana be ny toe-karena”, ka maro ny Frantsay mahatsapa hoe “voatery manao asa tsy eran’ny aina.”
● Tsy mifandray am-po ny olona
Hoy ny Profesora Tetsuro Saito, any Japon: “Azo inoana fa ho lasa tsy hahay hifandray am-po intsony ny olona, noho ny fampiasana finday sy fitaovana hafa toy izany.” Milaza koa ny gazety iray any Aostralia hoe ‘mahatonga ny olona tsy te hifandray amin’ny hafa ny fitaovana maoderina. Mifandefa hafatra amin’ny telefaonina sy ordinatera ny olona, fa tsy mifampiresaka mivantana.’
Nilaza ny antony nahatonga azy hahatsiaro ho manirery i Rachel, tovovavy 21 taona, any Frantsa. Hoy izy: “Tsy dia miezaka hihaona aminao intsony ny olona, satria heveriny fa efa ampy ny mandefa hafatra amin’ny telefaonina na ordinatera, na mifampiresaka aminao ao amin’ny Internet. Vao mainka mahatonga ahy hahatsiaro ho manirery anefa izany.”
● Mifindra monina
Maro ny olona mifindrafindra monina, vokatry ny krizy ara-bola. Tsy maintsy mifindra izy mba hihazonana ny asany, na hahitana asa. Voatery mandao ny mpiray tanàna aminy, ny namany, ny sekoly nianarany, ary indraindray ny fianakaviany izy ireo, noho izany. Mahatsiaro ho toy ny zavamaniry nafindra toerana ireny olona ireny, nefa ny fakany tavela teo amin’ilay nisy azy ihany.
Tsaroan’i Francis, avy any Ghana, ny andro nahatongavany tany Frantsa. Hoy izy: “Tena nahatsiaro ho nanirery aho, satria tsy haiko ny fitenin’ny olona, tsy nana-namana aho, sady ny hatsiaka koa namely.”
Hoy koa i Behjat, nifindra tany Angletera: “Sarotra tamiko ny nizatra ny kolontsaina anglisy. Nisy olom-pantatro ihany teto, fa tsy nisy namako akaiky na fianakaviako azoko namborahana ny fihetseham-poko.”
● Maty vady
Toy ny hoe misy banga be eo amin’ny fiainan’ny olona iray, rehefa nodimandry ny vadiny. Mafy kokoa aza izany, raha nitsabo azy nandritra ny fotoana naharitra izy. Matetika no mieritreritra izy ireny hoe lasa tsy misy dikany intsony ny fiainany.
Hoy i Fernande, vehivavy maty vady, any Paris: “Ny tena mafy amiko dia hoe tsy afaka mamboraka ny ato am-poko amin’ilay namako
akaiky indrindra intsony aho, dia ny vadiko.” Nilaza koa ny vehivavy maty vady atao hoe Anny, fa tena malahelo ny vadiny izy, “indrindra rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe momba ny fahasalamana na zavatra hafa.”● Misara-panambadiana na tsy mahita vady
Mahatsiaro ho manirery sy tsy mahavita azy ny olona matetika, rehefa avy nisaraka tamin’ny vadiny. Ny ankizy mazàna no tena mijaly, ary tena mafy tsy araka ny nieritreretan’ny mpikaroka azy izany. Milaza ny manam-pahaizana sasany fa atahorana kokoa hahatsiaro ho manirery ny ankizy rehefa lehibe, raha nisaraka ny ray aman-dreniny.
Matetika koa no mahatsiaro ho manirery ny olona te hanambady, nefa mbola tsy mahita vady mety aminy. Vao mainka mafy izany fihetseham-po izany, rehefa misy olona manao teny tsy voahevitra, toy ny hoe: “Tsy aleonao manambady? Ho sambatra ianao amin’izay!”
Mahatsiaro ho manirery koa ny ray na reny tokan-tena. Mahafinaritra ny hoe mitaiza, nefa koa manahirana. Voatery mandamina samirery an’ireny zava-manahirana ireny anefa ny ray na reny tokan-tena, fa tsy mba manana vady akana hevitra.
● Fahanterana na fahatanorana
Mety hahatsiaro ho manirery ny zokiolona, na dia mikarakara azy aza ny fianakaviany. Marina fa mety ho afaka mamangy azy tsindraindray ny havany na ny namany, kanefa irery ihany izy ireny amin’ny andro sasany, na mandritra ny herinandro maromaro mihitsy aza.
Na ny tanora koa aza mahatsiaro ho manirery. Maro no miala voly irery foana. Ohatra hoe mijery tele, na manao lalao video, na mandany ora maro eo amin’ny ordinatera.
Inona àry no azonao atao raha mahatsiaro ho manirery ianao? Ahoana no iatrehana an’io olana mihamahazo ny olona maro io?
[Teny notsongaina, pejy 5]
“Tena nahatsiaro ho nanirery aho, satria tsy haiko ny fitenin’ny olona, tsy nana-namana aho, sady ny hatsiaka koa namely”