Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nifidy An’ilay Hazakazaka Tsara Indrindra Aho

Nifidy An’ilay Hazakazaka Tsara Indrindra Aho

Nifidy An’ilay Hazakazaka Tsara Indrindra Aho

Notantarain’i Karl-Erik Bergman

Tena tiako ny mihazakazaka. Talentako koa ilay izy, ka tena nilofosako.

NIDITRA tamin’ny fikambanan’ny atleta aho tamin’ny 1972, tamin’izaho 17 taona. Tsapako fa tsy maintsy niezaka mafy aho raha te ho matihanina. Tsy ampy mantsy ny manana talenta raha te ho tompon-daka amin’ny hazakazaka. Vonona ny hiezaka anefa aho.

Lasa anisan’ny ekipam-pirenen’i Failandy aho, rehefa 22 taona. Ny taona nanaraka, dia izaho no haingam-pandeha indrindra tamin’ny hazakazaka 100 metatra. Narary anefa ny hozatry ny ranjoko sy ny feko, ka tsy afaka nanohy intsony aho. Na izany aza, dia tsy foiko ny hazakazaka, ka lasa mpanazatra an’ireo atleta mahay aho. Tapa-kevitra ny ho any Kalifornia, Etazonia, aho tamin’ny 1982, mba hianatra any amin’ny oniversite sy hanohy ny asan’ny mpanazatra. Efa novidiko ny tapakila handehanako fiaramanidina.

Niova ny fiainako

Indray hariva, talohan’ilay daty handehanako ho any Kalifornia, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah roa vavy nandondòna tao am-baravarako. Tony sy natoky tena ry zareo, ary izany mihitsy no takina amin’ny atleta. Nahafantarako zavatra betsaka ny resakay tamin’izay. Nomeny ahy avy eo ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. * Rehefa voavakiko ny antsasany, dia resy lahatra aho fa io no fahamarinana. Niverina izy roa vavy ary nanontaniako hoe inona no hataoko mba ho lasa Vavolombelon’i Jehovah aho. Nilaza izy ireo fa mila mianatra Baiboly aho.

Nanaiky hianatra Baiboly aho, sady tonga dia nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelona tao Vantaa, tanàna nipetrahako. Hitako fa avy ao amin’ny Baiboly ny zavatra nianarana tany. Nanova tsikelikely ny fisainako ny fahamarinana, ka tsy ny fanatanjahan-tena intsony no zava-dehibe tamiko. Naveriko àry ilay tapakila saika handehanako, ka nividianako akanjo hoentina mivory sy kitapo hasiana boky sy Baiboly ny ampahan’ilay vola. Natao batisa tamin’ny fivoriambe tany Helsinki aho tamin’ny 1983, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah.

Nisy atleta hafa nianatra Baiboly

Tonga dia noresahiko tamin’ny namako izay nianarako tao amin’ny Baiboly. Gaga be ry zareo hoe lasa mpivavaka aho. Nisy aza nanely tsaho hoe lasa adala aho. Nanomboka nihatakataka tamiko ry zareo. Nihazakazaka foana aho mba ho salama. Tafahaona tamin’ny atleta sasany àry aho taorian’ny batisako. Hitan’izy ireo tamin’ny resakay fa tsy lasa adala aho, na dia hoe niova aza.

Maro tamin’ireny atleta ireny no nahatakatra fa nitombina tsara ny zavatra nolazaiko. Voamarik’izy ireo fa tsy niteny ratsy na nahery setra intsony aho. Nanaiky hianatra Baiboly àry ny sasany. Faly erỳ aho nanazava fa oharin’ny Baiboly amin’ny mpihazakazaka ny Kristianina, ka ny fiainana mandrakizay no loka.2 Timoty 2:5; 4:7, 8.

Raha ny marina dia ny mampifaly ny Mpamorona no mahasambatra sy mampisy dikany ny fiainana, fa tsy ny mandresy amin’ny lalao ara-panatanjahan-tena. Rehefa avy niresaka tamiko ny atleta sasany, dia nanova ny tanjony koa, ary maro no nanaiky ny fahamarinana. Faly aho satria mazoto manompo an’Andriamanitra izy ireo, toy ny zotom-pony tamin’ny fanatanjahan-tena ihany.

Anisan’izany i Yvonne, izay niavaka tamin’ny hazakazaka 800 metatra. Izy no tompon-dakan’ny vehivavy eran’i Skandinavia, ary ny zava-bitany no tsara indrindra tany Failandy. Imbetsaka izy no nandresy rehefa nisolo tena an’i Failandy tany Eoropa. Rehefa niresaka izahay, dia tsapany fa zava-poana ny laza. Nasehoko azy avy tao amin’ny Baiboly hoe mandalo ity tontolo ity, fa hosoloan’Andriamanitra tontolo vaovao.—1 Jaona 2:17.

Nianatra Baiboly àry i Yvonne. Mpifankatia izy sy Jouko tamin’izany. Atleta mahay tao amin’ny ekipam-pirenena i Jouko, ary efa solontenan’i Failandy tamin’ny lalao eoropeanina sy fiadiana ny tompon-daka eran-tany. Nifindra tany Etazonia izy sy Yvonne, ary nanohy ny fanatanjahan-tena.

Niara-nianatra Baiboly tamin’i Yvonne i Jouko, tany Etazonia. Nihevitra mantsy izy fa hahita hokianina tamin’ilay fianarana, ka ho afaka hampiova hevitra an’i Yvonne. Nanohina ny fony tsikelikely koa anefa ny fahamarinana. Nivady izy ireo, ary nanokan-tena ho an’Andriamanitra ka natao batisa. Samy mpisava lalana izy ireo izao, izany hoe Vavolombelon’i Jehovah mpitory manontolo andro.

Nampiako hianatra Baiboly koa i Barbro, tompon-dakan’i Failandy tamin’ny hazakazaka 400 metatra vehivavy. Vao avy nanao fifaninanana tany Eoropa izy tamin’izay. Nifindra tany Soeda izy sy Jarmo vadiny, izay mpanao viki-miakatra misy hazo lava. Nanohy ny fianarany Baiboly i Barbro tany, ary nianatra koa i Jarmo. Samy nitady ny tena dikan’ny fiainana izy ireo. Rehefa nahita ny fahamarinana àry izy roa, dia natao batisa tany Soeda. Tena mazoto mitory izy mivady. Anti-panahy eo anivon’ny fiangonana izao i Jarmo, izay lasa mpitsabo amin’ny alalan’ny otra.

Anisan’ny nampiako koa i Heidi, zatovovavy tena nahery nihazakazaka. Izaho no mpanazatra azy ka hitako fa tia fivavahana izy. Indray andro dia noresahiko taminy izay lazain’ny Baiboly momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fitahiana hoentin’izy io. Dia hoy aho: “Mino ve ianao fa ho azontsika tokoa ireny fitahiana ireny?”—Salamo 37:11, 29; Matio 6:9, 10.

“Ie”, hoy izy. Te hianatra Baiboly izy ka nasaiko nampianarin’ny anabavy iray. Nanokan-tena ho an’Andriamanitra i Heidi, afaka taona vitsivitsy, ka natao batisa. Lasa matotra ara-panahy izy rehefa lehibe, sady tsara tarehy. Nivady izahay tatỳ aoriana. Tena namana tsara ho ahy izy, sady be fikirizana. Raha nampiasainy tamin’ny fanatanjahan-tena izany fikirizana izany dia tena lasa matihanina mihitsy izy, saingy naleony nanompo an’Andriamanitra.

Mpanao fanatanjahan-tena koa i Peter, zandriko lahy. Nanohitra be izy rehefa nianatra Baiboly aho. Nomeko boky Hiaina Mandrakizay anefa izy. Hoy izy tamiko taorian’izay: “Novakiko ity boky ity, fa misy tsy azoko. Mba ampio leisy aho a!” Nasaiko niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona iray izy, ary natao batisa rehefa afaka efa-bolana. Nanambady izy tatỳ aoriana, ary mpisava lalana ny vadiny.

Mitohy ny hazakazaka

Mbola tsy vita batisa aho dia efa tapa-kevitra ny hanao misionera. Nanomboka ny asan’ny mpisava lalana aho, taoriana kelin’ny batisako. Fantatro mantsy fa tsy maintsy manao izay farany vitany ireo te hahazo ny lokan’ny fiainana. Nameno fangatahana izahay sy Heidi mba hanao ny Sekolin’i Gileada, fampiofanana misioneran’ny Vavolombelon’i Jehovah any New York. Voaray izahay tamin’ny 1994. Voatendry hitory tany Letonia izahay rehefa nahazo diplaoma. Rosianina no fiteny any.

Very hevitra ny olona rehefa rava ny Firaisana Sovietika. Maro no lasa nino ny Baiboly, na dia natao tsinontsinona sy norarana aza izy io. Ny nianatra teny rosianina no tena mafy tamiko. Rehefa avy nanao ny asa misionera nandritra ny enin-taona teto Letonia anefa aho, dia voatendry ho mpiandraikitra mpitety faritany, mba hitsidika sy hampahery an’ireo fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Izany no ataonay mivady hatramin’izao.

Maro no nampiofaniko tamin’ilay hazakazaka hahazoana ny “tena fiainana” ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. (1 Timoty 6:19) Tsy maintsy mahafantatra tsara an’ireo atleta ny mpanazatra, mba hanampiana azy ireo hanao izay farany vitany. Mila ofanina izy ireo mba hisongadina ny talentany, fa tsy dia hiharihary kosa ny fahalemeny. Ny mpanazatra koa no mandrisika azy ireo hanohy foana sy hanao izay fara heriny.

Tsy nampoiziko hoe tena misy itovizana be amin’ny atleta ny Kristianina. Nanamafy an’izany ny apostoly Paoly tao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintianina. Mila mifantoka amin’ny fanazaran-tena ny atleta raha te hahomby, fa tsy manonofinofy hoe handresy fotsiny. Mametraka tanjona azony tratrarina tsara izy, ary manao zavatra mba hahavitany izany. Ho very maina fotsiny ny asa mafy efa nataony raha vao tsy mifantoka izy na tsy miezaka intsony. Toy izany mihitsy ny tena Kristianina.

Mitandrina ny sakafony foana ny atleta mahay. Toy izany koa ny Kristianina. Tsy manandrana fampianarana maloto izy, na mihinana amin’ny “latabatry ny demonia” araka ny tenin’i Paoly. Mandray tsy tapaka ny sakafo ara-panahy omen’Andriamanitra ao amin’ny Teniny kosa izy. (1 Korintianina 10:21) Ankoatra izany, dia tsy mora kivy ny atleta mahay rehefa misy olana. Manaiky ny fahadisoany izy ary mora ahitsy. Hoy i Paoly: ‘Tsy mihazakazaka befahatany fotsiny aho. Fa asiako mafy ny vatako’, sao tsy maharaka ny fitsipi-dalao.—1 Korintianina 9:24-27.

Manao fanatanjahan-tena foana izahay mivady, mba ho salama sy tomady. Izany anefa tsy ataonay misakana ny fanompoana an’i Jehovah, izay nanao ny olona tamin’ny fomba mahatalanjona. (Salamo 139:14) Samy mifantoka amin’ny lokan’ny “tena fiainana” izahay, dia ilay tontolo vaovao “ho avy.”—1 Timoty 4:8.

Rehefa avy niresaka an’ireo “vavolombelona maro be toy ny rahona” fahiny i Paoly, dia nampirisika hoe: “Aoka koa isika hanaisotra izay rehetra manavesatra antsika sy ny ota izay mora mamatopatotra antsika, ary aoka isika hihazakazaka amim-paharetana amin’ilay hazakazaka eo anoloantsika.” (Hebreo 12:1) Tsy misy zava-dehibe noho io hazakazaka io. Izay rehetra mahavita azy io ihany mantsy no hahazo fitahiana mandrakizay.—2 Timoty 4:7, 8.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.

[Sary, pejy 14]

Taona 1985 tany ho any: Izahay sy Heidi, miaraka amin’i Yvonne (ambony) ary Jouko sy ny zanak’izy ireo (ambany)

[Sary, pejy 15]

Izahay mivady miara-mitory

[Sary, pejy 15]

Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Helsinki, 2009. Yvonne sy Jouko (havanana) ary Jarmo sy Barbro (havia)

[Sary nahazoan-dalana, pejy 12]

Published in Aamulehti 8/21/1979