Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Fantatra fa ny 10,3 isan-jaton’ny lehilahy brezilianina manao firaisana, izay 15 ka hatramin’ny 64 taona, no nanao firaisana tamin’ny olona nifanoratra taminy nandritra ny herintaona na latsaka, tao amin’ny Internet.—MINISITERAN’NY FAHASALAMANA ANY BREZILA.

Rakotra ranomandry 80 metatra eo ho eo ny Oseana Arktika hatramin’izay. Mahagaga anefa fa nitsonika izany, ka lasa mora kokoa ny manokatra lalan-tsambo mankany amin’ny Tendrontany Avaratra.—MASOIVOHOM-BAOVAO REUTERS, KANADA.

Nambaran’i Moscou sy Vatikana fa betsaka ny fifampiraharahana ifanaovan’izy ireo.—RIA NOVOSTI, RUSSIA.

“Teo anelanelan’ny 2000 sy 2007, dia nitsonika ny 26 isan-jaton’ny lanezy” nandrakotra ny tampon’i Kilimandjaro, ilay tendrombohitra avo indrindra atsy Afrika.—DAILY NATION, KENYA.

Mitady ny Tombontsoan’ny Tenany Nefa Tsy Sambatra

Milaza ny mpikaroka fa amin’ireo firenena eran-tany, dia i Grande-Bretagne no “tena misy olona samy manana ny fiainany, fa tsy miray hina”, araka ny Daily Telegraph any Londres. Fantatra koa anefa fa any no feno olona kivy sy miady saina indrindra. Mihevitra ny mpikaroka sasany fa misy ifandraisany ireo. Nampitahaina ny olona any amin’ny firenena mitady ny tombontsoan’ny tsirairay, toy ireo tany tandrefana, sy ireo mitady ny tombontsoan’ny fiaraha-monina, toy ny any Chine sy Taïwan. Hita fa tsy miady saina loatra ireo mihevitra ny manodidina azy alohan’ny tenany. Any amin’ny tany tandrefana kosa, dia ‘mora kivy ny olona satria tia tena’, hoy ny Telegraph.

Mariazin’ny Samy Lehilahy na Samy Vehivavy any Am-piangonana

Nanaiky ny fanambadian’ny samy lehilahy na samy vehivavy ny Fiangonana Loteranina any Soeda, tamin’ny Oktobra 2009. Volana vitsivitsy talohan’izay mantsy, dia namoaka lalàna ny antenimiera any Soeda fa afaka mivady ny samy lehilahy na samy vehivavy. “Nekena hatramin’izay fa fiombonan’ny lehilahy sy ny vehivavy ny fanambadiana.” Ny Fiangonana Loteranina àry no “fivavahana lehibe voalohany eran-tany niala tamin’io fiheverana io”, hoy ny gazety Dagens Nyheter.

Mitomany Amin’ny Fiteny Inona ny Zazakely?

Nilaza ireo mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Würzburg, any Alemaina, fa vao teraka roa andro ny zazakely, dia efa manaraka ny lantom-peo amin’ny fitenin-drazany rehefa mitomany. Noraisina feo ny fitomanin’ny zaza frantsay 30 sy alemà 30, ka nodinihina ny haavony sy ny filantony. Voamarika fa rehefa mitomany ny zazakely frantsay dia ambany aloha ny feony, fa avy eo miakatra. Ny feon’ny zaza alemà kosa avo aloha, vao midina. Samy manaraka ny feo amin’ny fitenin-drazany izy ireo amin’izany. Fantatra àry fa ao am-bohoka ny zaza dia efa mianatra fiteny, ary hita taratra sahady izany raha vao manomboka mitomany izy.