Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Trano Azo Afindrafindra any Azia Afovoany

Trano Azo Afindrafindra any Azia Afovoany

Trano Azo Afindrafindra any Azia Afovoany

INONA àry izany? Boribory izy io, mampahafana amin’ny ririnina, ary mampangatsiatsiaka amin’ny vanin-taona mafana? Raha ireo mpifindrafindra monina any Azia Afovoany no anontaniana izany, dia hamaly izy ireo hoe: Ny trano yourte! Fahita matetika io trano nentim-paharazana io taloha, teny amin’ireo tany lemaka midadasika any Mongolia sy Kazakhstan, ary teny amin’ireo tendrombohitra sy lohasaha any Kirghizistan.

Trano boribory toy ny tranolay ny yourte. Tsihy zozoro no mandravaka ny rindrina ao anatiny, ary lamba volonondry matevina ny ivelany. Maivana izy io ary mora atambatra, nefa koa matanjaka tsara. Mahazo aina tsara ianao ao anatiny, na amin’ny ririnina, na amin’ny vanin-taona mafana. Trano volondavenona no anaran’izy io ho an’ny Kirghiz, trano volonondry ho an’ny Kazakh, ary ger izany hoe “trano”, ho an’ny Mongol.

Mety ho fotsy be ny lokon’ny yourte na volontsôkôlà manopy volondavenona tanora, arakaraka ny lokon’ny volonondry ampiasaina. Matetika ny an’ny Kirghiz sy ny Kazakh no ravahany volonondry miloko marevaka misy sarina tandrok’ondry. Noheverina ho olona ambony na mpanankarena taloha izay fianakaviana nanana bodofotsy tsara tarehy, na nanana lamba volonondry fandrakofana ny fanambanin’ny trano.

Zavatra boribory toy ny kodiarana no atao vovonana amin’ny yourte, ary mifandray amin’izy io ny rafi-kazo rehetra amin’ny tafo. Mavesatra izy io sady matanjaka, ka mihazona tsara an’ilay yourte. Misy lamba volonondry mandrakotra an’ilay vovonana, ary azo sokafana ilay izy mba hidiran’ny rivotra, na akatona rehefa ratsy ny andro. Azo sokafana koa izy io amin’ny alina tsy misy rahona, mba hitazanana ny lanitra feno kintana.

Mety tsara ho an’ny mpifindrafindra monina

Mbola misy mpifindrafindra monina any ambanivohitr’i Kazakhstan sy Kirghizistan ary Mongolia. Milaza i Becky Kemery ao amin’ilay bokiny hoe Fiainana ao Anatin’ny Yourte (anglisy) fa mbola mampiasa rameva ireo any Mongolia rehefa hamindra yourte. Hoy koa izy: ‘Zarainy roa mitovy ny hazo rehetra amin’ilay trano ary apetraka eo amin’ny andaniny roa amin’ilay rameva. Ilay vovonana no apetraka farany. Antonona tsara azy io ny trafon’ilay rameva. Atao eo ambonin’ny rameva hafa iray kosa ireo lamba volonondry. Raha tsy misy rameva, dia sarety tarihin’omby na soavaly no itondrana an’ilay yourte. Azo entina amin’ny kamiao koa izy io.’

Tsy mivohitra be ny tafon’ny yourte any Mongolia, fa fisaka kokoa, ka mahazaka tsara ny rivo-mahery sy ny tselatra eny amin’ny tany lemaka. Mivohitra kosa ny tafon’ny yourte any Kirghizistan sy Kazakhstan, ka boribory kokoa ny endrik’ilay trano. Matetika no atodika any amin’ny masoandro ny varavarana, mba hidiran’ny hazavana. Misy talantalana manatrika ny varavarana, ary misy lambam-pandriana sy bodofotsy mifanaingina eo amboniny. Vita amin’ny volonondry izy ireo ary misy sary mareva-doko. Eo anoloan’io talantalana io no fipetrahan’ny vahiny manan-kaja, na ny lehilahy be taona indrindra ao amin’ny fianakaviana.

Natokana ho an’ny vehivavy ny ilany havanana amin’ilay trano. Eo no misy ny kojakoja isan-karazany ampiasaina amin’ny fandrahoan-kanina, fanadiovana, fanjairana, ary ny fanenomana lamba volonondry. Ho an’ny lehilahy kosa ny ilany havia. Lasely sy karavasy indray no hita eo, ary fitaovana ilaina amin’ny fihazana sy fiompiana.

Mbola misy na dia niova aza ny politika

Niova be ny fiainan’ny mpifindrafindra monina, taorian’ny Tolom-bahoaka Kominista tamin’ny 1917. Nanangana sekoly sy hopitaly ary nanao lalana nanerana an’i Azia Afovoany ny Rosianina, ka tsy dia nifindrafindra intsony ny olona.

Maro no nipetraka tamin’ny tanàna sy tanàna kely. Mbola mampiasa yourte anefa ny mpiompy indraindray, amin’ny vanin-taona mafana. Miandry ondry sy omby ary soavaly eny amin’ny kijana iombonana izy ireo amin’izay.

Hoy i Maksat, lehilahy kirghiz, 40 taona latsaka kely: “Niaraka tamin’i Dada aho tamin’ny mbola kely ka niandry an’ireo biby nasaina nokarakarainy. Nentinay teny an-tendrombohitra izy ireny rehefa volana Jolay. Efa niempo ny lanezy tamin’izay, ka azo nandehanana ny lalana.

“Nanangana yourte teo akaikin’ny rano mandeha izahay teny, ka nanana rano ampy tsara nandrahoana sakafo sy nisasana. Nijanona teny izahay mandra-pahatongan’ny ririnina, teo am-piandohan’ny volana Oktobra.” Mbola ampiasaina àry ny yourte amin’izao vanim-potoana maoderina izao.

Ny yourte maoderina

Ahitana yourte matetika any amin’ny toerana sasany toa an’i Kirghizistan. Fivarotana izy ireny, na hotely kely ahafahan’ny vahiny mankafy ny karazan-tsakafo eo an-toerana. Misy yourte azon’ny vahiny atoriana koa eny amin’ireo tendrombohitra any Kirghizistan, sy eny amoron’ny farihy mangalahalan’i Issyk Kul. Mahita ny fomba fiaina nentim-paharazana kirghiz izy ireo amin’izany.

Ampiasaina koa ireny trano ireny amin’ny fomba fandevenana nentim-paharazana sasany any Azia Afovoany. Hoy i Maksat nanazava ny fanao any Kirghizistan: “Ampidirina ao amin’ny yourte ilay faty, ary afaka mankao ny fianakaviana sy ny namana mba haneho ny alahelony.”

Lasa misy yourte any Eoropa sy Amerika Avaratra tato ho ato. Mampirisika ny olona hanao an’io trano io ny olona sasany, satria mora atsangana izy io nefa tsy manaratsy endrika ny tanàna. Tena tsy mitovy amin’ny taloha anefa ny ankamaroan’ny yourte ankehitriny. Fitaovana arifomba no anamboarana azy, ary matetika izy ireny no natao haharitra kokoa.

Tsy fantatra marina hoe ahoana no niandohan’ny yourte, fa ny azo antoka dia hoe tena tsara izy io. Mbola mifamatotra amin’ny fiainan’ny mpifindrafindra monina any Azia Afovoany ny yourte hatramin’izao. Porofoin’izy io fa tena nahay izay namorona azy ireny, ary nahay niatrika fiovana sy niaina tamin’ny zava-nisy.

[Sary, pejy 17]

Yourte, eo amoron’ilay farihy malaza atao hoe Issyk Kul, any Kirghizistan