Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Voa Kely Lasa Hazo Goavam-be

Voa Kely Lasa Hazo Goavam-be

Voa Kely Lasa Hazo Goavam-be

Miendaka amin’ny hazo oaka ny voa kely iray mitovy endrika amin’ny atody kely mipetraka ao anaty fitoerany. Misy biby iray atao hoe écureuil mihazakazaka manafina azy io ao anaty tany. Hadinony ao anefa ilay izy ka maniry. Lasa hazo goavam-be ilay izy rehefa mandeha ny fotoana. Io no hazo lehibe sy mafy indrindra amin’ny hazo any an’ala any Grande-Bretagne.

Mety ho arivo taona mahery vao maty ny hazo oaka, ary mahatratra 40 metatra ny haavon’ny sasany. Tena miavaka io hazo io rehefa antitra, satria ngezabe ny vatany, ary misandrahaka be ny sampany. Misy karazany roa izy io any Grande-Bretagne, fa misy karazany 450 eo ho eo kosa maneran-tany. Ilay voany kely no itovizan’izy rehetra.

Amin’ny hazo rehetra any Grande-Bretagne, dia ny hazo oaka no ahitana karazam-biby betsaka indrindra. Hita ao ny bibikely, ohatra hoe ny fanday. Tian’izy ireo ny mihinana ravina oaka mbola tanora amin’ny lohataona. Miaro tena anefa ilay hazo, ka mamoaka ranoka tsy mampahazoto homana ny raviny.

Misy mipetraka daholo ny faritra rehetra amin’ilay hazo. Noho ireo karazana bibikely be dia be monina ao, dia maro ny vorona sy hala mankeo amin’ilay hazo. Mitsofoka ao amin’ireo hodi-kazo matevina misy triatra koa ny voangory. Mipetraka ao amin’ireo lavaka amin’ilay vatan-kazo ny vorondolo sy ny andiana ramanavy. Mialokaloka ao amin’ny fakany koa ny biby toy ny voalavo, ny totozy, ny bitro, ny bitrom-bato, ary ny amboadia.

Ravina 250 000 no milatsaka avy amin’ny hazo oaka lehibe iray isan-taona. Ahoana no hanadiovana azy ireny? Potehin’ny holatra sy ny bakteria izy ireny, ka lasa zezika. Mamokatra voa 50 000 koa indraindray ny hazo oaka iray mandritra ny herintaona. Angonin’ny vorona sy ny biby hafa ny ankamaroany na hohaniny. Ny koroka sy ny voangory kosa no manary ny hazo maina, ary ny holatra no mihinana ny hodi-kazo.

Tena mafy sy mateza ny hazo oaka. Efa hatramin’ny ela no tian’ny olona ny mampiasa azy io hanorenana trano sy hanaovana fanaka. Mety tsara hanamboarana barìka hazo hitehirizana labiera na divay izy io. Hazo oaka koa no nanamboarana an’ireo sambo matanjaka nampiasain’ny Tafika An-dranomasina Britanika, mba hifehezana ny ranomasina nandritra ny taona maro.

Mbola sarobidy ny hazo oaka ankehitriny. Fahita any Grande-Bretagne izy io, ary noho izy mafy sy mateza no itiavan’ny olona azy. Tena zavaboary mahavariana tokoa ny hazo oaka! Goavam-be izy io nefa avy amin’ny voa kely iray.

[Sary, pejy 18]

Mety ho an’arivony taona mahery vao maty ny hazo oaka. Mety hahatratra 40 metatra ny haavony, ary 12,30 metatra ny haben’ny vatany

[Sary nahazoan-dalana pejy 18]

Hazo: © John Martin/Alamy; voa: © David Chapman/Alamy