Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hanatratrarako ny Tanjoko?

Ahoana no Hanatratrarako ny Tanjoko?

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana no Hanatratrarako ny Tanjoko?

INONA amin’ireto manaraka ireto no mba tianao?

● Hatoky tena kokoa

● Hanana namana maro

● Ho faly kokoa

Mety ho azonao izy rehetra ireo, raha manana tanjona sy manatratra an’izany ianao. Diniho ireto:

Hatoky tena kokoa Raha manana tanjona tsotsotra ianao ka mahatratra izany, dia ho sahy hametraka tanjona ambony kokoa avy eo. Hatoky tena koa ianao rehefa miatrika an’ireo olana isan’andro, ohatra hoe tsy manaiky rehefa taomin’ny namana hanao ratsy. Ho voamariky ny hafa izany ka hanaja anao izy ireo. Mety tsy hitarika anao haditra intsony ny sasany. Mety hidera anao mihitsy aza izy.—Ampitahao amin’ny Matio 5:14-16.

Hanana namana maro Ho tian’ny olona ny miaraka aminao raha manana ny tanjona irinao ianao, ary miezaka manatratra izany. Hanatona anao izy ireo, ka ho lasa namana manohana anao, ary hanampy anao hanatratra ny tanjonao.—Mpitoriteny 4:9, 10.

Ho faly kokoa Tadidio aloha fa tsy hahafinaritra mihitsy ny fiainanao raha miandry fotsiny ianao fa tsy manao zavatra mahaliana. Raha manana tanjona kosa ianao ka tratranao ilay izy, dia ho faly ianao hoe mba nahavita zavatra. Tsy mahagaga raha nilaza ny apostoly Paoly, tamin’ny taonjato voalohany, hoe: “Manao toy ny mpihazakazaka aho ka mikendry tanjona.” (1 Korintianina 9:26, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara) Tadidio koa fa raha lehibe ilay tanjonao, dia vao mainka ianao ho afa-po rehefa tratranao ilay izy!

Te hanandrana ve ianao? Hetezo sy aforeto ilay pejy etsy ankavanana, ary araho ireo dingana voalaza eo. *

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Ho an’ny tanjona kelikely azo tratrarina ao anatin’ny herinandro na volana vitsivitsy ireo soso-kevitra ireo. Azo ampiharina koa anefa izy ireo raha lehibe ilay tanjona.

ERITRERETO IZAO:

● Mety ve ny mametraka tanjona maro be indray miaraka?—Filipianina 1:10.

● Rehefa mametraka tanjona ve dia faritana mialoha daholo izay tsipiriany rehetra hatao?—Filipianina 4:5.

[Efajoro/Sary, pejy 25, 26]

Ahoana no hanatratraranao ny tanjonao?

FIDIO IZAY TANJONA TIANAO Ohabolana 4:25, 26 1

“Aza matahotra mametraka tanjona ambonimbony. Vitan’ny hafa ve tsy ho vitanao?”—Mahery.

1. Eritrereto daholo izay tanjona azonao tratrarina. Andramo fa mahafinaritra izany! Aza mandinika be fa manorata fotsiny hevitra be dia be, ohatra hoe 10 na 20, fara fahakeliny.

2. Diniho tsirairay. Iza amin’ireo no tena mahafinaritra anao? Ary ny tena sarotra? Iza no tena tianao raha vitanao? Tadidio fa ny tanjona tsara indrindra, dia izay zava-dehibe aminao.

3. Alaharo ireo tanjonao. Jereo aloha izay tanjona kelikely azo tratrarina ao anatin’ny andro vitsivitsy. Jereo indray ireo tanjona lehibe kokoa (azo tratrarina ao anatin’ny herinandro na volana vitsivitsy). Alaharo araka izay itiavanao hanatratrarana azy izy ireo.

Ohatra

Namana Hitady namana tsy mitovy taona amiko. Hinamana indray amin’ny namako iray taloha.

Fahasalamana Hanao fanatanjahan-tena adiny iray sy sasany isan-kerinandro. Hatory adiny valo isan’alina.

Fianarana Hanatsara ny naotiko amin’ny matematika. Tsy hanaiky hampirisihin’ny ankizy hifraody.

Fanompoana an’Andriamanitra Hamaky Baiboly, fahefatr’adiny isan’andro. Hitory amin’ny mpiara-mianatra amin’ity herinandro ity.

Alamino Mialoha Izay Hataonao Ohabolana 21:5 2

“Tsara ny manana tanjona, fa mila alaminao ny fomba hanatratraranao azy. Tsy hahavita na inona na inona ianao raha tsy izany.”—Sedera.

Izao atao amin’ny tanjonao tsirairay:

1. Soraty ilay tanjona.

2. Mamera fotoana. Tsy ho nofinofy fotsiny ny tanjonao amin’izay!

3. Soraty ireo dingana mila ataonao.

4. Eritrereto izay olana mety hitranga. Mitadiava fomba hamahana izany.

5. Omano ny sainao. Aoka ianao ho tapa-kevitra ny hanao izay fara herinao mba hanatratrarana an’ilay tanjona. Asio daty ilay taratasy ary soniavo.

Hianatra teny anglisy mba hifandray amin’ny vahiny 1 Jolay

Dingana

1. Hitady boky fianarana an’ilay fiteny.

2. Hianatra teny vaovao folo isan-kerinandro.

3. Hihaino olona miteny anglisy.

4. Hiangavy olona mahay an’ilay fiteny mba hihaino sy hanitsy ahy.

Olana mety hitranga

Tsy misy olona mahay miteny anglisy etỳ akaiky

Vahaolana eritreretiko

Haka boky noraisim-peo amin’ny teny anglisy ao amin’ny www.pr418.com.

․․․․․ ․․․․․

Sonia Daty

Tanteraho Amin’izay! Jaona 13:17 3

“Mety ho variana ianao ka hanadino ny tanjonao. Mila mifantoka amin’izy io foana àry ianao ka hiezaka hanatratra izany.”—Erika.

Atombohy avy hatrany. Mieritrereta hoe: ‘Inona no azoko atao androany mba hanatratrarako ny tanjoko?’ Marina fa tsy ho tonga ao an-tsainao daholo ny hevitra rehetra, kanefa atombohy aloha. Hoy ny Baiboly: “Izay mandinika ny rivotra dia tsy hamafy, ary izay mijery ny rahona, tsy hijinja.” (Mpitoriteny 11:4) Jereo hoe inona no azonao atao androany, na dia kely fotsiny aza, ary ataovy ilay izy.

Jereo isan’andro ilay taratasy misy ny tanjonao. Eritrereto indray hoe nahoana no zava-dehibe aminao ilay tanjona. Asio izay dingana vitanao (na soraty ny daty nahavitanao azy).

Aza hentitra loatra. Na efa voalaminao tsara aza ny dingana rehetra, dia mety mila ahitsy ihany. Tsy maninona izany, fa izay hahatratrarana ny tanjonao no zava-dehibe.

Alefaso lavitra ny saina. Alao sary an-tsaina hoe tratranao ny tanjonao. Eritrereto ny fifaliana ho tsapanao amin’izay! Diniho tsirairay avy eo ireo dingana mila atao, ka alao sary an-tsaina ny fomba hanaovanao azy. Tena ho afa-po ianao isaky ny mahavita dingana iray. Mahereza amin’izay àry fa vitanao io!

[Sary]

Toy ny planina trano ny tanjona. Tsy maintsy miezaka ianao vao vita ilay izy!

[Efajoro/Sary, pejy 25]

NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO 4

“Mora kivy ianao rehefa tsy misy zavatra ifantohana na antenaina. Faly anefa ianao rehefa manana tanjona ka mahatratra izany.”—Reed.

“Aza manamelo-tena be raha tsy tratranao ara-potoana ny tanjonao na tsy vitanao tsara. Tsy hahasoa anao mantsy izany. Tohizo foana fotsiny ny ezaka!”—Cori.

“Miresaha amin’ny olona efa nahatratra tanjona mitovy amin’ny anao. Afaka mampirisika sy manoro hevitra anao izy. Resaho amin’ny fianakavianao koa ny tanjonao, dia hanohana anao izy ireo.”—Julia.

[Kisary, pejy 24]

(Jereo ny gazety)

Hetezo

Aforeto