Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aretina Nampahatahotra Indrindra

Aretina Nampahatahotra Indrindra

Aretina Nampahatahotra Indrindra

Taona 1854 tamin’izay. Namely an’i Londres indray ny kôlerà. Aretina mamely ny tsinay izy io ary mivalana be sy very rano be ny olona voany. Niely haingana be io aretina io. Salama tsara ilay olona ny maraina, nefa maty ny alin’iny. Tsy nisy fanafany ilay aretina.

IO NO aretina nampahatahotra indrindra tamin’ny taonjato faha-19, ary tsy fantatra ny nahatonga an’ilay izy. Nisy nilaza fa fofona mankaloiloy avy amin’ny zavatra simba no nahatonga azy io. Hoatran’ny hoe marina izany, satria namoaka fofona nahatsiravina be ny Reniranon’i Tamise, mamakivaky an’i Londres. Marina tokoa ve izany eritreritry ny olona izany?

Nilaza ny Dokotera John Snow, dimy taona talohan’izay, hoe angamba avy amin’ny rano maloto ny kôlerà fa tsy avy amin’ny rivotra maloto. Nilaza indray ny Dokotera William Budd fa zavamananaina bitika no mamindra an’ilay aretina.

Te hanamarina ny heviny i Snow ka nanadihady ny fomba fiainan’ireo olona voan’ny kôlerà tao Soho, tany Londres, tamin’ny 1854. Nodinihiny hoe inona no itovizan’ireo olona marary ireo. Nanaitra ny zavatra hitany. Avy amin’ny paompy iray ihany ny rano nosotroin’ireo olona rehetra ireo, ary voaloton’ny rano maloto * misy kôlerà io rano io.

Nisy zava-dehibe hafa koa fantatra tamin’io taona io. Namoaka gazety nampahafantatra an’ilay zavamananaina bitika nahatonga ny kôlerà ny mpahay siansa italianina atao hoe Filippo Pacini. Tsy nisy niraharaha anefa, tamin’ny ankapobeny, ny fikarohana nataony sy ny zavatra hitan’i Snow sy Budd. Nihanaka àry ny kôlerà, hatramin’ny 1858.

“Fofona Maharikoriko”

Tokony hampanamboatra lakandrano vaovao handehanan’ny rano maloto sy ny diky ny Parlemanta, mba hahatonga ny Reniranon’i Tamise hadio. Tsy nazoto hampanao izany izy ireo tamin’ny voalohany, nefa voatery ihany noho ny hafanam-be teo antenatenan’ny taona 1858. Nidofaka be mantsy ny fofon’ilay renirano, izay nandalo teo akaikin’ny Tranon’ny Parlemanta. Voatery nanantona lamba, novontosana ranoka famonoana otrikaretina, teo am-baravarankely izy ireo, mba hamonoana an’ilay fofona, izay nantsoina hoe Fofona Maharikoriko. Tao anatin’ny 18 andro monja àry, dia nivoaka ny didy hoe hanao fivarinan-drano maloto vaovao.

Nisy lakandrano lehibe namboarina mba hamiliana ny diky sy ny loto tsy ho any amin’ilay renirano. Mankany atsinanan’i Londres ny lalany ary manary ny loto any an-dranomasina. Nahavariana ny vokany. Vao nampiasaina ilay lakandrano, dia tsy nisy intsony ny kôlerà.

Hita àry fa tsy avy amin’ny rivotra maloto ny kôlerà, fa avy amin’ny rano na sakafo maloto. Nazava koa ny fanafodiny, dia ny fahadiovana.

Lalàna efa nomena taloha ela be

Nitarika ny firenen’Israely hivoaka an’i Ejipta i Mosesy, an’arivony taona talohan’ny nisian’ny kôlerà tany Londres. Na dia tany an-tany efitr’i Sinay aza izy ireo nandritra ny 40 taona teo ho eo, dia tsy tratran’ny valanaretina toy ny kôlerà mihitsy. Nahoana?

Nasaina nandevina ny dikiny tany amin’ny toerana manokana, tany ivelan’ny toby, izy ireo, mba tsy ho voaloto ny fonenany sy ny fakany rano. Ao amin’ny Deoteronomia 23:12, 13 izany didy izany. Izao no voalaza ao:

“Tokony hisy toeram-pivoahana azonao ampiasaina eny ivelan’ny toby, ka any no handehananao. Ary tokony hisy hazo maranitra any aminao, miaraka amin’ny fitaovanao hafa, ka rehefa hipetraka hininginingina eny ivelany ianao dia mihadia lavaka amin’ilay hazo, ary mitodiha ka totofy ny dikinao.”

Izany toromarika tsotra izany no niaro ny Israelita tsy ho voan’ireo aretina nampijaly ny firenena nanodidina azy. Mbola namonjy ain’olona maro koa anefa vao haingana ny fahadiovana. * Mampiseho izany ity fitantarana ity.

‘Tsy tratran’ny valanaretina mihitsy izahay’

Voatery nitsoaka tany Mozambika ny Vavolombelon’i Jehovah maro tany Malawi taorian’ny 1970, noho ny fanenjehana nahery vaika. Lehilahy sy vehivavy ary ankizy maherin’ny 30 000 no nanorim-ponenana tany, tao amin’ny toby miisa folo. Mora mihanaka kokoa anefa ny aretina azo avy amin’ny rano, any amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana. Ahoana àry no nataon’ireo Vavolombelona nipetraka tany?

Nipetraka tao amin’ilay toby lehibe indrindra tao Mlangeni i Lemon Kabwazi, niaraka tamin’ny Vavolombelona 17 000. Hoy izy: “Natao nadio foana ilay toby. Nasiana kabine tany ivelan’izy io, ary tsy nisy olona navela hanorina kabine tao anatiny. Nasiana lavaka fanariam-pako koa tany ivelany. Mpiasa an-tsitrapo no nikarakara ny resaka fahadiovana. Nataony azo antoka fa madio ny rano tao amin’ireo lavadrano, tany ivelan’ny toby, izay natao lavitra ny kabine. Na dia be dia be aza izahay, dia nanaraka foana ny toro lalan’ny Baiboly momba ny fahadiovana, ka tsy tratran’ny valanaretina mihitsy sady tsy nisy voan’ny kôlerà.”

Mampalahelo anefa fa tsy manana kabine ara-dalàna ny trano sasany any amin’ny faritra maro eran-tany. Ankizy 5 000 eo ho eo isan’andro no maty, noho ny aretina azo avy amin’ny diky.

Marina fa azo sorohina ny kôlerà sy ny aretina hafa mitovy amin’izany. Nisy vokany lehibe koa ny ezaka nataon’ny olona, mba hisian’ny kabine sy fanariana rano maloto. Mampanantena anefa ny Baiboly fa tsy ho ela dia hofoanana ny aretina rehetra. Milaza ny Apokalypsy 21:4 fa “tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana”, rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Mampanantena ny Baiboly fa amin’izay fotoana izay, dia “tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’ ”—Isaia 33:24.

Raha tianao ny hahafantatra kokoa momba izay hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra ho an’ny olombelona, dia jereo ny toko faha-3 sy faha-8 ao amin’ilay boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Efa nisy kabine maoderina tamin’ny 1854. Nivarina tany amin’ny tatatra sy ny lakandrano anefa ny diky ka nankany amin’ny Reniranon’i Tamise, izay tena niavian’ny rano fisotron’ny olona.

^ feh. 15 Koa satria sakafo na rano maloto no mahatonga ny kôlerà, dia ilaina ny mitandrina tsara amin’izay zavatra ampidirina ao am-bava. Tena ilaina ny manadio tsara ny rano sy mahandro tsara ny sakafo, satria miaro izany.

[Teny notsongaina, pejy 21]

Nisy sary maro tamin’izany fotoana izany, nampiseho ny Reniranon’i Tamise, voaloton’ny rano maloto misy kôlerà

[Sary, pejy 22]

Lehilahy sy vehivavy ary ankizy maherin’ny 30 000 no nipetraka tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana miisa folo, tany Mozambika, ary natao nadio foana ireo toby ireo

[Sary nahazoan-dalana, pejy 20]

Sarin’olona maty eo amin’i Tamise: © Mary Evans Picture Library; sarintany: University of Texas Libraries