Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manivaka any Amin’ny Tendron’ny Tany

Manivaka any Amin’ny Tendron’ny Tany

Manivaka any Amin’ny Tendron’ny Tany

EFA nofinofin’ny tantsambo fahiny ny hahita lalana mianavaratra, mampitohy ny Oseana Atlantika sy Pasifika. Nisy olana goavana anefa: Voasakan’ny ranomandry ny lalana an-dranomasina tany amin’ny Tendrontany Avaratra.

Te hitady hitsin-dalana tany avaratra ihany anefa ny olona. Efa lasan’i Portogaly sy Espaina ny tsenam-barotra mankany Atsinanana, izay mandalo amin’ny sisiny atsimon’i Afrika sy Amerika Atsimo, tamin’ny taonjato faha-16. Tsy maintsy nitady lalana tany avaratra àry ny mpivarotra hafa, raha te hanao raharaham-barotra tany Atsinanana. Maro no nanandrana an’izany, anisan’izany ny:

Anglisy: Atoa Hugh Willoughby sy Richard Chancellor no Anglisy voalohany nanandrana nanao ilay dia, tamin’ny 1553. Nisy rivo-doza ka nisara-dalana ny sambon’izy ireo. Tavela tany amin’ny farany avaratr’i Rosia, teo amin’ny morontsiraka ngazan’ny Saikinosin’i Kola, i Willoughby nandritra ny ririnina. Tsy niomana ho amin’izany izy sy ny namany ka maty. Niantsona tao Arkhangelsk kosa i Chancellor, ary nasain’ny Mpanjaka Ivan IV Vassilievitch nankany Moscou. Tsy tody tany Azia i Chancellor, nefa nanokatra ny tsenam-barotra Anglisy-Rosianina.

Holandey: Nandeha sambo nankany Nouvelle-Zemble ry Willem Barents, tamin’ny 1594. Niverina tany fanintelony ry zareo, tamin’ny 1596. Nihitsoka teny anelanelan’ny ranomandry anefa ny sambony rehefa teo an-tendron’io vondronosin’i Rosia io ka potika. Nandany ny ririnina mamirifiry tao anaty trano kely vita tamin’ny tapatapaka hazo izy ireo, ary henan’orsa no nivelomany. Sambokely roa no niverenan-dry Barents. Maty teny an-dalana i Barents.

Rosianina: Nitety an’i Siberia sy ny Farany Atsinanan’i Rosia ny Rosianina mpikaroka tany vaovao, nandritra ny 60 taona, tamin’ny 1581 ka hatramin’ny 1641. Niainga tany amin’ny Tendrombohitra Oural izy ireo ary tonga tany Pasifika. Nandeha sambo nanaraka an’ireo renirano tany Siberia koa tamin’izany ny olona vitsivitsy avy tamin’ny foko iray tany Rosia, mba ho any amin’ny Oseana Arktika. Nilaza ny Rosianina fa azy i Siberia. Nisava ny lalana nanaraka ny morony avaratratsinanan’i Siberia izy ireo, ka namakivaky ny Andilan-dranomasin’i Béring ankehitriny, tamin’ny 1648. Mitondra ny anaran’i Vitus Béring, tantsambo danoà, io andilan-dranomasina io.

Dia hafa

Nitondra lehilahy efa ho 1 000, nizarazara ho andiany fito, i Béring, tamin’ny 1733 ka hatramin’ny 1743. Nandinika ny toetanin’ny morontsirak’i Rosia any amin’ny Oseana Arktika sy Pasifika izy ireo. Matetika no voasakan’ny ranomandry ny sambon’izy ireo ary maro no maty. Vita ihany ny ankamaroan’ny sarintanin’ny morontsirak’i Rosia, any amin’ny Oseana Arktika. Tsy nahasoa an’ireo tantsambo tatỳ aoriana anefa ny fanazavana voangona, toy ny sarintany sy ny halalin’ny rano ary ny mombamomba ny ranomandry.

Sambo hazo foana no nentina tany amin’ny Oseana Arktika. Hita avy amin’izay nanjo an’i Béring anefa fa tena tsy mety hamakivakiana ny Lalana An-dranomasina any Avaratra ny sambo hazo. Izany koa no hitan’i James Cook, Anglisy mpikaroka tany vaovao, tamin’ny 1778. Saika hiankandrefana hamakivaky ny Andilan-dranomasin’i Béring izy, saingy voasakan’ny vongan-dranomandry. Zato taona tatỳ aoriana vao nahavita namakivaky an’ilay izy tamin’ny sambo mandeha amin’ny etona i Nils Nordenskiöld, teratany failandey.

Ny fahaizan’ny Rosianina

Ny Rosianina irery no nahazo nandalo teo amin’ny Oseana Arktika any Rosia, taorian’ny tolom-bahoaka tany Rosia tamin’ny 1917. Nataon’ny Firaisana Sovietika nandroso be ny Lalana An-dranomasina any Avaratra, taoriana kelin’ny 1930 ka hatramin’izao. Nanorina seranana maromaro izy ireo mba hampiroboroboana ny indostria. Lasa havanana tamin’ny fivezivezena tany amin’ny Oseana Arktika àry ny Rosianina.

Mbola tsy navela nivezivezen’ny sambo hafa ihany ilay Lalana An-dranomasina any Avaratra, nandritra ny Ady Mangatsiaka. Mampirisika ny rehetra hivezivezy eo amin’io lalana io anefa izao ny Fanjakana Rosianina, noho ny fanavaozana ara-politika sy ara-toe-karena. Ahazoan-tombony izany, araka ity ohatra ity.

Namakivaky ny Andilan-dranomasin’i Béring ny sambo alemà roa, teo antenatenan’ny 2009. Ho any Holandy izy ireo ka niankandrefana nanaraka ny morontsiraka avaratr’i Azia sy Eoropa, izay efa tsy dia be ranomandry tamin’izay. Tamin’io vao nisy sambo tsy rosianina namakivaky an’ilay Lalana An-dranomasina any Avaratra. Nihena 5 560 kilaometatra ny lalan’izy ireo ary nihena folo andro ny diany. Notombanan’ilay kompania niandraikitra ny dia hoe nihena 900 tapitrisa ariary teo ho eo isaky ny sambo ny vola lany, rehefa nanivaka tany amin’ny Oseana Arktika ireo sambo.

Mitsonika haingana izao ny ranomandry any amin’ny Oseana Arktika, ka lasa malalaka ny ranomasina azo ivezivezena any, amin’ny andro mafana. * Inona no hitranga raha mihamitsonika foana ny ranomandry? Mety hisy vokany ratsy eo amin’ny tontolo iainana izany, nefa ho afaka hiala an’ireo rano marivo manamorona an’i Rosia ny sambo mpivezivezy avy any Atlantika sy Pasifika, ka hanivaka any amin’ny tendron’ny tany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Lasa nihalava ny fotoana ahafahana mivezivezy any amin’ny Oseana Arktika, noho izany antony izany sy ny hafa.

[Sarintany, pejy 15]

(Jereo ny gazety)

LALANA NALEHAN’I

Atoa Hugh Willoughby sy Richard Chancellor

Willem Barents

Vitus Béring

Nils Nordenskiöld

Fetran’ny ranomandry

[Sarintany]

OSEANA ARKTIKA

Tendrontany Avaratra

Fetran’ny ranomandry mandavantaona

Fetran’ny ranomandry amin’ny vanin-taona mafana

Fetran’ny ranomandry amin’ny ririnina

FARIBOLAN-TENDRONTANY AVARATRA

SOEDA

GROENLANDY

KANADA

ALASKA

Andilan-dranomasin’i Béring

ROSIA

SIBERIA

TENDROMBOHITRA OURAL

Nouvelle-Zemble

Saikinosin’i Kola

Arkhangelsk

MOSCOU

[Sary, pejy 16]

Mitsonika haingana ny ranomandry any amin’ny Oseana Arktika

[Sary nahazoan-dalana, pejy 14]

Library and Archives Canada/Samuel Gurney Cresswell collection/C-016105