Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mayday! Mayday! Mayday!” Ilay Antso Mamonjy Aina

“Mayday! Mayday! Mayday!” Ilay Antso Mamonjy Aina

“Mayday! Mayday! Mayday!” Ilay Antso Mamonjy Aina

Nirehitra sy nidona-tsetroka ilay sambo mpanjono atao hoe “Nautical Legacy”! Notandindomin-doza ny tantsambo rehetra. Hoy ny mpiambina morontsiraka iray: “Niantso anay tamin’ny radio ilay kapiteny ka niteny hoe ‘Mayday’, fa raha tsy izany efa tsy hita intsony ilay sambo.” Namonjy azy ireo haingana ny Mpiambina ny Morontsirak’i Kanada, ka avotra ny rehetra. *

“MAYDAY! Mayday! Mayday!” Ireo teny ireo no tononina amin’ny radio rehefa misy zavatra mampidi-doza, ka ilana fanampiana haingana. Tena mandaitra ve izany? Tamin’ny 2008, dia in-24 000 mahery ny Mpiambina ny Morontsirak’i Etazonia no namonjy voina. Ain’olona 4 910 no voavonjin’izy ireo, izany hoe 13 eo ho eo isan’andro, ary maherin’ny 31 000 no nampiany rehefa niharan-doza.

Nahoana anefa no ilay teny hoe “Mayday” no ampiasaina? Fony mbola tsy nisy ny fifandraisana amin’ny radio, ahoana no nataon’ny tantsambo rehefa nila vonjy?

Fomba nampiasaina taloha

Anisan’ny andian-tsambo mpiady espaniola ny Santa Maria de la Rosa. Tratran’ny rivo-doza izy io tamin’ny 1588, ka nanapoaka tafondro ireo miaramila tao mba hiantsoana vonjy. Rendrika anefa ilay sambo, ary tsy nisy velona ny tao anatiny. Fanaon’ny tantsambo fahiny koa ny nanangana saina rehefa nila vonjy. Na hatramin’izao aza, dia fantatra eran-tany hoe mila vonjy ny sambo iray rehefa mametraka saina fotsy misy soritra X mena.

Nampiasa famantarana hafa ireo tantsambo, nanomboka tamin’ny 1760. Nitazona saina roa ilay mpampita hafatra, ka nataony toy ireny fanjaitram-pamantaranandro ireny ilay izy. Arakaraka ny fomba ametrahany an’ireo saina ny litera na tarehimarika tiany holazaina.

Tsy mandaitra anefa ny manangana saina na manapoaka tafondro, raha lavitra be ireo mpamonjy voina. Matetika no tsy nanantena hoe hisy hamonjy ireo tantsambo. Inona àry no vahaolana?

Fomba mandaitra kokoa

Nandroso be ny fifandraisan-davitra, taorian’ny 1840. Namorona fomba fampitana hafatra tamin’ny telegrafy i Samuel Morse, ka nosoloany teboka sy tsipika kely na feo lava sy fohy ny litera sy tarehimarika tsirairay. Tsindriana elaela na vetivety ny bokotr’ilay milina, arakaraka ny hafatra an-tariby tiana ho voarain’ilay handefasana azy.

Ahoana no nampiharana ny hevitr’i Morse, teny an-dranomasina? Jiro mazava be no nampiasaina. Narehitra vetivety ilay jiro ho solon’ny teboka, ary natao elaela kosa ho solon’ny tsipika. Nampiasa famantarana tokana ny mpampita hafatra, rehefa nila vonjy. Izany dia teboka telo sy tsipika telo ary teboka telo fanampiny. Midika hoe SOS ireo rehefa avadika ho litera. *

Nihatsara foana ny fomba niantsoana vonjy. Nandefa onjam-peo niampita ny Oseana Atlantika i Guglielmo Marconi tamin’ny 1901, ary io no fifandraisana tamin’ny radio voalohany. Onjam-peo indray àry no niantsoana vonjy fa tsy jiro intsony. Tsy afaka nampita teny anefa ireo mpampiasa onjam-peo. Mbola tsy niantso hoe “Mayday! Mayday! Mayday!” izy ireo.

Azo nampitana teny ihany ny radio tamin’ny farany. Nandefa fandaharana nisy mozika sy olona niteny i Reginald Fessenden, tamin’ny 1906. Nandre izany ireo tantsambo nanana radio, hatrany amin’ny 80 kilaometatra. Tamin’ny 1915 aza dia maro no gaga satria nisy antso an-tariby avy any Arlington, Etazonia, heno mivantana tao amin’ny Tour Eiffel, tany Frantsa. Maherin’ny 14 000 kilaometatra anefa ny elanelan’ireo! Faly be koa ny tantsambo tao amin’ny S.S. America, tamin’ny 1922, rehefa nampiasa radio mba hifampiresahana voalohany tamin’ny mpiambina ny morontsirak’i Deal Beach, any Etazonia. Tany amin’ny 600 kilaometatra mahery tany an-dranomasina ilay sambo tamin’izay.

Antso vonjy iombonana

Nihamaro ny olona nifampiresaka tamin’ny radio, taorian’ny 1920. Tsy voatery hitovy anefa ny fitenin’ireo tantsambo. Ahoana àry no hataon’ny kapiteny mba ho fantatry ny rehetra fa miantso vonjy izy? Voavaly izany tamin’ny Fifanarahana Iraisam-pirenena Momba ny Fifandraisana Amin’ny Onjam-peo, tamin’ny 1927. Tapaka fa “Mayday” no holazaina eran-tany rehefa miantso vonjy. *

Faly isika fa mihatsara foana ny fifandraisan-davitra. Ny radara sy ny fitaovana mifandray amin’ny zanabolana (GPS), ohatra, no nasolo ny tafondro sy ny fananganana saina. Lasa nampiasa radio avokoa ny sambo rehetra. Vonona foana koa ireo mpamonjy voina, ka mihaino tsy tapaka ny onjam-peo sao misy miantso vonjy. Na aiza na aiza misy loza, ary na amin’ny firy na amin’ny firy, dia ilay antso hoe “Mayday! Mayday! Mayday!” no azo inoana fa ho re, toy ny tamin’ilay sambo Nautical Legacy. Tsy hoe very fanantenana àry ianao raha mandeha sambo, ka iharan-doza. Afaka matoky ianao fa hisy hanampy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Tao amin’ilay boky hoe Tantara Marina Momba An’ireo Nieren-doza—Ireo Mahery Fon’i Kanada Izay Tsy Nalaza (anglisy)

^ feh. 11 Nofidina ny hoe SOS satria mora ampitaina sy mora fantatra. Tsy nisy heviny manokana izy io.

^ feh. 15 Tokony haverina intelo ny hoe “Mayday”, mba hazava tsara sy tsy hifangaro amin’ny teny hafa.

[Sary, pejy 27]

Ny sambo “Nautical Legacy” nirehitra

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy Fisheries and Oceans Canada, reproduced with the permission of © Her Majesty the Queen in Right of Canada, 2010

[Sary, pejy 28]

Jiro mazava be no nampiasaina teny an-dranomasina, mba hampitana hafatra

[Sary nahazoan-dalana]

© Science and Society/SuperStock