Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mbola Misy Olona Azo Atokisana

Mbola Misy Olona Azo Atokisana

Mbola Misy Olona Azo Atokisana

Mpitondra taxi any Arzantina i Santiago. Nisy kitapo hadino tao anatin’ilay fiara, ary tonga dia nateriny tany amin’ny tompony. Misy ihany ny olona manao toy izany. Niavaka anefa ny an’i Santiago, satria hitany fa nisy vola nitentina 64 000 000 ariary teo ho eo tao anatin’ilay kitapo, nefa mbola naveriny ilay izy.

HANAO ahoana tokoa ny fiainana, raha azo atokisana daholo ny olona? Ho hafa mihitsy angamba! Tsy voatery hohidiana amin’ny lakile, ohatra, ny trano. Ho azonao atokisana tanteraka koa ny mpitaiza ny zanakao. Nofinofy fotsiny ve izany?

Mbola misy ny olona manao ny marina

Nilaza ny apostoly Paoly fa “te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra” izy sy ny Kristianina hafa. (Hebreo 13:18) Miezaka manao toy izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah, ka ‘mandeha amin’ny fahamarinana foana, milaza ny marina, tsy mandray tombony tsy ara-drariny azo amin’ny fitaka, ary manakifikifi-tanana tsy handray tsolotra.’ (Isaia 33:15) Andeha isika hijery porofo vitsivitsy.

“Milaza ny marina.” Miasa any amin’ny toerana fambolena voaniho i Domingo, Vavolombelon’i Jehovah any Philippines. Hoy izy: “Maro amin’ny mpiasa ao aminay no mandainga amin’ny mpampiasa. Tsy lazainy, ohatra, hoe firy gony marina ny voaniho voangony. Amidiny an-tsokosoko ny sasany avy eo.”

Na ilay mpampiasa koa aza anefa mampirisika ny mpiasa mba handainga amin’ny fanjakana. Efa saika voaroaka ry Domingo mianakavy, satria tsy nety nanao izany. Hoy i Domingo: “Nilazanay ilay mpampiasa anay hoe tsy handainga mihitsy izahay na horoahiny aza. Niteny izy, tatỳ aoriana, hoe olona azo atokisana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nampiany mihitsy aza ny tany nambolenay.”

“Tsy mandray tombony tsy ara-drariny.” Lehiben’ny mpitaky hetra any amin’ny faritra iray any Cameroun i Pierre. Afaka nahazo vola be izy, raha tiany. Vao voatendry hizara ny karaman’ny mpiasa tao aminy, ohatra, izy, dia nahatsikaritra fa misy mpiasa efa tsy miasa ao intsony na efa maty, nefa mbola andefasan’ny fanjakana karama ihany. Hoy i Pierre: “Tsy nangalariko ilay vola, fa nampirimiko tsara sady noraisiko an-tsoratra.”

Inona no vokany? Hoy izy: “Nisy manam-pahefana tonga, roa taona tatỳ aoriana, mba hijery an’ilay olana. Hitan’izy ireo fa efa noraisiko an-tsoratra tsara ny vola rehetra. Vola be ilay izy, nefa tsy nisy banga na kely aza. Nidera ahy ry zareo satria hitany fa nanao ny marina aho. Faly erỳ aho!”

‘Tsy mandray tsolotra.’ Nôtera any Rio de Janeiro, any Brezila, i Ricardo. Omen’ny olona tsolotra foana izy. Hoy izy: “Gaga be aho, indray andro, fa nisy mpisolovava nanome ahy fitaovana fandefasana CD. Nampanateriny tany an-tranoko ilay izy. Vao nivoaka io fitaovana io tamin’izay, sady vitsy mpanana.”

Inona no nataon’i Ricardo? Hoy izy: “Nanapa-kevitra izahay mivady hoe aleo tonga dia averina ilay izy, fa tsy hosokafana. Gaga be ilay mpisolovava nahita ahy tonga tao amin’ny biraony sy nametraka an’ilay izy teo ambony latabany. Nohazavaiko taminy ny antony tsy andraisako tsolotra. Tena nampiaiky ny sekreterany ny zavatra nataoko.”

Marina fa tsy ny Vavolombelon’i Jehovah irery no miezaka manao ny marina. Malaza ho azo atokisana anefa izy ireo. Nanapa-kevitra àry ny tompon’ny fivarotana lehibe iray any Polonina fa Vavolombelon’i Jehovah ihany no horaisiny hiasa ao aminy. Hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ilay fivarotana: “Be dia be ny olona manao ny marina, fa hafa mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa manana ny fitsipika mifehy azy ry zareo, ary manaraka an’izany foana.”

Manao ny marina na dia mahantra aza

Maro no mihevitra fa tsy mampaninona raha olona mahantra no manao ny tsy marina. Noresahina tao amin’ny CNN, tele any Etazonia, fa nisy ankizilahy nizerianina 14 taona nisoloky tamin’ny alalan’ny Internet. Hoy izy: “Ka inona àry no azoko atao eo e? Izaho no mamelona ny zandriko sy ry mamanay sy dadanay. Izahay tsy maintsy mihinan-kanina!”

Tsy mampanantena ny Baiboly hoe ho lasa mpanankarena ny olona manao ny marina. Manome toky kosa izy io fa hahazo izay ilainy eo amin’ny fiainana izy ireo. Hoy ny Isaia 33:16: “Homena azy ny sakafony, ary tsy ho ritra mihitsy ny tahirin-dranony.”

Mety hisy hanontany anefa hoe: ‘Dia handray soa tokoa ve ny olona miady mafy amin’ny fiainana raha manao ny marina?’

Diniho ny tantaran’i Berthe, vehivavy maty vady any Cameroun. Mpivarotra bononòka izy. Fonosina ravinkazo ny bononòka tsirairay. Atambatambatra ilay izy avy eo, ary fatorana miaraka. Hoy i Berthe: “Tokony ho 20 foana ny bononòka iray fatorana. Ny an’ny mpivarotra sasany anefa ataony 17 na 18 fotsiny. Aleoko tsy manao an’izany satria tsy te hivelona amin’ny fanambakana aho.”

Mandeha foana ve ny tsenan’i Berthe? Tsia. Hoy izy: “Tsy mahalafo mihitsy aho matetika. Mitrosa sakafo eo amin’ny mpivarotra hani-masaka eo akaiky eo àry aho. Hazavaiko hoe mbola tsy nahalafo aho, fa homeko ny volany raha vao mahazo aho. Omen-dry zareo aho satria efa atokisany.”

Andriamanitra mendri-pitokisana

Lasa atokisantsika ny olona iray rehefa tanterahiny foana izay lazainy. Hoy i Josoa, mpitarika ny Israelita fahiny, momba an’Andriamanitra: ‘Tsy nisy tsy tanteraka na iray aza ny zava-tsoa rehetra nampanantenain’i Jehovah, fa tanteraka avokoa izy rehetra.’ (Josoa 21:45) Afaka matoky an’Andriamanitra ve isika?

Tsy maintsy tanteraka ny fampanantenany. Nampitahainy tamin’ny orana izany. (Isaia 55:10, 11) Iza tokoa moa no mahasakana ny orana tsy hilatsaka sy hahavonto ny tany, mba hahavelona ny zavamaniry? Tsy misy. Toy izany koa fa tsy misy mahasakana ny fampanantenan’Andriamanitra tsy ho tanteraka.

Mampanantena, ohatra, ny 2 Petera 3:13 hoe: ‘Misy lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenany.’ Manome toky Andriamanitra fa horinganiny ny mpanambaka rehetra. Tianao ho fantatra ve hoe ahoana no hanatanterahany izany? Anontanio àry ny Vavolombelon’i Jehovah eny akaikinareo, na manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy eo amin’ny pejy 5.

[Efajoro/Sary, pejy 8]

NAHAZO VALISOA SATRIA NANAO NY MARINA

Nasaina nanadio birao i Lucio, Vavolombelon’i Jehovah any Philippines. Nisy arimoara kely efa tsy nampiasaina intsony tao, ary nisy vola 27 500 dolara (Ar 95 680 000 eo ho eo) tao anatiny. Tsy ho nisy nahatratra i Lucio, raha nalainy ilay vola. Lasa niasa vetivety tany an-toeran-kafa mantsy ny lehibeny. Hoy i Lucio: “Sambany aho tamin’izay vao nahita dolara!”

Nomen’i Lucio an’ilay lehibeny ilay vola, rehefa tonga izy. Inona no vokany? Hoy i Lucio: “Nomeny asa tsara kokoa aho, sady nomeny efitra hipetrahanay mianakavy. Mafy ny fiainana eto Philippines, nefa mikarakara anay i Jehovah Andriamanitra satria mankatò ny lalàny izahay.”

[Efajoro/Sary, pejy 9]

TSY MANGALA-DANJA

Be mpahalala ao amin’ny tsenan’i Douala, any Cameroun, i Moïse mpivaro-trondro. Hoy izy: “Nataoko hoe Mizana ny anaran’ny tsenako, satria marina tsara ny mizanako, fa tsy hoatran’ny an’ny ankamaroan’ny mpivarotra. Fantatro fa hamarinin’ny olona raha tena tsy mangala-danja tokoa aho. Raha mividy trondro iray kilao, ohatra, izy, dia iray kilao tokoa no omeko azy. Mbola lanjainy any ambadimbadika any anefa ilay izy. Hitany fa iray kilao mahery no tondroin’ilay mizana andanjany azy. Fantany àry fa tsy nangala-danja aho. Maro no miteny hoe: ‘Aleonay manketo aminao, fa ianao tsy mangala-danja.’ ”

[Sary, pejy 7]

“Nilazanay ilay mpampiasa anay hoe tsy handainga mihitsy izahay na horoahiny aza.”—Domingo, Philippines.

[Sary, pejy 7]

‘Nidera ahy ny manam-pahefana satria hitany fa nanao ny marina aho.’—Pierre, Cameroun.

[Sary, pejy 7]

‘Nisy mpisolovava nanome [tsolotra] ahy. Nanapa-kevitra izahay mivady hoe aleo tonga dia averina ilay izy.’—Ricardo, Brezila.

[Sary, pejy 7]

Tsy mahalafo bononòka mihitsy i Berthe matetika. Mitrosa sakafo eo amin’ny mpivarotra hani-masaka eo akaiky eo àry izy. Omen-dry zareo izy satria efa atokisany.