Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana ny Olona no Tsy Azo Atokisana?

Nahoana ny Olona no Tsy Azo Atokisana?

Nahoana ny Olona no Tsy Azo Atokisana?

Nisy dokotera namoaka fanazavana momba ny fanafody manala fanaintainana, tao amin’ny gazety ara-pitsaboana maromaro. Nihevitra foana ny olona fa tena mpikaroka mahay izy. Hay noforomporoniny fotsiny ny fanazavana navoakany nandritra ny folo taona mahery, nanomboka tamin’ny 1996.

“TSY azoko mihitsy hoe maninona ny olona no manao an’izany”, hoy ny Dr. Steven Shafer, tao amin’ny gazety iray momba ny fitsaboana.

Nahoana tokoa no misy olona mamitaka ny hafa, nefa mba manana ny maha izy azy ihany? Maro ny antony mety hahatonga izany, fa ireto misy lafin-javatra efatra:

Tia vola. Hoy ny Dr. Jerome Kassirer, tao amin’ny Gazetin’i New York (anglisy): “Miara-miasa amin’ny orinasa [mpanamboatra fanafody] ny mpikaroka sasany. Ahazoany vola be izany ka mitady ny fomba rehetra izy, na tsara izany na ratsy, mba hahavitana izay fanafody tian’ilay orinasa hatao.”

Te ho tafita. Voalaza fa manome tsolotra hatramin’ny 20 000 euros (Ar 52 000 000 eo ho eo) ho an’ny mpampianatra ny mpianatry ny oniversite any Alemaina, mba hahazoana ny diplaoma ambony indrindra. Ny olona manana azy io mantsy, hono, no tena tafita. Resahin’ny Gazetin’i New York fa maro no milaza hoe “hiezaka ny hanara-dalàna ihany” izy any aoriana any, saingy aleo aloha izay hahatafita no atao.

Tsy nahazo fanabeazana tsara. Hoy ny mpampianatra iray mahakasika ny mpianatra any amin’ny lise, tao amin’ny Gazetin’i New York: ‘Misy milaza fa tena hoatran’ny soavaly tapa-kofehy mihitsy ny ankizy ankehitriny. Ny mpampianatra sy ny fiaraha-monina anefa, raha ny marina, no tsy mba manome fitsipika hifehy azy ireny.’

Mahalala ny tokony hatao nefa tsy manao. Nisy mpianatra efa ho 30 000 nadinadinina, ka ny 98 isan-jatony no niteny hoe tena ilaina ny milaza sy manao ny marina amin’ny havana aman-tsakaiza. Ny 80 isan-jatony anefa no niaiky fa efa nandainga tamin’ny ray aman-dreniny, ary 64 isan-jato kosa no nitsotra hoe efa nifraody.

Toro lalana tena mahasoa

Toa efa natao hifampatoky ny olombelona, araka ilay efajoro etsy ankavanana. Milaza anefa ny Baiboly fa ‘zava-dratsy foana no irin’ny fon’ny olona, efa hatramin’ny fahazazany.’ (Genesisy 8:21) Inona àry no tokony hataontsika raha mitady hanao ratsy isika? Inona koa no azontsika atao mba tsy hamitaka olona isika, na dia maro aza no manao izany? Ireto misy toro lalana vitsivitsy:

“Aza mamorona teti-dratsy hamelezana ny namanao, nefa izy mipetraka tsy manana ahiahy ao aminao.”—Ohabolana 3:29.

Ho foana ny fanambakana, raha mampihatra an’io andinin-teny io ny olon-drehetra. Tsy hisy intsony, ohatra, ny mpivarotra fanafody sandoka, toy ilay noresahina tany aloha. Raha tena tia olona isika, dia hitady izay hahasoa azy fa tsy hamitaka azy.

“Haharitra mandrakizay ny vava milaza ny marina, fa mihelina kosa ny lela fandainga.”—Ohabolana 12:19.

Maro no mihevitra fa matiantoka ny olona manao ny marina. Fantaro anefa fa mihelina fotsiny ny tombony azon’ny olona mamitaka. Mety ho afa-panadinana, ohatra, ny ankizy mifraody, nefa ho sahirana izy rehefa hiasa any aoriana any. Mandray soa maharitra kosa ny olona manao ny marina, sady manana ny hajan’ny tenany.

“Tsy mivadika ny olo-marina, ary sambatra izay zanany mandimby azy.”—Ohabolana 20:7.

Raha manan-janaka ianao, dia miezaha ho modely ka manaova ny marina. Lazao aminy koa ny soa azonao noho ianao manao ny marina. Mety ho lasa olona azo atokisana toa anao ny zanakao amin’izay.—Ohabolana 22:6.

Tena mandaitra ve ireo toro lalan’ny Baiboly ireo? Mbola misy olona azo atokisana ve ankehitriny?

[Teny notsongaina, pejy 4]

Maro ny Frantsay “mieritreritra hoe nahoana moa izy no tokony hanao ny marina, nefa ny olona ambony eo amin’ny sehatry ny politika, toe-karena, sosialy, ary kolontsaina aza tsy manao izany.”—Le Figaro.

[Efajoro, pejy 5]

Efa Natao Hatoky Olona ve Isika?

Nilaza i Michael Kosfeld, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Francfort, any Alemaina, fa “efa voajanahary amintsika ny matoky olona.” Hitan’i Kosfeld tamin’ny fikarohana nataony fa mamokatra hormonina atao hoe ôsitôsinina ny atidohan’ny olona roa, rehefa mifanerasera foana izy ireo. Mahatonga ny olona hifampatoky io hormonina io. Hoy i Kosfeld: ‘Anisan’ny mampiavaka antsika amin’ny biby ny fatokisana. Toy ny hoe tsy olona intsony isika raha tsy matoky ny hafa.’