Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Inona no Diso eo Amin’io Sary Io?

Vakio ny Genesisy 4:1-8. Jereo amin’izay ilay sary. Inona no diso eo? Soraty eto ambany ny valin-teninao.

1. ․․․․․

2. ․․․․․

3. ․․․․․

IARAHA-MIDINIKA:

Nanao ahoana ny fihetsik’i Kaina rehefa hitany fa ny fanatitr’i Abela no tian’Andriamanitra? Raha ny iray tam-po aminao no hoatran’ny tian’ny ray aman-dreninao kokoa, inona no tsy tokony hataonao, ary nahoana?

FANTATRAO TSARA VE NY APOSTOLY NATANAELA?

4. Iza koa no anarana mety ho niantsoana an’i Natanaela?

Vakio ny Lioka 6:14; Jaona 1:44-46.

․․․․․

5. Inona no toetra tian’i Jesosy tamin’i Natanaela?

Vakio ny Jaona 1:47.

․․․․․

IARAHA-MIDINIKA:

Ahoana no azonao anahafana an’i Natanaela? Inona no soa ho azonao amin’izany?

Vakio ny Salamo 24:3-5; 34:13-16.

HO AN’NY ANKIZY

Tadiavo ato amin’ity gazety ity ireo sary ireo. Lazao amin’ny fomba fiteninao izay mitranga eo amin’ny sary tsirairay.

ATO AMIN’ITY GAZETY ITY

Valio ireto fanontaniana ireto, ary fenoy ny andinin-teny banga.

PEJY 5 Inona foana no irin’ny fon’ny olona? Genesisy 8:․․․

PEJY 6 Tokony hanao inona isika amin’ny zava-drehetra? Hebreo 13:․․․

PEJY 24 Tokony hanana inona isika eo amin’ny fiainana? 1 Korintianina 9:․․․

PEJY 26 Hahavita zavatra ve ianao raha miandry ny rivotra sy ny toetrandro ho tsara? Mpitoriteny 11:․․․

● Valiny, pejy 21

VALIN’NY PEJY 31

1. Roa lahy ihany no nanao fanatitra.

2. Vokatry ny tany no natolotr’i Kaina.

3. Ondry fa tsy omby no fanatitr’i Abela.

4. Bartolomeo.

5. Tsy mba namitaka izy.