Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Lelan’ny Kôlibria

Ny Lelan’ny Kôlibria

Nisy Namorona Ve?

Ny Lelan’ny Kôlibria

● Eo ambony fitaratra mitovy velarana amin’ny felatanana ny mpikaroka no manao fitsirihana ny ADN na ra kely. Mampiasa fitaovana mitroka izy ireo, mba hamindramindrana an’ilay ranoka kely. Tsy mahomby anefa matetika ny fampiasana fitaovana toy izany. Misy fomba tsara kokoa azo ampiasaina àry ve mba hamindrana ranoka kely indray mitete? Nilaza i John Bush, mpampianatra ao amin’ny Sekoly Momba ny Teknolojia any Massachusetts, fa “efa manana vahaolana amin’izany ny zavaboary.”

Diniho izao: Tsy mampiasa hery be ny kôlibria rehefa maka mamimbony, izay ranoka kely amin’ny voninkazo. Ahoana no ataony? Misy hery misintona ao anatin’ny molekiolan’ny rano, izay mahatonga ny rano hisaratsaraka sy hahatohitra ny hery misinton’ny tany, rehefa eo ambony zavatra fisaka izy. Rehefa mikasoka amin’ny ranokana mamimbony ny lelan’ny kôlibria, dia lasa mihorona toy ny fantsona bitika kely, noho ny asan’io hery ao amin’ny rano io. Tsy mila mitroka izy fa miakatra ho azy amin’iny ny mamimbony, ka tonga any am-bavany. Tsy mandrera-tena tsy amin’antony izy amin’izay. Mahavita maka mamimbony in-20 isan-tsegondra àry ny kôlibria, rehefa misakafo.

Mihorona ho azy toy izany koa ny lelan’ny vorondrano sasany rehefa misotro rano. Niresaka momba izany i Mark Denny, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Stanford, any Etazonia. Hoy izy: ‘Tena mahavariana ny fomba nandrafetana ny lelan’ireo vorona ireo sady manaraka lalàna fizika sy matematika. Raha asainao mamorona fomba ahafahan’ny vorona misotro rano ny injeniera na ny mpahay matematika, dia tsy ho tonga ao an-tsainy mihitsy ny hoe hatao mihorona ho azy ny lelan’ilay vorona mba ho lasa fantsona ahafahany misotro rano.’

Ahoana ny hevitrao? Nisy ho azy sa nisy namorona ny lela kelin’ny kôlibria, izay mahay manangona mamimbony haingana be?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]

© Richard Mittleman/Gon2Foto/Alamy