Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ny Mpanjakan’ny Famantaranandro”

“Ny Mpanjakan’ny Famantaranandro”

“Ny Mpanjakan’ny Famantaranandro”

MAY ny Lapan’i Westminster tamin’ny 1834, ka nampanao fifaninanana ny mpanao politika tany Grande-Bretagne hoe iza no mahavita manao planina tena tsara hanamboarana an’io Tranon’ny Parlemanta io. Ny planina nataon’i Charles Barry no lany. Nanao planina izy hoe hatao lapa be renty misy tilikambo lehibe izy io, ary hisy famantaranandro amin’ny lafiny efatra amin’ilay tilikambo. Nilaza ny Birao Mpikarakara ny Fananam-panjakana fa hatao “Mpanjakan’ny Famantaranandro izy io, izany hoe izy io no ho famantaranandro lehibe indrindra eran’izao tontolo izao.”

Anisan’ny mampiavaka an’i Londres io famantaranandro io, ary fantatra eran-tany ilay feony hafakely. Nantsoina hoe Big Ben (Ben Ngezabe) ny lakolosy lehibe indrindra ao amin’izy io tamin’ny voalohany, kanefa lasa anaran’ilay famantaranandro io anarana io izao. Tena mahavariana ny fomba nanamboarana azy io.

Asa sarotra

Nanomboka tamin’ny 1843 ny fanamboarana an’ilay tilikambo, izay mirefy 96 metatra. Nitady olona afaka manamboatra famantaranandro tsy tara mihoatra ny iray segondra isan’ora izy ireo, telo taona taorian’izay. Sarotra be izany. Avo be mantsy ny toerana hisy an’ilay famantaranandro sady tsy misarona ilay izy, ka ho mora voan’ny rivotra sy ny lanezy ny fanjaitrany, na hipetrahan’ny voromailala. Mety hisy vokany amin’ny fihetsik’ilay zavatra mikipilipily isan-tsegondra eo amin’ilay famantaranandro koa izany rehetra izany. Tsy tokony hiova anefa izy io, mba hahazoana ora marina tsara. Nitady hevitra ireo manam-pahaizana ka nahita vahaolana i Edmund Denison. Nasaina notanterahin’ny mpanao famantaranandro tena mahay ilay hevitra hitany avy eo.

Vita ilay famantaranandro roa taona tatỳ aoriana. Nipetra-potsiny tao amin’ilay mpanamboatra anefa ilay izy nandritra ny dimy taona, mandra-pahavitan’ilay tilikambo. Namorona fitaovana afaka miaro an’ilay zavatra mikipilipily isan-tsegondra i Denison nandritra izany, mba ho marina tsara ilay famantaranandro.

Teraka i Big Ben

Namboarina koa ireo lakolosy nandritra izany. Orinasa mpandrendrika metaly any avaratratsinanan’i Angletera no nanamboatra an’ilay lakolosy lehibe famantarana ora. Lehibe tsy araka ny nieritreretana azy izy io, ary nilanja 16 taonina mahery. Navesatra loatra ilay izy ka nanimba ny sambo hitondrana azy tany Londres. Tafainga ihany anefa ilay sambo tamin’ny farany. Rehefa tonga teny an-tanety, dia kalesy manokana notarihin’ny soavaly fotsy 16 no nitondrana an’ilay lakolosy. Nahantona teo akaikin’ilay trano asiana azy izy io avy eo, mba hatao andrana.

Manana anarana ny ankamaroan’ny lakolosy be, ka natao hoe Big Ben ity lakolosy goavam-be ity. Misy milaza fa angamba izy io avy amin’ny anaran’ny lehilahy vaventy be iray atao hoe Benjamin Hall, izay niasa tao amin’ny Parlemanta. Ny hafa indray milaza fa angamba izany avy amin’ny anaran’i Benjamin Caunt, mpanao ady totohondry malaza amin’ny sokajy mavesatra. Na ahoana na ahoana anefa, dia Big Ben no anarany. Tatỳ aoriana aza dia nantsoina hoe Big Ben hatramin’ilay famantaranandro sy tilikambo.

Simba indroa

Noheverina ho maivana loatra ilay vy nampaneno an’ilay lakolosy, ka nosoloana vy 660 kilao. Rehefa nandramana nandritra ny volana vitsivitsy anefa ilay lakolosy, dia nitresaka ka tsy azo notampenana intsony. Tsy maintsy narendrika àry ilay izy, ka nanamboarana lakolosy 13,7 taonina. Nilahatra nijery teny amin’ny sisin-dalana indray ny olona, rehefa nandalo ny kalesy nitondra an’ilay lakolosy vaovao.

Vita ilay tilikambo volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Voapetaka teny an-tampon’ilay tilikambo koa ireo lakolosy kely efatra maneno isaky ny fahefak’adiny. Ary ilay lakolosy goavam-be? Lehilahy maro no niasa mafy nampakatra azy io, ka tafapetraka teo akaikin’ireo lakolosy kely ihany izy io tamin’ny farany. Napetaka koa ireo milina mavesatra mampandeha an’ilay famantaranandro. Ela ny ela ka vonona ilay “Mpanjakan’ny Famantaranandro”!

Nanomboka nilaza ora izy io tamin’ny Jolay 1859. Tsy naharitra ela anefa izany. Nitresaka indray ilay lakolosy goavam-be tamin’ny fiandohan’ny Oktobra. Tsy ho vita anefa ny hanala azy io ka nahodina kely ilay lakolosy, mba tsy hikapoka eo amin’ilay faritra mitresaka ilay vy mampaneno azy. Nosoloana maivamaivana kokoa io vy io, mba tsy hanimba azy intsony. Azo nampiasaina indray ilay lakolosy, telo taona tatỳ aoriana. Mbola eo ilay mitresaka, kanefa izy io no mahatonga ny feon’ilay lakolosy hiavaka.

Zava-nitranga teo amin’ny tantara

Nametraka mikrô tao amin’ilay tilikambo ny radio anglisy BBC, tamin’ny 1924. Nanomboka nalefan’izy ireo tsy tapaka tamin’ny radio ny feon’i Big Ben, ho famantaran’ora ho an’ny firenena anglisy. Re nanerana ny tany nozanahin’ny Anglisy izy io, valo taona tatỳ aoriana, ary manakoako eran’izao tontolo izao ankehitriny.

Tsy ravan’ny baomba tamin’ny Ady Lehibe II ilay famantaranandro sy ny lakolosiny. Simba ihany anefa ilay milina nampaneno an’ilay famantaranandro tamin’ny 1976, satria nihanalemy ny vy tao anatiny. Simba koa ny efitra nisy azy io. Tsy simba anefa ilay lakolosy lehibe, ka afaka naneno isan’ora indray izy io rehefa vita ilay milina afaka herinandro vitsivitsy. Sivy volana vao vita tanteraka ny zavatra rehetra simba.

I Big Ben no famantaranandro lehibe indrindra eran’izao tontolo izao taloha, ary mbola izy io no marina indrindra amin’ny famantaranandro mekanika natao ho an’ny besinimaro. Heno amin’ny famantaranandro kely na lehibe sasany ny feon-kiran’i Big Ben, any amin’ny tany maro. Tsy mahagaga àry raha lasa famantarana an’i Angletera sy ny renivohiny i Big Ben. “Mpanjakan’ny Famantaranandro” tokoa izy io!

[Efajoro/Sary, pejy 18]

ATAO MARINA FOANA

Miakatra intelo isan-kerinandro amin’ny tohatra vato miolakolaka, misy zana-tohatra 300, ny manam-pahaizana iray, mba hanodina an’ilay kabla famahanana an’ilay famantaranandro. Jereny koa ny fihetsik’ilay zavatra mikipilipily isan-tsegondra, izay mirefy efa-metatra, mba hahitana raha marina tsara ilay famantaranandro. Vola madinika tranainy no ampiasaina hanitsiana an’ilay famantaranandro. Raha tara izy io dia ampiana iray ny vola madinika, fa raha lasa aloha kosa dia anesorana iray.

[Sary]

Vola madinika no ampiasaina rehefa manitsy an’ilay famantaranandro

[Sary nahazoan-dalana]

Famahanana famantaranandro: AP Photo/Lefteris Pitarakis; fasiana vola madinika: Parliamentary copyright images are reproduced with the permission of Parliament

[Sary, pejy 19]

Maneno isaky ny adiny iray ilay lakolosy goavam-be milanja 13,7 taonina

[Sary nahazoan-dalana]

Popperfoto/Getty Images