Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tian’ny Mpianatra Baiboly Ilay Izy

Tian’ny Mpianatra Baiboly Ilay Izy

Tian’ny Mpianatra Baiboly Ilay Izy

Tsy inona izany fa ilay bokikely hoe ‘Jereo Ilay Tany Soa.’ Feno sarintany miloko sy sarin’ireo toerana manan-tantara ao amin’ny Baiboly izy io, ka mampahatsiaro zava-nitranga nandritra ny 2 000 taona mahery. Hita ao, ohatra, ny sarin’ny sisa tavela tamin’i Beri-sheba fahiny, izay nonenan’i Abrahama. Ao koa ny sarin’ny lalana romanina iray nandehanan’ny mpianatr’i Kristy, tamin’ny faran’ny taonjato voalohany.

Maro no nankasitraka an’io bokikely io. Hoy ny vehivavy iray: “Tena misaotra anareo aho. Efa ela aho no te hahazo sary an-tsaina hoe hoatran’ny ahoana ilay tany nonenan-dry Abrahama sy ny zanany, sy ireo faritra nivezivezen’i Jesosy.” Hoy koa ny vehivavy hafa: “Efa niriko hatramin’ny ela izy io. Hoatran’ny tena hitako mihitsy izao ireo tantara ao amin’ny Baiboly.”

Raha te hanafatra an’io bokikely 36 pejy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity. Misy amin’ny fiteny 79 izy io. Folo tapitrisa tamin’izy io no efa natao pirinty.

□ Mba andefaso an’ilay bokikely aseho eto aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.

[Sary, pejy 32]

Beri-sheba fahiny

[Sary, pejy 32]

Lalana romanina

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

Beri-sheba, lalana romanina, ary fonon’ilay bokikely: Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.