Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Te handinika ny vokatry ny sary vetaveta, eo amin’ny lehilahy, ny mpikaroka tany Kanada. Hoy ny iray taminy: “Niezaka nitady lehilahy 20 taona mahery, izay mbola tsy nijery sary vetaveta mihitsy izahay, fa tsy nahita.”—ONIVERSITEN’I MONTRÉAL, KANADA.

Antsoina hoe Burj Khalifa ilay trano avo indrindra eran-tany. Notokanana tao Dobay tamin’ny Janoary lasa teo izy io. Mirefy 828 metatra ilay izy, ary misy rihana 160 mahery. Tazana hatrany amin’ny 95 kilaometatra izy io.—GULF NEWS, EMIRÀ ARABO MITAMBATRA.

“Miezaka maharaka ny zava-misy foana ny Jodaisma Nohavaozina. Vao haingana dia lasa fombafomban’izy ireo ny manao vavaka manokana ho an’ny olona nanova ny taovam-pananahany.”—THE NEW YORK TIMES MAGAZINE, ETAZONIA.

Ankizy Tsy Mahay Miresaka

Fanaon’ny ray aman-dreny taloha ny miresaka amin’ny zanany rehefa misakafo, na mamaky boky ho azy ireo alohan’ny hatory. Tsy dia manao izany intsony anefa ny ray aman-dreny ankehitriny. Milaza àry ny The Times any Londres, fa “toy ny fitenin’ny zaza herintaona sy tapany ny fitenin’ny ankizy efa miditra mianatra. Maro no tsy mahay fehezanteny tsotsotra akory.” Any Grande-Bretagne, dia “ny 18 isan-jaton’ny ankizy dimy taona (100 000 mahery) no tsy mahay miresaka araka ny tokony ho izy.” Betsaka àry ny ankizy tsy maharaka sy tsy mahay maneho hevitra, ka “toy ny vahiny ao an-dakilasy” satria tsy azony izay hazavaina.

Tsy Hisy Pretra Intsony ve any Irlandy?

Dimampolo taona lasa izay, dia i Irlandy no firenena namoaka pretra be indrindra. Hoy anefa ny The Irish Times: “Efa tsy dia misy mpitondra fivavahana tena mitarika intsony eo anivon’ny Eglizy Katolika.” Mihantitra mantsy ireo pretra irlandey, ka rehefa feno 75 taona izy ireo ary hisotro ronono, dia paroasy maro no tsy hanana pretra. Misy milaza fa ny tena nahatonga izany, dia ilay taratasy ofisialy hoe Humanae Vitae nalefan’ny papa tamin’ny 1968, izay mandrara ny fampiasana fanabeazana aizana. “Lasa nisalasala momba ny fampianaran’ny Eglizy ny olona”, hoy ny Times, noho io taratasy io, ka “tsy matoky ny fitarihan’ny eglizy intsony.”

Mikisaka Foana ny Avaratra

Tsy mitovy ny Avaratra amin’ny sarintany sy ny tondroin’ny tondroavaratra, izay baikoin’ny sahan’andriamby. Tany amin’ny faritra avaratr’i Kanada no nisy ny Avaratra amin’ny sahan’andriambin’ny tany, tamin’ny 1831. Milaza ny gazety frantsay Le Figaro fa “2 750 kilaometatra no nanelanelana azy io tamin’ny Tendrontany Avaratra.” Nikisaka 5 na 15 kilaometatra isan-taona anefa izy io hatramin’ny 1989. Milaza ny Fikambanan’i Paris Mandinika ny Gilaoby fa mikisaka “55 kilaometatra eo ho eo isan-taona” izao io Avaratra io, ary 550 kilaometatra no elanelany tamin’ny tendrontany, tamin’ny 2007. Raha izany, hoy ilay gazety, dia “any Siberia no ho hita kokoa” ilay hazavana hafakely any avaratra, amin’ny 2020, “fa tsy any Kanada.” Any amin’ny Avaratra amin’ny sahan’andriambin’ny tany mantsy no misy an’io hazavana io.