Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gazy Atao Solika: Angovo Fampiasa ao An-trano

Gazy Atao Solika: Angovo Fampiasa ao An-trano

Gazy Atao Solika: Angovo Fampiasa ao An-trano

GAZY ny 20 isan-jato mahery amin’ny angovo ampiasaina eran-tany. Avy aiza ny gazy atao solika? Inona avy no fikarakarana atao aminy? Efa ho lany ve ny tahirin’izy io?

Mpahay siansa maro no mino fa ny gazy dia niforona fahiny ela be avy tamin’ny fatim-biby sy zavamaniry lo, anisan’izany ny zavamananaina bitika any an-dranomasina. Tratran’ny hafanana avy any ambanin’ny tany izy ireny, sady voatsindrin’ny antsanga nandritra ny fotoana tena lava be, ary teo koa ny fiasan’ny mikraoba. Voalaza fa izany no nampisy ny solika voajanahary, dia ny gazy sy arintany ary solitany. Mitady lalana ivoahana ny gazy any ambanin’ny tany, ka mitsofoka amin’ny vato misy lavadavaka. Tsy tafavoaka intsony anefa izy ireo ka mihandrona, rehefa sendra vato tsy misy lavadavaka. Mahatratra an-tapitrisa tapitrisany metatra tora-telo ny gazy ao amin’ny toerana sasany. Ahoana no ahitana azy ireny?

Fitadiavana sy fitrandrahana gazy

Mampiasa zanabolana, sy fitaovana fikarohana toerana (GPS), ary ordinatera ny manam-pahaizana, mba hahitana gazy. Dinihina koa ny firafitry ny soson-tany. Ahoana izany? Mampiasa dinamita na kamiao manokana, ohatra, ny mpikaroka mba hampihovotrovotra ny tany. Misy onjam-peo àry mankany anaty tany, ary miverina avy eo. Misy fitaovana manokana mandray an’izany, ka mamoaka kisarisary maneho ny endrik’ireo sosona vato any ambany any. Izany no ahitana izay toerana mety hisy gazy.

Ahoana raha any an-dranomasina no atao ilay fikarohana? Basy manokana no ampiasaina. Tifirina amin’ny rivotra na etona na rano mandeha mafy be ny ranomasina. Misy onjam-peo tafiditra hatrany anatin’ny tany ambanin’ny rano, ary miverina. Raisin’ny fitaovana manokana tarihin’ny sambo izany, ka ahazoana kisarisary amin’ny ordinatera.

Maty antoka ny orinasa mpitrandraka, raha kely ny gazy eo amin’ny toerana iray. Mila fantarina àry aloha ny habetsahany. Mba hahitana izany dia fantarina raha mifatratra ilay gazy, ary efa misy fitaovana fandrefesana an’izany. Fantarina koa ny haben’ilay toerana. Ahoana no hanaovana izany? Refesina aloha raha mifatratra ilay gazy. Analana kely ilay gazy avy eo, ary refesina indray. Raha mihena kely fotsiny ilay refy faharoa, dia midika izany fa betsaka ny gazy ao. Raha mihena be kosa ilay refy, dia kely ny gazy ao.

Fomba anodinana ny gazy

Rehefa azo ilay gazy, dia misy fantsona mitondra azy mankany amin’ny toerana fanadiovana. Mila alana mantsy ny zavatra simika tsy ilaina, toy ny gazy karbonika sy solifara-na hidrozenina ary dioksida-na solifara. Esorina koa ny eton-drano, sao harafesenina ny fantsona. Ampangatsiahina be ilay gazy avy eo mba hanalana ny azota izay tsy mety mirehitra. Esorina koa ny heliôma, biotanina, etanina, ary prôpanina, izay ilaina amin-javatra hafa. Metanina tsy misy fangarony no azo amin’ny farany. Gazy tsy misy loko na fofona izy io, ary tena mora mirehitra.

Ahoana no atao mba ho azo antoka ny fampiasana gazy ao an-trano? Ampian’ireo orinasa zavatra mahery fofona misy solifara ilay izy, mba ho mora fantatra raha misy very ka azo sakanana mba tsy hipoaka. Solika madio kokoa ny gazy raha oharina amin’ny arintany sy ny solitany.

Ampangatsiahina ny gazy indraindray mba ho lasa ranony, ka ho mora taterina. Matetika kosa ny biotanina sy ny prôpanina no anaovana ranoka atao hoe gaz de pétrole liquéfié. Fampiasa amin’ny bisy, traktera, kamiao, ary fiara hafa izy io. Ampiasaina koa ny biotanina sy prôpanina mba hanamboarana plastika, kofehy fanaovan-damba, ranoka mandevon-javatra, ary zavatra simika hafa.

Angovo mety lany

Misy fetrany ihany ny gazy, toy ny solika voajanahary rehetra. Tombanana ho ny 45 isan-jaton’ny gazy eran-tany sisa no tsy voatrandraka. Mety ho lany izy io afaka 60 taona eo ho eo, raha jerena ny fandanian’ny olona ankehitriny. Mitombo be anefa izao ny fampiasana angovo, any amin’ny tany maro, ka mety ho lany aloha be an’izay ny gazy.

Mihamaro hatrany ny orinasa any amin’ny tany sasany, ka hoatran’ny hoe tsy ho ritra mihitsy ny harena voajanahary. Marina fa tsy ny gazy ihany no angovo azo ampiasaina, fa eo koa ny angovo niokleary ary ny herin’ny masoandro sy ny rivotra. Ho ampy ho an’ny olombelona ve anefa ireo, sady tsy hanimba ny tontolo iainana? Ny tantara no aleo hitsara.

[Kisary/Sary, pejy 14]

(Jereo ny gazety)

Rehefa avy trandrahina ny gazy, dia alefa amin’ny fantsona mba hodiovina, izay vao azo ampiasaina any an-trano

[Kisary]

Fitrandrahana

Fanadiovana

Orinasa mpamokatra gazy

[Sary, pejy 13]

Milina manokana no mampihovotrovotra ny tany, ary misy fitaovana mandray izay onjam-peo miverina

[Sary, pejy 13]

Manam-pahaizana mandinika ny kisarisary azo avy amin’ny onjam-peo

[Sary nahazoan-dalana, pejy 13]

Ambony: © Lloyd Sutton/Alamy; ambany: © Chris Pearsall/Alamy