Hihatsara ve ny Fiainana Raha Tsy Misy ny Fivavahana?
Hihatsara ve ny Fiainana Raha Tsy Misy ny Fivavahana?
TIAN’ILAY antokon’olona vaovao tsy mino an’Andriamanitra raha tsy misy intsony ny fivavahana. Tsy hisy intsony, hono, amin’izay ny olona manao vy very ny ainy hanapoaka baomba, ny adin’ny fivavahana, ary ny mpitory teny ao amin’ny televiziona, izay misoloky olona. Tianao ve ny fiainana toy izany?
Eritrereto aloha izao: ‘Azo porofoina ve hoe hihatsara tokoa ny fiainana raha tsy misy fivavahana?’ Diniho izao: Kambôdzianina 1 500 000 no maty, rehefa niezaka nanova ny fireneny mba tsy hino an’Andriamanitra ny Khmer Rouge. Am-polony tapitrisa koa no maty nandritra ny fitondrana sovietika tsy mino an’Andriamanitra, notarihin’i Joseph Staline. Marina fa tsy azo lazaina hoe ny tsy finoana an’Andriamanitra no tena nahatonga izany. Hita anefa fa tsy miantoka ny fiadanana sy firaisan-tsaina ny tsy finoana an’Andriamanitra.
Maro no hiaiky hoe mahatonga fijaliana maro ny fivavahana. Andriamanitra ve anefa no diso amin’izany? Tsia! Eritrereto hoe nisy mpamily Romanina 3:23) Mirona ho tia tena, hirehareha tafahoatra, haniry hanao izay saim-pantatsika, ary hahery setra isika, noho ny ota. (Genesisy 8:21) Mahatonga ny olona hanamarin-tena sy hanaraka finoana manala tsiny ny fanaovan-dratsy koa izany. (Romanina 1:24-27) Marina ilay tenin’i Jesosy Kristy hoe: ‘Avy ao am-po no ivoahan’ny eritreri-dratsy, ny vonoan’olona, ny fanitsakitsaham-bady, ny fijangajangana, ny halatra, ny fijoroana ho vavolombelona mandainga, ary ny fanevatevana zava-masina.’—Matio 15:19.
niharan-doza satria variana nitelefaonina. Ny mpanamboatra an’ilay fiara ve no diso amin’izany? Maro koa ny antony mampijaly ny olombelona, ary lehibe lavitra noho ny zavatra inoana ny iray aminy. Ny ota nolovana izy io, hoy ny Baiboly. “Samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.” (Mahaiza manavaka
Ilaina àry ny manavaka ny fivavahana marina ankasitrahan’Andriamanitra sy ny fivavahan-diso. Manampy ny olona hiady amin’ny fanirian-dratsy ny fivavahana marina. Mampirisika ny olona izy io mba ho tia ny hafa, hanana fiadanana, ho tsara fanahy sy tsara toetra, halemy fanahy, hahafehy tena, tsy hivadika amin’ny vadiny, ary hanaja ny hafa. (Galatianina 5:22, 23) Manao izay tian’ny olona kosa ny fivavahan-diso. Izay ‘mahafinaritra ny sofin’ny olona’, hoy ny Baiboly, no ataony ka leferiny ny sasany amin’ireo zava-dratsy nomelohin’i Jesosy.—2 Timoty 4:3.
Hahatonga ny olona tsy hahay hanavaka ny tsara sy ratsy koa ve ny tsy finoana an’Andriamanitra? Tsy hisy ataon’Andriamanitra ampamoaka raha tsy misy izy. “Tsy hisy fitsipika tsy maintsy hajaintsika” koa, hoy i Phillip Johnson, mpampianatra lalàna. Lasa mety daholo àry izay heverin’ny tsirairay fa tsara, ary anjarany ny mifidy izay fitsipika arahiny, raha te hifidy izy. Tsy mahagaga raha tian’ny sasany ilay finoana hoe tsy misy Andriamanitra.—Salamo 14:1.
Tsy holeferin’Andriamanitra mandrakizay anefa ny fampianaran-diso aelin’ny fivavahana sy ireo tsy mino azy. * Mampanantena izy hoe: “Ny olo-mahitsy [manao ny tsara sy manaraka ny fivavahana marina] no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa tavela eo. Fa ny ratsy fanahy kosa ho ringana tsy ho amin’ny tany, ary ny mpivadika hesorina tsy ho amin’ny tany.” (Ohabolana 2:21, 22) Fiadanana sy fahasambarana eran-tany no ho vokatr’izany. Tsy hisy hahavita izany, na olona, na filozofia, na fikambanana naorin’olombelona.—Isaia 11:9.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 8 Manazava ny antony mbola amelan’Andriamanitra ny faharatsiana sy ny fijaliana hisy, ny toko 11 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Efajoro, pejy 6]
Ny Fiheveran’Andriamanitra ny Habibiana Ataon’ny Fivavahana
Mpanao zavatra mamoafady ireo Kananita nipetraka teo amin’ilay tany nomen’Andriamanitra ny Israelita. Nahazatra azy ireo ny fanaovana sorona ankizy sy ny fijangajangana, anisan’izany ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, ny firaisana amin’olom-pady ary ny firaisana amin’ny biby. (Levitikosy 18:2-27) Milaza ilay boky hoe Ny Arkeolojia sy ny Testamenta Taloha (anglisy) fa “nahitana antontan-davenona sy sisan-taolan’ankizy teny amin’ny fasana nanodidina ny alitaran’ny mpanompo sampy. Hita avy amin’izany fa niely patrana ny fanaovana [sorona ankizy].” Milaza ny boky iray momba ny Baiboly fa manao firaisana mamoafady ny Kananita rehefa mivavaka amin’ny andriamaniny, ary ataony sorona ho azy io ny zanany voalohany. Hoy ihany ilay boky: ‘Manontany tena ny mpikaroka hoe nahoana Andriamanitra no tsy nandringana ny Kananita taloha kokoa.’
Nandringana ny Kananita Andriamanitra. Hita àry fa tsy hilefitra mandrakizay amin’ny zava-dratsy atao amin’ny anarany izy. Hoy ny Asan’ny Apostoly 17:31: “Efa nanondro andro iray izay kasainy hitsarana ny tany onenana [Andriamanitra], eny, hitsarany azy araka ny marina.”
[Sary, pejy 7]
Samy nanao habibiana, na ny mpivavaka na ny tsy mpivavaka
Nanohana an’i Hitler ny fivavahana
Karandohan’ireo novonoin’ny Khmer Rouge, any Kambôdza
[Sary nahazoan-dalana]
AP Photo