Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampiely ny Heviny Ireo Tsy Mino An’Andriamanitra

Mampiely ny Heviny Ireo Tsy Mino An’Andriamanitra

Mampiely ny Heviny Ireo Tsy Mino An’Andriamanitra

MISY antokon’olona vaovao miforona ankehitriny. Tsy mino an’Andriamanitra izy ireo, ary manao fihetsiketsehana. Milaza i Richard Bernstein, mpanoratra gazety, fa “tezitra sy mafana fo izy ireo, eo am-piezahany mafy handresy lahatra ny mpivavaka mba hitovy hevitra aminy.” Reseny lahatra koa ireo misalasala momba ny fisian’Andriamanitra. Tsy misy fotsiny Andriamanitra amin’izy ireo, ary tsy azo iadian-kevitra izany.

Hoy i Steven Weinberg, nahazo ny loka Nobel: “Efa ela izao tontolo izao no voafitaky ny fivavahana ka tokony ho tonga saina amin’izay. Tokony hanao izay azontsika atao isika mpahay siansa mba hampihenana ny herin’ny fivavahana. Izany angamba no fandrosoana miavaka indrindra ho vitantsika.” Anisan’ny fitaovana ampiasain’ilay antokon’olona tsy mino an’Andriamanitra ny boky. Toa tena tian’ny olona ny boky sasany avoakany, matoa lasa be mpividy.

Anisan’ny nahatonga an’io antokon’olona io hahazo vahana ny fivavahana. Leo ny olona satria manao zavatra tafahoatra ny fivavahana sady mahatonga fampihorohoroana sy ady eran-tany. “Manapoizina ny zava-drehetra ny fivavahana”, hoy ny olona iray tsy mino an’Andriamanitra. Voalaza koa fa tsy ny fomba fihevitra tafahoatra ihany no ‘poizina’ fa ny foto-pinoana rehetra. Milaza izy ireo fa tsy maintsy abaribary hoe diso izy ireny ary ialana. Tokony hieritreritra tsara kosa ny olona ary hijery ny zava-misy. Nilaza i Sam Harris, izay tsy mino an’Andriamanitra, fa tsy tokony hampahatahotra ny miresaka an-karihary momba ny “hadalana be miavosa sy manimba” ao amin’ny Baiboly sy ny Kôrana. ‘Tsy afaka ny hangina intsony izahay’, hoy izy.

Manakiana ny fivavahana io antokon’olona vaovao io, nefa manindrahindra ny siansa. Nilaza aza ny sasany fa porofoin’ny siansa ny hoe tsy misy Andriamanitra. Izany tokoa ve no izy? Afaka manaporofo an’izany ve ny siansa? Hoy i Harris: “Tsy maintsy ho hita ihany amin’ny farany hoe iza no handresy sy ho resy.”

Iza no handresy, araka ny hevitrao? Eritrereto izao, eo am-pandinihana izany: ‘Tsy maintsy manimba ve ny finoana ny Mpamorona? Ho tsara kokoa ve ny fiainana raha tsy mino an’Andriamanitra?’ Diniho izay nolazain’ny mpahay siansa sy filozofa nohajaina, momba ny tsy finoana an’Andriamanitra sy ny fivavahana ary ny siansa.