Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Amin’ireo hazan-dranomasina 95,2 tapitrisa taonina alaina isan-taona, dia ny 38,5 tapitrisa taonina no ariana fotsiny. Hoy i Karoline Schacth, manam-pahaizana momba ny jono: “Tsy ho tafaverina amin’ny laoniny ny habetsahan’ny trondro any an-dranomasina, raha mbola ariana fotsiny ny 40 isan-jaton’ny hazandrano.”—BERLINER MORGENPOST, ALEMAINA.

“Toy ny hoe biby tsy manan-tsiny ny omby sy ny ondry ary ny osy, ka mijaly noho ny fitiavan-kenan’ny olombelona. ... Marihina anefa fa miteraka gazy manimba koa izy ireny rehefa mandrezatra, ka avy amin’izy ireny ny 18 isan-jaton’ny gazy manimba eran-tany [indrindra fa ny metanina]. Mbola betsaka noho ny gazy manimba avy amin’ny karazana fitaterana rehetra mitambatra izany.”—NEW SCIENTIST, GRANDE-BRETAGNE.

Lakaoly Faran’izay Mafy Fahiny

Nahita lakaoly tranainy be sady faran’izay mafy ireo mpahay siansa niasa tao Kwazulu-Natal, any Afrika Atsimo. Efa an’arivony taona lasa no nisian’izy io. Milaza ny gazety The Star ao Afrika Atsimo, fa ‘mafy be toy ny lakaoly tsara misy amin’izao andro izao’ izy io. Nampiasain’ny mpihaza fahiny, hono, izy io mba hametahana lohan-jana-tsipìka na lela lefona eo amin’ny tahony. Vovo-by mena atao hoe hematita no nanaovana an’ilay lakaoly, ary nafangaro menaka azo avy amin’ny biby sy ditin-kazo akasia ary fasika. Nanandrana nanamboatra lakaoly mitovy amin’io ny mpahay siansa, ary niezaka namantatra hoe manao ahoana ny hafanana tena mety mba hanamainana azy. Sahirana izy ireo vao nahavita izany, ka “niaiky fa tena mahay ny mponina fahiny.”

Mora Voan’ny Sery Ireo Tsy Ampy Tory

“Mora voan’ny sery kokoa ny olona matory latsaka ny adiny fito isan’andro, raha oharina amin’ny olona matory adiny valo na mihoatra. ... Toy izany koa ny olona tapatapa-torimaso na dia vetivety fotsiny aza”, hoy ny tatitra nataon’ny Oniversite Carnegie Mellon, any Etazonia. Nilaza i Sheldon Cohen, mpiandraikitra an’ilay fikarohana, fa “efa betsaka ny porofo ananantsika hoe misy vokany eo amin’ny hery fanefitra ny torimaso. Izao kosa isika vao manana porofo hoe na dia voahelingelina kely fotsiny aza ny torimaso, dia tsy mahavita miady amin’ny sery ny vatana. Midika izany fa tokony hanokana fotoana ampy tsara ny olona mba hatoriany.”

Mbola Betsaka ny Tany Azo Ambolena

Hoy ny gazety New Scientist: “Misy toerana ampy tsara eto an-tany, mba hamokarana sakafo fanampiny ilaina amin’ny fitomboan’ny mponina. Any Afrika no tena misy tany betsaka, tsy araka ny eritreretin’ny olona.” Navoaka tao amin’io gazety io ny tombantombana nataon’ny Fikambanana Misahana ny Fiaraha-miasa sy ny Fampandrosoana Ara-toe-karena, miaraka amin’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Momba ny Sakafo sy ny Fambolena. Nilaza izy ireo fa mbola be ny tany azo ambolena. Mitovy velarana amin’ny tany ambolentsika amin’izao izany, na mbola mihoatra an’izany aza. Voalaza tao koa hoe: “Any Afrika sy Amerika Latinina no misy ny antsasany mahery amin’io tany io.”