Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Tsy Kivy Mihitsy Ianao’

‘Tsy Kivy Mihitsy Ianao’

‘Tsy Kivy Mihitsy Ianao’

● Tsy ampy ra i Camila sady voan’ny aretin’ny rafi-pitatitra ary tsy mitombo ara-dalàna. Nirefy 75 santimetatra monja àry izy, tamin’izy valo taona. Nisy kaonferansa momba ny fitsaboana natao tao amin’ny efitrano lehibe iray tao an-tanànan’izy ireo, any Arzantina. Nanapa-kevitra hitondra an’i Camila tao ny ray aman-dreniny, izay Vavolombelon’i Jehovah. Nipetraka teny aloha izy ireo, ary nisy mpanatrika 500.

Nanondro an’i Camila ny dokotera iray nanao famelabelarana, ary nilaza fa toa azy ny zaza salama. Tsy fantatr’ilay dokotera anefa ny aretin’i Camila sy ny taonany, ka hoy izy: “Firy taona io zaza io?”

“Valo taona”, hoy i Marisa reniny.

“Valo volana?”, hoy ilay dokotera.

“Valo taona ka!”, hoy i Marisa nanamafy.

Gaga ilay dokotera ary nasainy nankeny amin’ny sehatra izy mianaka mba hamaly fanontaniana vitsivitsy. Noresahin’i Marisa ny fitsaboana efa natao tamin’i Camila. Hoy ilay dokotera: “Misy reny mitomany raha vao voan’ny gripa ny zanany. Ianao kosa tsy kivy mihitsy, nefa efa fito taona izay no niala nenina nitsabo an’i Camila. Fa ahoana no nataonao?”

Nohazavain’i Marisa tamin’ny mpanatrika ilay fanantenany avy ao amin’ny Baiboly hoe hisy tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana sady tsy hisian’ny aretina sy fijaliana ary fahafatesana intsony. (Isaia 33:24; Apokalypsy 21:3, 4) Noresahin’i Marisa teo am-pamaranana fa toy ny mpirahalahy ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, ka ny fifankatiavana no manampy azy ireo hizaka fahoriana sy olana.—Jaona 13:35.

Nanatona an’i Marisa ny ramatoa iray taorian’ilay fandaharana, ary nitady fanazavana bebe kokoa. Tena te hahafanta-javatra ilay ramatoa, ka nanaiky hianatra Baiboly maimaim-poana tany an-tranony. Fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany ny manasa olona hianatra Baiboly, raha tian’ilay olona ny hahalala izay raketin’ny Baiboly sy ny fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona.

[Sary, pejy 25]

I Camila, tamin’izy valo taona, sy Marisa reniny