Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mbola Hisy Horohoron-tany Lehibe

Mbola Hisy Horohoron-tany Lehibe

Mbola Hisy Horohoron-tany Lehibe

AN-JATONY ny horohoron-tany lehibe hitan’ny manam-pahaizana, hatramin’ny nisian’ny fitaovam-pandrefesana horohoron-tany. Tsy tena atahorana ny horohoron-tany rehefa lavitra ny toerana misy mponina, ka zara raha resahin’ny fampitam-baovao. Betsaka kosa ny zavatra rava rehefa mamely tanàn-dehibe izy ireny. Arakaraka ny isan’ny mponina sy ny fahavononany hiatrika loza àry ny habetsahan’ny aina afoy sy ny zavatra simba.

Ilay horohoron-tany tany Haïti tamin’ny 12 Janoary 2010 no anisan’ny namoizana aina sy fananana be indrindra. Tsy iny anefa no horohoron-tany lehibe voalohany tamin’ity taona ity, ary tsy iny koa no farany. Ireto ny sasany amin’ireo horohoron-tany nitranga teo am-piandohan’ny 2010. Mihoatra na mitovy amin’ilay nandrava ny renivohitr’i Haïti ny herin’izy ireo.

3 Janoary: 7,1 (maridrefy Richter), Nosy Salomon

Nirefy 7,1 mahery io horohoron-tany io raha vao nanomboka, ka nampisy tsunami. Nahatratra “2 ka hatramin’ny 3 metatra ny haavon’ny onja.” Nilaza i Loti Yates, talen’ny birao iray mikarakara ny loza toy ireny fa nisy tanàna “difotra tanteraka” rehefa notazanina avy teny ambony fiaramanidina. Trano 16 no rava ary trano maro no simba tao Bainara, ao amin’ny Nosy Rendova, hoy i Yates.

Nisy horohoron-tany 6,6 amin’ny maridrefy Richter talohan’izay. Maro no taitra ka nitsoaka tany amin’ny havoana. Voaro àry izy ireo rehefa namely an’ireo moron-tsiraka ny tsunami vokatr’ilay horohoron-tany mahery kokoa, adiny roa tatỳ aoriana.

26 Febroary: 7 (maridrefy Richter), Nosy Ryukyu, Japon

Tamin’ny 5.31 maraina no namely izy io. Tany amin’ny 80 kilaometatra avy teo Naha any Okinawa ny foibeny, izany hoe tany amin’ny iray amin’ireo nosy Ryukyu, any Japon. Nisy fampitandremana hoe hisy tsunami, saingy nofoanana izany. Nilaza ny vehivavy iray nipetraka tany Okinawa nandritra ny 90 taona mahery, fa iny no mahery indrindra tamin’ny horohoron-tany reny hatramin’izay.

27 Febroary: 8,8 (maridrefy Richter), Silia

Io no fahadimy amin’ny horohoron-tany mahery indrindra hatramin’ny taona 1900. Ilay tany Silia tamin’ny 1960 no mahery indrindra, izay nirefy 9,4 amin’ny maridrefy Richter. Lasa hentitra àry ny lalàn’i Silia momba ny fanorenana trano, noho iny horohoron-tany iny, sy ilay nandravarava ny renivohiny tamin’ny 1985, izay nirefy 7,7.

Vitsy àry ny trano nirodana tany Santiago sy tany an-tanàna hafa tamin’ilay horohoron-tany tamin’ity taona ity. An’arivony anefa no naratra sy very fananana. Olona 500 teo ho eo no voalaza fa maty. Efa ho ny antsasak’ireo no matin’ilay tsunami tany amoron-tsiraka.

4 Aprily: 7,2 (maridrefy Richter), Baja Kalifornia, Meksika

Tany amin’ny 18 kilaometatra miala an’i Guadalupe Victoria, any Meksika, ny foibeny, ary 47 kilaometatra avy eo Mexicali. Tsy misy mponina ilay toerana. Nisy hovotrovotra mafy anefa re hatrany amin’ny tanàna maro any Meksika sy ny faritra atsimon’i Etazonia.

9 Mey: 7,2 (maridrefy Richter), Faritra Avaratr’i Sumatra, Indonezia

Tany amin’ny 217 kilaometatra avy teo Banda Aceh, tanàna any amin’ny farany avaratr’i Indonezia, izy io no nitranga, tamin’ny 12.00 antoandro. Tany ambanin’ny ranomasina ilay izy. Maro no nandositra avy tao an-tranony, ary tsy nety niverina raha tsy elaela satria natahotra. Voalaza anefa fa tsy nisy maty.

Mbola hisy horohoron-tany hafa

Tsy manitatra isika raha milaza fa mbola hisy horohoron-tany hafa, rehefa jerena ireo horohoron-tany lehibe hatramin’izay. Milaza mazava ny Fikambanana Amerikanina Manadihady Momba ny Tany hoe: “Mbola hisy horohoron-tany lehibe toy ny taloha.”

Hoy ny gazety iray: ‘Tsy misy azon’ny olombelona atao, manoloana ny horohoron-tany nitranga tato ho ato. Hita avy amin’izany fa voafetra ny vitantsika. Tsy midika izany hoe tsy tokony hanao zavatra isika raha afaka. Tokony hanampo foana kosa isika hoe hisy loza lehibe tsy ho voafehintsika mihitsy, eo amin’ny natiora.’

Tsaroan’ireo tena mianatra Baiboly avy hatrany ireo faminanian’ny Baiboly milaza mazava fa anisan’ny famantarana ny andro faran’ity tontolo ity ny horohoron-tany.—Matio 24:3, 7; Marka 13:8; Lioka 21:11.

[Sarintany, pejy 20, 21]

(Jereo ny gazety)

Ny sasany amin’ireo horohoron-tany mirefy 7 na mihoatra, amin’ny maridrefy Richter, tamin’ny Janoary ka hatramin’ny Mey

Meksika

Haïti

Silia

Japon

Indonezia

Nosy Salomon