Nahasoa Azy koa Ilay Izy
Nahasoa Azy koa Ilay Izy
● Manan-janaka telo ny vehivavy iray, 30 taona eo ho eo, any Kentucky, Etazonia. Hoy izy: “Tianay daholo ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ilay hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly anefa no tena tiako ny mamaky azy miaraka amin’ny zanako. Na izaho aza mantsy miana-javatra avy amin’ilay izy.”
Ahitana sary mahafinaritra ilay boky. Misy tantara ao amin’ny Baiboly koa ao, ary misesy araka ny fotoana nisehoany. Ireto ny tantara sasany ao amin’ny Fizarana faharoa: “Nanapaka Tany Ejipta ny Mpanjaka Ratsy Iray”, “Ny Fomba Namonjena An’i Mosesy Zazakely”, “Nahoana no Nandositra i Mosesy”, “Mihaona Amin’i Farao i Mosesy sy Arona”, “Ny Loza 10”, “Fiampitana ny Ranomasina Mena.”
Miresaka ny fiainan’i Jesosy teto an-tany ny Fizarana fahenina. Voalaza ao, ohatra, hoe “Teraka tao An-tranon’omby i Jesosy”, ary nisy “Lehilahy Notarihin’ny Kintana Iray.” Tantaraina ao fa efa “tao an-trano” i Jesosy no notsidihin’ireo “Magy”, na mpanandro, fa tsy tany an-tranon’omby intsony. I Jesosy zazakely sy Maria no hitany tao. Nampitandrina an’ireo mpanandro ireo Andriamanitra, avy eo, mba tsy hiverina any amin’i Heroda, ilay nitady hamono an’i Jesosy. Tsy Andriamanitra àry no nandefa ilay kintana nitarika an’ireo mpanandro.—Matio 2:1, 11, 12, Fandikan-teny Protestanta.
Hiana-javatra maro koa ianao, rehefa mamaky an’io boky io miaraka amin’ny zanakao. Misy tantara 116 ao, ary miresaka zava-nitranga na olona ao amin’ny Baiboly. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy 5 amin’ity gazety ity.
□ Mba andefaso an’ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly aho.
□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.