Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Mihamalaza ny Krismasy?

Nahoana no Mihamalaza ny Krismasy?

Nahoana no Mihamalaza ny Krismasy?

TSY andrinao ve izay hahatongavan’ny Krismasy, sa mitaintaina ianao arakaraka ny hanatonan’izy io? Maro ny olona miady saina momba ny akanjo hovidiny sy ny kilalao homeny an-janany. Ohatrinona ny vola ho lany amin’izany? Hitrosa ve? Raha hitrosa, rahoviana no ho voaloa ny vola?

Mbola tia manao Krismasy foana anefa ny olona. Lasa mankalaza azy io aza ny olona any amin’ny tany tsy kristianina. Mankalaza azy io anefa ny ankamaroan’ny fianakaviana any Japon, satria te hanao fety fotsiny. Milaza koa Ny Gazetin’i Wall Street (anglisy) hoe “feno sarina Dadabe Noely mitsikitsiky ny fitaratry ny fivarotana any an-tanàn-dehibe, any Chine. Lasa tia mankalaza Krismasy ny fianakaviana antonintoniny any an-tanàn-dehibe, ka manararaotra azy io mba hiantsenana sy hisakafoanana ary hanaovana fety.”

Nampiroborobo ny toe-karena any amin’ny tany maro ny Krismasy. Toy izany mihitsy ny any Chine. Milaza Ny Gazetin’i Wall Street fa lasa “manondrana hazo noely plastika, girlandy, jiro mipipika, ary haingon-javatra maro be fampiasa amin’ny Krismasy i Chine.”

Misy fety mitovitovy amin’ny Krismasy koa any amin’ny tany silamo, ary tsy voatery hoe 25 Desambra no anaovany azy io. Ahitana hazo feno girlandy sy fanomezana mifono tsara tarehy, ohatra, ny fitaratry ny fivarotana any Beyrouth sy Ankara, amin’io fotoana io. Manome vola hanaovana fety koa ny hotely sy ny fivarotana lehibe any Indonezia, ka afaka miara-misakafo na maka sary miaraka amin’i Dadabe Noely ny ankizy.

Milaza ny gazety iray any Kanada, fa lasa resa-barotra fotsiny ny Krismasy any amin’ny tany maro, fa tsy resaka fivavahana intsony. Betsaka koa ny dokam-barotra “natao hanairana ny ankizy.” Misy ihany ny mandeha miangona, kanefa any amin’ny toeram-pivarotana lehibe mandefa hira Krismasy no tena iangonan’ny olona. Inona no nahatonga izany? Misy ifandraisany amin’ny niandohan’ny Krismasy ve? Ahoana tokoa no niandohan’io fety io?

Misy tantara ao amin’ny Baiboly tsara vakintsika, alohan’ny hamaliana izany. Toa avy amin’ireo tantara ireo mantsy ny zavatra ataon’ny olona amin’ny Krismasy.

[Efajoro/Sary, pejy 4]

FITANTARANA AO AMIN’NY FILAZANTSARA

Hoy ny apostoly Matio: “Taorian’ny nahaterahan’i Jesosy tao Betlehema any Jodia, tamin’ny andron’i Heroda Mpanjaka, dia nisy mpanandro [magy] avy any atsinanana tonga tao Jerosalema, nilaza hoe: ‘Aiza ilay nateraka ho mpanjakan’ny Jiosy? Fa hitanay ny kintany fony izahay tany atsinanana, ka tonga hiankohoka eo anatrehany izahay.’ Rehefa ren’i Heroda Mpanjaka izany, dia nitebiteby izy.” Nanontany “ny lehiben’ny mpisorona” àry izy hoe “aiza ny toerana hahaterahan’i Kristy.” Rehefa fantatr’i Heroda hoe “ao Betlehema” izy no ho teraka, dia nilaza tamin’ireo mpanandro izy hoe: “Mandehana, karohy tsara ilay zaza, ary rehefa hitanareo izy, dia ilazao aho.”

‘Dia lasa ireo, ary iny fa nialoha azy ireo ilay kintana efa hitany tany atsinanana, ka tsy nijanona raha tsy teo ambonin’ilay trano nisy ilay zaza. Rehefa niditra tao amin’ilay trano izy ireo, dia nahita an’ilay zaza sy Maria reniny’, ary nanome fanomezana an’i Jesosy. “Nampitandreman’Andriamanitra tamin’ny nofy anefa izy ireo mba tsy hiverina tany amin’i Heroda.” “Lalan-kafa” àry “no nandehanany nody tany amin’ny taniny.”

“Rehefa lasa nody” ireo mpanandro, “dia nisy anjelin’i Jehovah niseho tamin’i Josefa tao amin’ny nofy, ka nilaza hoe: ‘Mitsangàna! Ento mandositra any Ejipta ny zaza sy ny reniny.’ ... Koa nitsangana izy, ary nitondra an’ilay zaza sy ny reniny tamin’ny alina ka lasa nankany Ejipta. ... Romotry ny hatezerana i Heroda rehefa hitany fa voafitaky ny mpanandro izy. Koa naniraka olona izy hamono ny zazalahikely rehetra tany Betlehema sy ny faritra rehetra manodidina azy, dia ireo zaza roa taona no ho midina.”—Matio 2:1-16.

Hoy i Lioka, mpianatr’i Jesosy: ‘Niakatra avy tao an-tanànan’i Nazareta, any Galilia, i Josefa’, ary ‘nankany Jodia, ho ao an-tanànan’i Davida, izay atao hoe Betlehema, mba hisoratra anarana miaraka amin’i Maria.’ Mbola tany izy ireo no tonga ny andro ahaterahan’i Maria. “Niteraka ny zanany lahimatoa izy, ary nofeheziny lamba ilay zaza, ka nampandriny tao amin’ny fihinanam-bilona, satria tsy nisy toerana ho azy ireo intsony tany amin’ny efitranom-bahiny.”

“Ary nisy mpiandry ondry koa tany amin’io faritra io. Nitoetra tany an-tsaha izy ireo tamin’ny alina, niambina ny andian’ondriny. Tampoka teo, dia nisy anjelin’i Jehovah nitsangana teo anilan’izy ireo, ... ka natahotra mafy izy ireo. Hoy anefa ilay anjely: ‘Aza matahotra fa tonga hilaza vaovao tsara aminareo aho, dia fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra. Fa Mpamonjy no teraka ho anareo androany ao an-tanànan’i Davida, dia i Kristy Tompo.’ ” “Lasa haingana” ireo mpiandry ondry rehefa nandre izany, “ka nahita an’i Maria sy Josefa.” “Hitany koa ny zazakely nandry tao amin’ny fihinanam-bilona.”—Lioka 2:4-16.