Ilana Fisainana ve ny Finoana?
Inona no Lazain’ny Baiboly?
Ilana Fisainana ve ny Finoana?
HOY i A. Grayling, filozofa anglisy: “Mifanohitra amin’ny fisainana ny finoana.” Mamintina an’izay tsapan’ny mpanoratra sy filozofa maro be hatramin’izay izany. Nilaza izy ireo fa tsy ilana fisainana ny finoana.
Tsy mitombina mihitsy ny zavatra sasany inoan’ny mpivavaka. Izao koa anefa, maro amin’ny zavatra lalim-paka ninoan’ny mpahay siansa no voaporofo hoe diso. Midika ve izany fa diso na tsy azo porofoina ny zavatra rehetra inoan’ny mpahay siansa? Tsy izany mihitsy! Nahoana raha atao toy izany koa ny fiheverana ny finoan’ny fivavahana? Raha tsy eo ny fahalalana dia tsy hisy ilay finoana resahin’ny Baiboly, izay miorina amin’ny fahalalana sy fisainana tsara. Andeha isika handinika porofo mampiseho fa ilana fisainana ny tena finoana.
Ny tena finoana
Milaza ny Baiboly fa raha tiantsika ‘hankasitrahan’Andriamanitra’ ny fivavahantsika, dia tsy maintsy ho ‘fanompoana masina ampiasana ny saina’ izany. (Romanina 12:1) Tsy hoe finoana an-jambany sy tsy marim-pototra, na ilay antsoin’ny olona hoe minomino foana, àry ny finoana resahin’ny Baiboly. Tsy finoana befahatany koa izy io. Efa noeritreretina lalina kosa ilay izy, ka mahatonga ny olona iray hatoky an’Andriamanitra sy ny Teniny, rehefa avy nisaina tsara.
Mazava ho azy fa mila fanazavana marina ianao mba hahafahanao misaina tsara. Na programan’ordinatera faran’izay matanjaka sy natao mba hirindra tsara aza, dia hanao zavatra hafahafa be raha fanazavana diso no ampidirina ao. Toy izany koa fa hiankina betsaka amin’izay renao na ny fahamarinan’ny fanazavana ampidirinao ao an-tsaina ny zavatra inoanao. Mety tsara àry raha milaza ny Baiboly hoe: “Ny finoana dia avy amin’izay re.”—Romanina 10:17.
Tena ilaina mba hananana finoana ny “fahalalana marina tsara ny fahamarinana.” (1 Timoty 2:4) “Ny marina” ihany, hoy ny Baiboly, no “hanafaka anareo” amin’ny finoana diso, na mifandray amin’ny fivavahana izany na amin’ny siansa. (Jaona 8:32) Mampitandrina anao ny Baiboly mba tsy hino ‘ny teny rehetra re.’ (Ohabolana 14:15) Lazainy kosa fa tokony ‘hamantatra tsara ny zava-drehetra’ ianao, izany hoe tokony hanamarina izay renao, alohan’ny hinoana azy. (1 Tesalonianina 5:21) Nahoana no tokony hokarohina sy hohamarinina ny zavatra inoana? Satria ho diso ny zavatra inoanao raha miorina amin’ny lainga. Fakan-tahaka ireo olona ambony saina tany Beria fahiny, satria niezaka hanana ny tena finoana. Tena te hino an’izay nampianarin’ireo misionera kristianina izy ireo, nefa mbola “nandinika tsara ny Soratra Masina isan’andro [mba] hahitana raha izany tokoa no izy.”—Asan’ny Apostoly 17:11.
Finoana miorina amin’ny Baiboly
Ahoana anefa raha tsy tena atokisanao ny Baiboly? Ahoana no hahatonga anao hatoky hoe mirakitra fahalalana marina izy io? Ahoana, ohatra, no ataonao mba hahatonga anao hatoky olona? Miezaka hahalala azy ianao ka mandinika an’izay ataony, mandritra ny fotoana elaela, ary mijery ny vokatr’izany. *
Nahoana raha atao toy izany koa ny Baiboly?Milaza ny Baiboly fa ny tena finoana dia “fiandrasana amin-toky ny zavatra antenaina, ary fanomezana porofo mazava momba ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.” (Hebreo 11:1) Tsy hoe mora minomino foana ny olona manana tena finoana. Ataony miorina amin’ny fandinihana lalina an’izay fanazavana rehetra misy kosa ny zavatra inoany. Lasa miaiky izy rehefa avy misaintsaina tsara, fa tena misy na dia ny zavatra tsy hita maso aza.
Ahoana kosa raha hoatran’ny mifanohitra amin’ny zavatra sasany ninoanao mafy ny zavatra ianaranao? Tokony hodian-tsy hita ve izany? Mazava ho azy fa tsia. Tena ilaina indraindray ny mandinika an’ireo porofo mafy orina toa mifanohitra amin’ny zavatra inoana. Mampanantena Andriamanitra fa hamaly soa an’ireo olona tso-po mitady ny fahamarinana, ka hanome azy ireo fahalalana sy fahaiza-manavaka ary fahaiza-misaina.—Ohabolana 2:1-12.
Ilana fisainana ilay finoana miorina amin’ny fampianaran’ny Baiboly. Finoana manao ahoana no anananao? Maro no mbola tsy tena nisaina momba ny zavatra inoan’ny fivavahany, fa toy ny hoe “nandova” izany fotsiny. Tsy hoe tsy manaja anefa ireo mandinika ny zavatra inoany ka ‘mamantatra’ raha mifanaraka amin’izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra izany. (Romanina 12:2) Ampirisihin’ny Baiboly isika mba ‘hamantatra aloha raha avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ireny fanambarana ireny na tsia.’ (1 Jaona 4:1) Ho afaka ‘hilaza ny fiarovan-tenanao eo anatrehan’izay manontany ny anton’ny fanantenana ao anatinao’ ianao amin’izay, na misy manohitra aza ny zavatra inoanao.—1 Petera 3:15.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 10 Manorata amin’ny mpampanonta ny Mifohaza!, raha te hahazo fanazavana azo antoka momba ny Baiboly.
EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:
● Mampirisika antsika hampiasa ny saintsika ve ny Baiboly? —Romanina 12:1, 2.
● Inona no karazana fahalalana tokony hanananao mba hahazoana ny tena finoana?—1 Timoty 2:4.
● Inona no ianarantsika momba ny finoana, rehefa jerena ny famaritana omen’ny Baiboly?—Hebreo 11:1.
[Teny notsongaina, pejy 29]
Mamaly soa an’izay mitady mafy ny fahamarinana Andriamanitra