Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Mahadiso ny Fivavahana?

Inona no Mahadiso ny Fivavahana?

Inona no Mahadiso ny Fivavahana?

AHOANA raha misy milaza hoe ny fivavahana no tena mahatonga ny ady rehetra? Toa te hilaza izy fa ho nihena ny ady raha tsy nisy ny fivavahana. Marina ve izany? Mila foanana fotsiny ve ny fivavahana dia ho foana ny ady? Tsy azo lavina izao, na inona na inona lazainao: Tsy nampiray saina ny olona ny fivavahana. Nahoana?

Mampizarazara

Voazarazaran’ny fivavahana ny olombelona, ary miady lava ireo fivavahana lehibe. Azo inoana ve hoe tsy hiady intsony ny Bodista, Hindoa, Jiosy, Kristianina, ary Silamo, indray andro any, nefa samy eo?

Mampalahelo fa mizarazara ho antokom-pivavahana kely ny fivavahana lehibe. Tombanana ho 30 000 mahery, ohatra, ny antokom-pivavahana milaza azy ho Kristianina. Voazarazara koa ny Silamo satria mifanipaka ny zavatra inoany. Milaza ny sampan-draharaha iray misahana ny fampahalalam-baovao any amin’ny tany manodidina an’i Israely fa vao haingana i Mohsen Hojjat, manam-pahaizana silamo, no niaiky hoe “ny fisaratsarahan’ny Silamo no anisan’ny mahatonga an’ireo olana eo amin’izy ireo.” Mizarazara ho sekta samihafa koa ireo fivavahana lehibe, toy ny Bodisma sy Hindoisma ary Jodaisma.

Manao politika

Toa misy heriny eo amin’ny lafim-piainana rehetra ny fivavahana. Milaza ny gazety Toe-karena (anglisy) fa “lasa tia miresaka ny zavatra inoany ny mpivavaka, eo amin’izay rehetra ataony, anisan’izany ny fandraharahana. Misy heriny eo amin’ny toe-karena koa ny fivavahana.” Mampisaratsaraka ny olona izany fa tsy mampihavana azy. Ny fidiran’ny fivavahana amin’ny politika anefa no tena nisy vokany ratsy hatramin’izay.

Nilaza ireo mpahay tantara voaresaka tao amin’ny lahatsoratra teo aloha fa “mora mahatonga ady ny fivavahana rehefa mifandray akaiky sy mifampidipiditra amin’ny fitondrana.” Asehon’ny zava-misy anefa fa tena niditra tamin’ny politika sy ny tafika ny fivavahana, hatramin’izay ka hatramin’izao.

Tsy tsara ampiarahina

Lasa famantarana ny firenen’ny olona sy ny fokony ny fivavahana lehibe, any amin’ny tany maro. Tsy hay intsony àry ny manavaka ny fankahalana eo amin’ny firenena tsy mitovy, sy ny fanavakavaham-bolon-koditra, ary ny adim-poko, amin’ny adin’ny fivavahana. Ireo dia ampy hahapotika an’izao tontolo izao.

Mahagaga fa milaza ho solontenan’ilay Andriamanitra Mpamorona resahin’ny Baiboly ny ankamaroan’ny fivavahana. Fivavahana misara-bazana sy mpamono olona ve anefa dia hisy ifandraisany amin’ny Mpamorona hendry sy be fitiavana ary mahery indrindra?

[Sary, pejy 6]

Vavolombelon’i Jehovah an’arivony no nogadraina satria tsy nety nanao politika