Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahagaga ny Fiterahana

Mahagaga ny Fiterahana

Mahagaga ny Fiterahana

ELA ny ela ka tapitra ihany ny sivy volana, ary ho teraka ilay zazakely. * Nikatona tsara foana ny vozon’ny tranonjazan’ilay reny, ka voaro tsara tao an-kibo ilay tsaika. Mihamanify sy mihamalefaka ary misokatra anefa izao ilay vozon’ny tranonjaza. Manomboka amin’izay ilay zava-mahagaga.

Maro ny zavatra mitranga ao amin’ny vatan’ilay reny, alohan’ny hiterahany, fa ny roa no tena mahagaga. Voalohany, mamoaka hormonina atao hoe ôsitôsinina ny atidoha. Samy misy an’io hormonina io ny lehilahy sy ny vehivavy. Mamokatra be dia be amin’io hormonina io ny vatan’ny vehivavy manomboka mihetsi-jaza, ka lasa mitatra ny vozon’ny tranonjaza ary mihenjana ny tranonjaza.

Tsy fantatra ny fomba hamantaran’ilay fihary ranoka ao amin’ny reny hoe tokony hamokatra ôsitôsinina amin’izay izy. Hoy ny boky Ilay Dia Mahavariana ao Anatin’ny Vatan’ny Olombelona (anglisy): “Angamba tsapan’ny atidohany hoe efa tapitra ny fitondrana vohoka ary tonga ny fotoana hanaovan’ireo hozatra matanjaka ao amin’ny tranonjaza ... an’ilay asany maharitra fotoana fohy nefa mafy be.”

Faharoa, tsy mamokatra prozesteronina intsony ny tavòny. Nanakana ny tranon-jaza tsy hihenjana be ny prozesteronina, nandritra ny fitondrana vohoka. Manomboka mihenjana àry ny tranon-jaza rehefa tsy misy an’io hormonina io intsony. Efa malefaka sy misokatra ny vozon’ny tranonjaza amin’izay ka mivoaka eo ilay zaza, rehefa avy nihetsi-jaza nandritra ny adiny 8 ka hatramin’ny adiny 13 ilay reny. Mivoaka koa ilay tavòny avy eo.

Tsy maintsy mizatra haingana amin’ny tontolo hafa mihitsy izao ilay zaza menavava. Ranoka, ohatra, no nameno ny havokavony, tamin’izy mbola tao anaty tranonjaza, saingy avoakany ilay ranoka rehefa mandalo eo amin’ny lalan-jaza izy. Tsy maintsy fenoiny rivotra àry ny havokavony, mba hanombohany miaina. Amin’ilay izy mitomany voalohany no hanaovany izany, matetika. Misy fiovana goavana koa ao amin’ny fony sy ny lalan-drany. Mikatona ilay lavaka mampifandray ny sofim-po roa, ary misy lalan-dra iray mikatona, ka lasa mankany amin’ny havokavoka ny ra mba haka oksizenina. Mahagaga fa ao anatin’ny fotoana fohy no hitrangan’izany fiovana rehetra izany.

Mampahatsiahy antsika an’ity teny ao amin’ny Baiboly ity ny mitranga amin’ny olona mihetsi-jaza sy miteraka: “Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy, eny, misy fotoanany daholo ny raharaha rehetra etỳ ambanin’ny lanitra.” Anisan’izany ny “fotoana ahaterahana.” (Mpitoriteny 3:1, 2) Ora vitsy monja no hitrangan’ireo zavatra mifampitohitohy ireo. Azo antoka fa hiaiky ianao hoe nisy namorona izany. Tsy iza io Mpamorona io fa ilay antsoin’ny Baiboly hoe “loharanon’aina.”—Salamo 36:9; Mpitoriteny 11:5.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Sivy volana sy herinandro ka hatramin’ny folo volana sy tapany, matetika, ny fitondrana vohoka.

[Kisary/Sary, pejy 16, 17]

Ny Fiterahana

1 Alohan’ny hihetsi-jaza

2 Manatona ny lalan-jaza

3 Misokatra ny vozon’ny tranonjaza

4 Mivoaka ilay zaza

[Kisary]

(Jereo ny gazety)

1

tavòny

fivaviana

vozon’ny tranonjaza

2

3

4