Marary Andoha Lava ve Ianao?
Marary Andoha Lava ve Ianao?
Niezaka nijery an’ilay taratasy teny aminy i Joyce, mpiasa birao mavitribitrika. Hoatran’ny nisy fotsifotsy be tampoka ilay pejy. Nahita teboteboka manjelanjelatra nandehandeha izy avy eo, ary lasa tsipika mifanapatapaka sy endri-javatra hafahafa izany. Zara raha nahita izy rehefa afaka kelikely. Fantany ny nahazo azy, ka nohaniny haingana ilay pilina kely fihinany rehefa mitranga ny toy izany.
MARARY andoha lava i Joyce, ary tsy toy ny aretin’andoha tsotra ilay izy. Tsy mitranga tsindraindray, ohatra, izy io fa miverimberina. Mafy be koa ilay izy ka lasa tsy mahavita manohy ny zavatra fanaony ilay marary.
Inona avy ireo soritr’aretina? Manaintaina ny lohanao ary toa renao misy mitepo. Mety ho ny ilany ihany no harary. Mety haloiloy sy tsy hahatanty hazavana be koa ianao. Mety haharitra ora na andro maromaro izany.
Marary andoha be tsindraindray ny ankamaroan’ny olona, fa ny ampahafolon’ny olona ihany no tena marary andoha lava. Ny vehivavy no mora voa. Tsy mitovy ny hamafin’ilay aretina, nefa tsy miasa andro maromaro isan-taona ny ankamaroan’izay tratrany. Mampihena ny vola miditra ilay aretina, ka mety hisy fiantraikany eo amin’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina. Nosokajin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana ho anisan’ny antony 20 tsy ahavitana zavatra àry izy io.
Mety hangatsiaka ny tanan’ny olona sasany, na ho reraka izy, na ho noana, na hiovaova ny fihetseham-pony, aloha kelin’ny hitrangan’ilay
aretina. Mety ho fanimpanina izy, avy eo, ho voly, hiboredika, haneno ny sofiny, handroroa ny masony, na halemy ny hozany.Tsy tena fantatra ny mahatonga ny aretin’andoha lava, nefa heverina ho olana any amin’ny rafi-pitatitra izany, ka misy vokany amin’ny lalan-dra any amin’ny loha. Ny ra mandalo amin’ilay lalan-dra marary no toa mahatonga an’ilay mitepo. Hoy ny gazety Fitsaboana Vonjimaika (anglisy): “Marefo ny rafi-pitatitry ny olona marary andoha lava, ary efa nolovany izany. Zavatra maro no mety hisy vokany eo amin’ny rafi-pitatiny, anisan’izany ny torimaso tsy ampy, fofona mahery, fanaovana dia, sakafo tapatapaka, adin-tsaina, ary fiovan’ny fatran’ny hormonina.” Mety ho mora voan’ny aretin-tsinay sy ho be fanahiana ary ho ketraka koa ny olona marary andoha lava.
Inona no azo atao mba tsy harary loatra?
Tsy azonao ovana ilay rafi-pitatitra nolovanao, nefa azonao sorohina ilay aretin’andoha. Nanoratra diary ny olona sasany, ka afaka namantatra izay sakafo na toe-javatra mahatonga an’ilay aretina.
Tsy mitovy ny olona. Hitan’i Lorraine, ohatra, fa misy ifandraisany amin’ny fadimbolany ilay aretin’andohany. Hoy izy: “Tapa-bolana eo ho eo alohan’ny fadimbolako, dia marary andoha aho raha vao manao zavatra be loatra na misy zavatra manaitaitra ny saiko, toy ny asa mafy be, na hatsiaka na hafanana, na feo mafy, ary na sakafo masiaka aza. Miezaka ny ho tony sy hahay handanjalanja àry aho amin’io.” Hoy kosa i Joyce, izay narary nandritra ny 60 taona mahery: “Mifady voasary sy mananasy ary divay mena aho, satria hitako fa tonga dia marary andoha aho raha vao mihinana.”
Tsy mora fantarina ny antony mankarary andoha, satria zavatra maromaro mitambatra mazàna no mahatonga izany. Tsy naninona, ohatra, ianao, indray mandeha rehefa nihinana sôkôlà, nefa nankarary andoha anao izany tamin’ny fotoana hafa, satria nety ho nisy zavatra hafa nanampy trotraka an’ilay izy.
Mety tsy ho vitanao ny hamantatra na hisoroka an’izay mahatonga an’ilay aretin’andoha, nefa misy zavatra hafa azonao atao mba tsy hitrangan’izany matetika. Milaza ny manam-pahaizana fa tsara ny matory sy mifoha amin’ny ora mitovy, isan’andro. Raha te hatory maraina ianao ny faran’ny herinandro, dia asainy mifoha amin’ilay ora mahazatra aloha, manao zavatra mandritra ny minitra vitsy, ary miverina matory. Mety harary andoha ianao raha ovaovanao ny fatran’ny kafeinina sotroinao. Andramo ferana ho roa kaopy na roa vera isan’andro àry ny kafe na kôkà sotroinao. Aza manapatapaka sakafo, satria mankarary andoha ny hanoanana. Ny adin-tsaina koa no tena mankarary andoha. Sarotra ialana izany, nefa mety hahita fomba hampitonena ny sainao ianao. Mety ho afaka hanitsy ny fandaharam-potoananao ianao, na hamaky Baiboly, na hihaino mozika malefaka.
Fomba hitsaboana azy
Maro ny fitsaboana an’ilay aretina. * Ny torimaso, ohatra, no anisan’ny fanafody tsara indrindra. Mety ho afaka hatory ilay marary rehefa maivamaivana satria avy nihinana fanafody fampitonena.
Nisy karazam-panafody (triptan) nivoaka tamin’ny 1993, ary natao hitsaboana an’ilay aretin’andoha izy io. Nilaza Ny Gazety Aostralianina Momba ny Fitsaboana (anglisy) fa “fandrosoana goavana teo amin’ny fitsaboana” izy io, ary ‘mila hitovy amin’ny nahitana ny penisilinina, izay miady amin’ny bakteria, ny nahitana ny triptan mba hitsaboana aretin’andoha lava sy aretin’andoha mafy.’
Tsy mahafaty ny aretin’andoha lava. Tsy hoe mamonjy aina toy ny fanafody miady amin’ny bakteria àry ireo fanafody fitsaboana azy. Tena
nanamaivamaivana ny sasany amin’ireo nampijalin’io aretina io nandritra ny taona maro anefa ny triptan. Antsoin’ireo mparary andoha hoe fanafody mahagaga ny triptan, na dia mbola mila manao an’ireo zavatra sasany voalaza terỳ aloha aza izy ireo.Misy mahatsara sy maharatsy azy anefa ny fanafody rehetra. Inona no maharatsy ny triptan? Voalohany, lafo be ilay izy ka mazàna no natao ho an’ireo efa marary be ihany. Tsy ny olona rehetra koa no sitran’izy io, ary misy olona tsy tsara mampiasa azy io na tsy tokony hampiasa mihitsy, noho ny fahasalamany. Tsy misy fitsaboana tena mahasitrana ny aretin’andoha lava. Hoy ihany anefa ny Fitsaboana Vonjimaika: “Tsy voatery hijaly intsony ireo mparary andoha, satria efa misy fanafody vaovao sy nohatsaraina natao hitsaboana azy ireo.”
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 14 Tsy mampirisika ny olona hanaraka fitsaboana manokana ny Mifohaza! Ny tsirairay no hamantatra izay fitsaboana mety aminy.
[Sary, pejy 23]
Afaka namantatra izay sakafo na toe-javatra mahatonga an’ilay aretina ny sasany, satria nanoratra diary
[Sary, pejy 23]
Anisan’ny mankarary andoha lava ny adin-tsaina. Mampihena azy io ny fihainoana mozika malefaka
[Sary, pejy 23]
Nolovana ny aretin’andoha lava ary tsy ahavitan-javatra, nefa matetika no azo tsaboina