Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Itiavan’ny Olona ny Asan’ny Maizina?

Inona no Itiavan’ny Olona ny Asan’ny Maizina?

Inona no Itiavan’ny Olona ny Asan’ny Maizina?

MIANKINA betsaka amin’ny faritra misy ny olona iray sy ny fivavahany ary ny kolontsainy no hamaliany an’io fanontaniana io. Mety ho iray amin’ireto, ohatra, no itiavan’ny atỳ amintsika ny asan’ny maizina.

Te hahafanta-javatra Feno zavatra tsy fantatra ny asan’ny maizina, nefa efa toetran’ny olombelona ny hoe te hahafanta-javatra. Misy àry te hahalala raha misy hery miafina hanaovana asan’ny maizina. Ny hafa mijery tononandro mba hahitana raha marina ny voalazany. Misy koa mifandray amin’ny maty na manatona mpilaza ny hoavy.

Fialam-boly Nihabetsaka tato ho ato ny fialam-boly ahitana asan’ny maizina sy finoanoam-poanan’ny mpanompo sampy fahiny. Anisan’izany ny boky sy filma ary lalao video. Ahitana herisetra sy olona manao firaisana koa ny sasany amin’ireny.

Manahy ny amin’ny hoavy Hoy ny Baiboly: “Amin’ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina.” (2 Timoty 3:1) Sarotra tokoa izao ny fiainana ka maro no mitady tari-dalana amin’ny mpanao asan’ny maizina, toy ny mpanandro, mpamoha angatra, mpamantatra soritra amin’ny tanana, mpilaza ny hoavy, mpanao ody, ary mpisikidy. Hoy ny lehilahy iray mpanao asan’ny maizina: “Anisan’ireo asa vitsivitsy tsy andairan’ny krizy izy io. Matetika ny olona no tsy manatona anay raha milamina ny fiainany.” Hoy koa ny vehivavy iray mpilaza ny hoavy, any Kanada: “Misy mpandraharaha matihanina miantso ahy tampoka amin’ny telefaonin’ny fiasany na amin’ny findainy ary mibitsibitsika. ... Mazàna no tsy nino na tsy dia tia nanatona mpanao asan’ny maizina izy ireny taloha.”

Aretina Fanao any amin’ny tany sasany ny manatona mpanasitrana mampiasa herin’ny maizina, rehefa marary mafy ka tsy sitran’ny dokotera. Mety holazaina fa noho ny ozona na mosavy ilay aretina. Mandoa vola be ny havana na naman’ilay marary mba hanalan’ny mpanao ody an’ilay mosavy.

Te ho voaro sy ho tsara vintana Manakarama “mpaminany” avy amin’ny fiangonana mpanao fahagagana ny olona sasany atsy Afrika mba handroahana demonia. Anisan’ny fombafomba atao ny misotro “rano voahasina.” Ny any amin’ny faritra hafa kosa mangata-pitahiana amin’ny mpanao asan’ny maizina rehefa hanao trano na fasana.

Te hiaro zanaka Matahotra ny hivoaka avy ao an-trano miaraka amin-janany ny vehivavy any Papouasie-Nouvelle-Guinée rehefa alina, sao hanisy ratsy ny zanany ny fanahy ratsy. Zatra mamatotra kofehy eo amin’ny hatotongotra na hatotanan’ny zanany kely ny reny any Ogandà mba hiarovana azy. Mety hasiany akorandriaka na zavatra hafa eo amin’ilay kofehy.

Fahafatesan’ny havan-tiana Namoy ny zanany lahy, ny rahalahiny, ny zaodahiny, ary ny zanak’anabaviny ilay mpanoratra anglisy atao hoe Conan Doyle, tamin’ny Ady Lehibe I. Very hevitra izy sy ny vadiny sady namoy fo ka nanatona mpanao asan’ny maizina, satria nanantena fa ho afaka hiresaka amin-janany efa maty. Maro koa no manao toy izany ankehitriny. Misy fivavahan-drazana sy Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina mampianatra fa vokatry ny zava-dratsy ataon’ny fanahy tezitra ny fahafatesana. Manao fombafomba andaniam-bola be àry ny olona mba tsy hisy olon-kafa ho faty.

Tahotra ny maty Misy vokany lalina eo amin’ny olona ny zavatra inoany momba ny maty. Manao fombafomba samihafa àry ny olona any amin’ny tany maro, mba hampitonena ny maty na mba “hanaporofoana” ny fitiavany azy. Misy aza mandratra tena mihitsy. Terena hiakanjo mainty ny olona maty vady any amin’ny nosy sasany any Pasifika, ary asaina misaona mandritra ny volana maromaro, ka mihidy an-trano sady tsy mahazo mihinana ny sakafo tian’ilay maty. Mety ho kivy be, hararin’ny hanoanana, na ho faty mihitsy izy ireny.

Maro àry ny zavatra mamitaka ny olona ka itiavany ny asan’ny maizina. Tena ilaina ny mahalala hoe iza marina no ifandraisan’ireo manao ny asan’ny maizina. Manazava izany ny Baiboly.