Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Marina Momba ny Asan’ny Maizina

Ny Marina Momba ny Asan’ny Maizina

Ny Marina Momba ny Asan’ny Maizina

HOY ny Baiboly momba ny Mpamorona: “Andriamanitra dia fahazavana, ka tsy ao anatin’ny haizina mihitsy izay tafaray aminy.” (1 Jaona 1:5) Mety ho avy amin’ilay tena Andriamanitra àry ve ny asan’ny maizina? Sa avy amin’ny hery ratsy iray?

Karazana asan’ny maizina tena be mpanao ny sikidy sy ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy, toy ny fanandroana, fandinihana ny hevitry ny tarehimarika, fahaiza-mamaky ny soritra amin’ny tanana, fanaovana ody ratsy, ary ny fifandraisana amin’ny “maty” sy ny famosaviana. Efa hatrany Babylona fahiny no nisian’ny ankamaroan’ireo fanao ireo, ary sisan-javatra eo amin’ny faritra misy an’i Irak sisa izao i Babylona. (Isaia 47:1, 12, 13) Avy tao Babylona àry no nipoiran’ny fanaovana ny asan’ny maizina. Niparitaka eran’ireo firenena fahiny izany, ka lasa raiki-tampisaka any amin’ny kolontsaina maro.

Eritrereto ny zava-nitranga tao Filipy, tany Makedonia fahiny. Nahita ankizivavy mpanao asan’ny maizina ny apostoly Paoly sy Lioka dokotera ary ny Kristianina hafa. Avy aiza ny hery nanaovan’ilay ankizivavy ny asan’ny maizina? Mariho izay nosoratan’i Lioka: “Nifanena taminay ny mpanompovavy anankiray nisy fanahy ratsy, izany hoe nisy demonia mpilaza ny hoavy. Nahay naminany io mpanompovavy io ka nahazo tombony be avy tamin’izany ny tompony.”—Asan’ny Apostoly 16:16-18.

Tsy avy amin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, tokoa ny herin’ilay ankizivavy fa avy amin’ny demonia, na fanahy ratsy. Tsy nety nihaino azy àry i Paoly sy ireo namany. Fa iza moa ireo demonia, ary avy aiza izy ireo? Diniho indray izay lazain’ny Baiboly.

Iza moa ireo demonia?

Namorona anjely manan-tsaina maro tany an-danitra i Jehovah, ela be talohan’ny namoronany ny olombelona. Antsoina hoe “zanak’Andriamanitra” izy ireo. (Joba 38:4, 7) Nanan-tsafidy izy ireo, toy ny olona ihany. Tsy nivadika tamin’Andriamanitra mihitsy izy ireo. Niova tampoka anefa izany.

Tsy tokony hivavahana ny anjely, nefa nisy anjely iray naniry mafy ny hivavahana, rehefa avy namorona ny olombelona Andriamanitra. Nampiasa bibilava io anjely ratsy io, ary notaominy tsy hankatò ny Mpamorona i Eva, ilay vehivavy voalohany. (Genesisy 3:1-6) Antsoin’ny Baiboly hoe “menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana” io anjely mpikomy io. (Apokalypsy 12:9) Nolazain’i Jesosy hoe ‘mpamono olona tsy nifikitra tamin’ny marina’ izy io. Hoy ihany izy: “Rehefa mandainga izy, dia ny maha izy azy no avoakany, satria mpandainga izy sady rain’ny lainga.”—Jaona 8:44.

Nisy “zanak’Andriamanitra” hafa koa niara-nikomy tamin’i Satana, tatỳ aoriana. (Genesisy 6:1, 2) Nantsoina hoe “anjely nanota” izy ireo, ary “tsy nitana ny toerany tany am-boalohany, fa nandao ny fonenana sahaza azy”, izany hoe ny lanitra. (2 Petera 2:4; Joda 6) Lasa nantsoina hoe demonia izy ireo. (Jakoba 2:19) Tapa-kevitra ny hitaona olona betsaka araka izay azony atao mba hiala amin’ny fivavahana marina izy ireo, toy ny nataony tamin’ny Israelita maro fahiny. (Deoteronomia 32:16, 17) Fetsy koa i Satana sy ireo demonia ankehitriny, ka mampiasa ny fivavahana mba hampianarana zavatra diso.—2 Korintianina 11:14, 15.

Arovy ny tenanao!

Mahery noho ny olombelona ny fanahy ratsy, nefa afaka ‘manohitra’ sy mandresy azy isika, raha ampian’Andriamanitra. (1 Petera 5:9) Mila mianatra sy mampihatra an’izay takiny anefa isika raha te hampiany. Hoy ny apostoly Paoly, momba ny Kristianina tamin’ny androny: “Tsy nitsahatra nivavaka sy nangataka ho anareo [izahay], mba hofenoina fahalalana marina tsara ny sitrapony ianareo ka hanana ny fahendrena rehetra ary hahatakatra izay tiana hambara, noho ny fanampian’ny fanahy. Amin’izay dia handeha mendrika an’i Jehovah ianareo mba hankasitrahany tanteraka anareo.”—Kolosianina 1:9, 10.

Anisan’ny nahazo “fahalalana marina tsara” ny olona maro zatra nampiasa herin’ny maizina, tany Efesosy. Inona no vokatr’io fahalalana io teo amin’izy ireo? Hoy ny Baiboly: “Maro tamin’ireo zatra nampiasa herin’ny maizina no nanangona ny bokiny ka nandoro izany teo anatrehan’ny rehetra.” “Farantsa volafotsy dimy alina” no tokom-bidin’ireo boky ireo, ary vola be tokoa izany. (Asan’ny Apostoly 19:17-19) Nosoratana mba hahasoa antsika io ohatra tsara io.—2 Timoty 3:16.

Toro lalana miaro antsika

Misy zavatra hafa koa manampy antsika hiaro tena amin’ny demonia. Diniho ireto toro lalan’ny Baiboly ireto:

“Aza mino izay fanambarana rehetra avy amin’ny fanahy, fa fantaro aloha raha avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ireny fanambarana ireny na tsia.” (1 Jaona 4:1) Fantaro àry aloha izay lazain’ny fivavahana, ka ampitahao amin’izay lazain’ny Baiboly. (Asan’ny Apostoly 17:11) Mety ho marina anefa ny teny sasany lazain’ny mpanandro, ny mpamantatra ny hoavy, ny mpamoha angatra, ary ny mpanasitrana. Marina, ohatra, ny tenin’ilay ankizivavy nisy fanahy ratsy tany Filipy, rehefa nilaza momba an’i Paoly sy ny namany izy hoe: “Mpanompon’ilay Andriamanitra Avo Indrindra ireo lehilahy ireo, ary mitory aminareo ny lalan’ny famonjena.” (Asan’ny Apostoly 16:17) Tsy navelan-dry Paoly hanaraka azy ireo anefa izy. Nasain’i Paoly nivoaka kosa ilay fanahy ratsy.

“Koa maneke an’Andriamanitra, fa tohero kosa ny Devoly, dia handositra anareo izy.” (Jakoba 4:7) Fahavalon’Andriamanitra ny demonia, ary fahavalonao koa. Aza mitady hahafantatra an’ireo fanao ratsiny. Maneke kosa an’Andriamanitra ka ankatoavy ny didiny feno fitiavana, izay tsy mavesatra. (1 Jaona 5:3) Hoy, ohatra, Andriamanitra tamin’ny firenen’Israely fahiny: ‘Aoka tsy hisy eo aminao ny olona manao sikidy, na mampiasa herin’ny maizina, na mitady fambara, na mpilalao ody, na mpilaza ozona famosaviana, na olona mankany amin’ny mpamoha angatra na mankany amin’ny mpilaza ny hoavy, na olona manontany amin’ny maty. Maharikoriko an’i Jehovah mantsy izay rehetra manao ireo zavatra ireo.’ (Deoteronomia 18:10-12) Tsy miova ny hevitr’Andriamanitra momba izany.—Galatianina 5:19, 20.

“Tsy misy heriny eo [amin’ny mpanompon’i Jehovah] ny ozona famosaviana.” (Nomery 23:23) Tsy tokony hatahotra an’ireo demonia izay rehetra te hampifaly an’Andriamanitra. “Mangovitra” eo anoloan’Andriamanitra mihitsy aza ireny fanahy ratsy ireny, satria fantany ny hery lehibe ananan’Andriamanitra handringanana azy ireo. (Jakoba 2:19) ‘Haneho ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo’ Andriamanitra, ary “tsy havelany hangozohozo mihitsy ny olo-marina.”—2 Tantara 16:9; Salamo 55:22.

“Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona.” (Mpitoriteny 9:5) Milaza ny Tenin’Andriamanitra fa rehefa maty ny olona dia maty. Tsy tokony hatahorana ny maty, satria tsy afaka manisy ratsy an’iza na iza. (Isaia 26:14) Mba hamitahana ny olona, dia mody miseho ho olona efa maty ireo demonia indraindray. Izany angamba no mahatonga ny “angatry” ny olona tsara fanahy ho hita hoe toa tsy mitovy amin’ilay olona.

“Tsy afaka ny hihinana amin’ny ‘latabatr’i Jehovah’ sy ny latabatry ny demonia ianareo.” (1 Korintianina 10:21, 22) Manalavitra an’ireo boky sy filma ary lalao video ahitana asan’ny maizina na manindrahindra ny fanaovana sy ny finoana azy io, ireo rehetra tena tia an’i Jehovah. * Hoy ny Salamo 101:3: “Tsy hamela zava-poana ho eo anoloan’ny masoko aho.” Matetika koa no manindrahindra herisetra sy fitondran-tena maloto ny fialam-boly misy asan’ny maizina. Manalavitra an’ireo anefa “izay tia an’i Jehovah.”—Salamo 97:10.

Niezaka nanafina ny tena maha izy azy foana ny demonia. Tsy tena vitan’izy ireo anefa izany. Ahariharin’i Jehovah ao amin’ny Baiboly mantsy ny tena maha izy azy ireo, dia ny hoe mpandainga ratsy fanahy sy lozabe sady fahavalon’ny olombelona izy ireo. Tena tsy toy izany i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona antsika. Asehon’ny lahatsoratra manaraka fa tiany isika, ary ilazany ny marina foana, sady tiany ho sambatra sy hiaina mandrakizay.—Jaona 3:16; 17:17.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 19 Miankina amin’ny fivavahan’ny olona iray tany aloha sy ny fahamatorany ny feon’ny fieritreretany. Ny zava-dehibe dia hoe manana feon’ny fieritreretana madio eo anatrehan’Andriamanitra foana ny olona iray sady tsy manafintohina ny hafa, anisan’izany ny fianakaviany. Hoy ny Romanina 14:10, 12: “Samy hijoro eo anatrehan’ny fitsaran’Andriamanitra isika rehetra.”