Tena Mahafa-po Ahy ny Fiainako
Tena Mahafa-po Ahy ny Fiainako
Notantarain’i Herawati Neuhardt
Teraka tao Cirebon, eto Indonezia aho. Mampahalaza an’io tanàna io ny fitafiana voahaingo sarisary marevaka nataon-tanana. Toy ireny sarisary ireny ny fiainako satria misionera aho, ary nihaona tamin’ny olona samihafa kolontsaina atỳ Azia Atsimoatsinanana sy Pasifika Atsimo. Andraso fa hotantaraiko izany.
NANOMBOKA nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Neny tamin’ny 1962, tamin’izaho folo taona. Tatỳ aoriana, dia lasa Vavolombelon’i Jehovah izy sy Dada sy ny dimy amin’ny zanany, anisan’izany aho. Sinoa teraka teto Indonezia i Dada sy Neny.
Matetika no nipetraka tao aminay ny misionera sy mpiandraikitra mpitety faritany rehefa nitsidika ny fiangonanay. Nisy vokany be teo amiko ny modelin’izy ireo sy ny resaka mampahery nifanaovanay. Nanomboka nitory manontolo andro aho, tamin’izaho 19 taona. Herintaona teo ho eo taorian’izay, dia nanambady an’i Josef Neuhardt, misionera alemà, aho. Tonga teto Indonezia izy tamin’ny 1968. Nifindra tany Sumatra izahay taorian’ny volan-tantelinay. Io no nosy faharoa lehibe indrindra amin’ireo nosy 17 000 mahery eto Indonezia. Mpiandraikitra mpitety faritany i Josef ka nitsidika fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary niaraka taminy aho.
Nitory tany Sumatra
Nanomboka teo Padang, tanàna mafana sy maresaka any Sumatra Andrefana, ka hatrany amin’ny Farihin’i Toba, ilay farihy volkanika lehibe sy tsara tarehy any amin’ny faritra avon’i Sumatra Avaratra, ny faritra notsidihinay. Voatendry tany atsimo koa izahay tatỳ aoriana. Nandeha foana izahay ary nitondra an’ilay fiarakely Volkswagen tranainy, ka namakivaky lalana be lavadavaka tany anaty ala, sy tetezana nangozohozo vita tamin’ny voaniho, ary nandalo volkano matory sy mbola velona. Natory tamin’ny tany tao anaty trano bozaka izahay, ary tsy nisy jiro na fantson-drano na efitra fandroana. Teny amin’ny farihy sy renirano izahay no nisasa. Tsotra ny fiainanay ary tianay ny olona. Nandray tsara sy nanome sakafo anay ry zareo, ary maro no liana tamin’ny Baiboly.
Mponina manodidina an’i Padang ny Minangkabau, ary Silamo ny ankamaroany. Gaga Deoteronomia 6:4) Maro no faly nandray gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ary nisy nandroso tsara. Mipetraka any amin’ny Farihin’i Toba kosa ny Batak, ary mitonona ho Kristianina ny ankamaroany. Fantatr’izy ireo ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah satria ahitana azy io ny Baiboliny. (Salamo 83:18) Nila nohazavaina tamin’izy ireo bebe kokoa anefa ny momba an’Andriamanitra sy ny fikasany momba ny olombelona. Maro no nanaiky hianatra Baiboly ka lasa Kristianina mazoto mitory.
izy ireo sady faly rehefa nasehonay avy tao amin’ny Baiboly hoe tokana Andriamanitra, fa tsy telo izay iray araka ny lazain’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. (Nitory tany Java
Notendrena hankany Java izahay sy Josef tamin’ny 1973. Antsasak’i Grande-Bretagne ny velaran’io nosy io, ary nisy mponina 80 tapitrisa mahery. * Nitorianay ny vaovao tsara ny Sinoa sy ny mponin’i Java ary ireo mponina tany andrefany.
Notezaina tamin’ny kolontsaina sinoa sy indonezianina aho ka mahay fiteny maromaro, anisan’izany ny javaney, indonezianina, anglisy, ary ny fitenin’ny mponina any andrefan’i Java. Maro àry ny olona azoko niresahana ny Baiboly, tamin’ny fitenin-drazany.
Nisy ankizivavy 19 taona kivy be tany Jakarta, renivohitr’i Indonezia. Noresahiko taminy ny fampanantenana fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa an-tany. Nitomany izy rehefa novakiko ny Baiboly. Nisaotsaotra be ahy tamim-pitiavana sy tamim-panajana izy. Hoy izy avy eo: “Mbola mila 1,5 tapitrisa roupies [320 000 ariary eo ho eo] aho rahampitso handoavako saram-pianarana eny amin’ny oniversite. Efa nieritreritra ny hivaro-tena aho nefa mbola virjiny. Nivavaka aho mba hahazo tari-dalana, ary tonga ianao. Fantatro izao ny tokony hataoko. Tapa-kevitra ny hampandefitra ny fianarako aho aloha ary tsy haloto fitondran-tena mihitsy.” Faly be io ankizivavy io fa nahazo fanampiana ara-panahy hafa.
Maro koa ny Javaney nampifanaraka ny fiainany tamin’ny fitsipika mahasoa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, anisan’izany ireo tany andrefan’i Java sy ny Sinoa. Lasa nilamin-tsaina sy sambatra izy ireo, araka ny nampanantenain’Andriamanitra.—Isaia 48:17, 18.
Ireo Dayak any Kalimantan
Avy tao Java izahay sy Josef no nifindra tany Kalimantan, any amin’ny faritr’i Bornéo, ilay
nosy fahatelo lehibe indrindra eran-tany (aorian’i Groenlandy sy Nouvelle-Guinée). Feno ala matevina sy tendrombohitra mikitoantoana ary renirano mahery any Bornéo, sady fonenan’ny Sinoa sy ny Malezianina silamo ary ny Dayak. Mponina an-drenirano ny Dayak ary lozabe sy mpanapaka lohan’olona, fahiny.Matetika izahay no mandeha sambo na lakana, manaraka ny moron’ny ala mbola tsy nisy nitrandraka, mba hahatongavana any amin’ireo Dayak mipetraka lavitra. Mitanina andro eny amoron-drano eny ny voay goavam-be, mitazana anay avy eny ambony hazo ny gidro, ary mampideradera ny volony maro loko ny vorona. Mahafinaritra tokoa ny asan’ny misionera!
Mipetraka amin’ny trano falafa misy tongony ny ankamaroan’ny Dayak. Kely ny trano sasany, fa lavalava be kosa ny hafa, ary misy fianakaviana maromaro. Maro no mbola tsy nahita Eoropeanina, ka tena nalaza i Josef. Mihazakazaka ny ankizikely ary miantsoantso hoe: “Pasitera! Pasitera!” Mitangorona hihaino an’ilay mpitory fotsy hoditra ny rehetra avy eo. Nisy Vavolombelona teo an-toerana nandika ny tenin’i Josef, ary izy ireo avy eo no niara-nianatra Baiboly tamin’ireo olona liana maro be.
Nankany Papouasie-Nouvelle-Guinée
Lasa nanohitra be ny mpitondra fivavahana ka noraran’ny fitondram-panjakana indonezianina ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny Desambra 1976. Notendrena ho any Papouasie-Nouvelle-Guinée àry izahay sy Josef.
Nianatra fiteny hiri motu nandritra ny roa volana izahay, rehefa tonga tany Port Moresby renivohitra. Io no fiteny fampiasan’ny mpivarotra teo an-toerana. Nifindra tany Daru, nosy kely any amin’ny sisiny andrefana izahay, avy eo. Tany no nihaonako tamin’i Eunice, vehivavy vaventy sy matanjaka ary be fitiavana. Mena mainty ny nifiny, noho ny fitsakoana voan-javatra mahadomelina nandritra ny taona maro. Nianaran’i Eunice fa tian’Andriamanitra hadio sy ho tsara fitondran-tena ary hifandray tsara aminy ny mpanompony. Nialan’i Eunice àry ilay fahazarana nanandevo azy, ary lasa Kristianina tsy mivadika izy. (2 Korintianina 7:1) Isaky ny mahita olona manetry tena mampihatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly izahay, dia vao mainka azonay ilay voalazan’ny Salamo 34:8 hoe: “Andramo ka jereo fa tsara i Jehovah.”
Lasa mpiandraikitra mpitety faritany indray i Josef ary efa ho ny faritra rehetra tany Papouasie-Nouvelle-Guinée no notsidihinay. Misy fiteny 820 eo ho eo any. Nianatra ny teny tok pisin izahay, mba hahafahanay miresaka amin’olona maro kokoa. Io no fiteny itambarana any. Nandeha an-tongotra izahay, nandeha fiara, sambo, lakana, ary fiaramanidina kely, mba hahatongavana tany amin’ireo tanàna lehibe sy kely. Niaritra hafanam-be sy moka izahay, ary matetika no voan’ny tazomoka.
Notendrena ho misionera tany amin’ny Nosy Salomon, any atsinanan’i Papouasie-Nouvelle-Guinée, koa izahay tamin’ny 1985. Niasa tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay, ary nitety an’ilay vondronosy mba hampahery fiangonana sy hanatrika fivoriambe. Tsy maintsy nianatra fiteny vaovao indray izahay, dia ny fiteny pidgin tany amin’ny Nosy Salomon. Tena nahafinaritra ny niresaka momba ny Baiboly tamin’ireo mponin’ilay nosy.
Ny nangidy indrindra tamiko
Tsy voarara intsony ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tatỳ Indonezia, tamin’ny 2001, ka niverina teto Jakarta izahay sy Josef. Hita anefa fa voan’ny kanseran’ny hoditra ny vady malalako, tsy ela taorian’izay. Nankany Alemaina tanindrazany izahay mba hitsabo azy. Nampalahelo fa maty tamin’ny 2005 izy, teo amin’ny faha-62 taonany, 33 taona katroka taorian’ny nivadianay. Manantena ny hatsangana ho ao amin’ny tontolo vaovao lasa Paradisa izy. (Jaona 11:11-14) Nanompo manontolo andro nandritra ny 40 taona izy.
Mbola misionera eto Jakarta aho, ary malahelo be an’ilay vadiko. Variana mampianatra ny fahamarinana sarobidy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra anefa aho, ary manampy ahy izany. Tena mahafa-po sy manampy ahy hanana tanjona ny fanompoana. Afaka milaza tokoa aho hoe nataon’i Jehovah tena misy dikany sy mahafa-po ny fiainako!
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 10 Mihoatra ny 120 tapitrisa izao ny mponin’i Java.
[Sarintany, pejy 25]
(Jereo ny gazety)
INDONEZIA
Java
JAKARTA
Cirebon
Sumatra
Padang
Farihin’i Toba
Bornéo
PAPOUASIE-NOUVELLE-GUINÉE
PORT MORESBY
Daru
NOSY SALOMON
[Sary, pejy 26]
Herawati sy ny olona ampianariny Baiboly, Nosy Salomon
[Sary, pejy 26]
Izahay sy Josef tany Holandy, taloha kelin’ny nahafatesany tamin’ny 2005