Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Ampahefany latsaka amin’ny Alemà tsy ampy 40 taona no manaiky fa ilaina ny miara-mivavaka amin’ny ankizy isan’andro. Mpivavaka 4 isaky ny 10 monja no mihevitra an’izany ho zava-dehibe.—APOTHEKEN UMSCHAU, ALEMAINA.

Tsy hita hoe niova ny fototarazon’ny lehilahy iray mpanome tsirilahy. Misy ifandraisany amin’ny aretim-po ilay fiovana ary nifindra tamin’ny ankizy 9 amin’ireo 24 fantatra ho zanany. Maty ny iray taminy rehefa roa taona.—JAMA, ETAZONIA.

“Maherin’ny antsasaky ny Rosianina no mino fa tsy azo ialana ny kolikoly ary efa misy foana.”—RIA NOVOSTI, ROSIA.

Zara Raha Manana Namana Akaiky

Hoy ny Daily Telegraph any Londres: “Tsy manana namana azo itokisana afa-tsy telo ny Anglisy, amin’ny ankapobeny.” Hita tamin’ny fandinihana iray fa very “namana 36 eo ho eo” ny olona iray, satria “rotoroto lava ny fiainana” na ‘tafasaraka fotsiny’ izy ireo. Antsasany latsaka kely amin’ireo nanontaniana koa no nilaza fa “niady tamin’ny namany ary tsy nifampiresaka taminy intsony.” Efa ho ny ampahadiminy no milaza ny tsiambaratelony amin’ny mpiara-miasa aminy, satria “tsy misy olon-kafa azony iresahana.” Hoy ny iray tamin’ireo mpanadihady: “Tsy mora ny ho lasa namana azo itokisana sy azo ianteherana.”

Sambo Mpitatitra Zava-mahadomelina

Mampiditra kôkainina an-tsokosoko any Amerika Afovoany sy Meksika ary Etazonia ireo Kolombianina mpivarotra zava-mahadomelina. Miha arifomba hatrany ny fitaovana ampiasain’izy ireo. Sambo mpisitrika 42, fara fahakeliny, no tratra sy nohazonin’ny manam-pahefana kolombianina, nanomboka tamin’ny 1993. Maro amin’ny toerana fanamboarana azy ireny koa no tratra. Tsy afaka milentika tanteraka ireny sambo ireny, nefa tsy mora hitan’ny radara. Mahavita hatramin’ny 3 200 kilaometatra ny sasany aminy vao lany solika ary mahazaka kôkainina enina ka hatramin’ny folo taonina. Mety hitentina hatramin’ny iray tapitrisa dolara amerikanina ny iray aminy.

Mahasoa ny Mpianakavy ny Miara-misakafo

Nisy Failandey 14 ka hatramin’ny 16 taona nadinadinina vao haingana. Hita fa ny antsasany latsaka no miara-misakafo amin’ny fianakaviany, ary tsy misy sakafo aroso akory any amin’ny tokantrano maro. Tena tian’ny tanora anefa ireny fotoana iarahany tsy tapaka amin’ny fianakaviany ireny. Nanontaniana azy ireo izay tiany homen’ny ray aman-dreniny azy, ary nazava ny valiny: “Sakafo mafana sy fiarahan’ny mpianakavy misakafo ary olona mihaino azy sy manokana fotoana iarahana aminy”, hoy ny gazety Helsingin Sanomat. Misy vokany lehibe eo amin’ny sain’ny ankizy ny fiarahan’ny mpianakavy misakafo. Resahin’ilay lahatsoratra fa mazàna ny ankizy manao izany no “mahay any am-pianarana, mahalana vao mifoka sigara na misotro toaka na mampiasa zava-mahadomelina, ary tsy kivy matetika.”