Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy hoe Mbola Kely Loatra Izy Ireo

Tsy hoe Mbola Kely Loatra Izy Ireo

Tsy hoe Mbola Kely Loatra Izy Ireo

● Izany no nosoratan’ny reny iray any Kalifornia, Etazonia, mifandray amin’ny hevitra iray ao amin’ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Hoy izy: “Nozahan’ny dokoterany i Javan, zanakay lahy telo taona, tamin’ny herinandro. Nanontaniany izahay mivady raha efa niresaka tamin’i Javan momba ny faritra mahamenatra amin’ny vatana. Faly be aho niresaka tamin’ilay dokotera momba ny boky Mpampianatra Lehibe, izay manazava fa tsy azon’olon-kafa kitikitihina ny faritra mahamenatra amin’ny vatana. Nampiaiky volana an’ilay dokotera ny hoe niresaka an’izany izahay.”

Hoy ihany ilay reny: “Faran’izay tsara ny fomba anazavan’ilay boky an’ireo hevitra ireo.” Ilay toko hoe “Ahoana no Niarovana An’i Jesosy?” no tiany horesahina. Resahin’io toko io ny fomba niarovan’ny Rainy any an-danitra an’i Jesosy Zanany mba tsy hovonoin’i Heroda Mpanjaka ratsy fanahy, tamin’i Jesosy mbola kely ka tsy afaka niaro tena. (Matio 2:7-23) Asehon’ilay boky avy eo hoe ahoana no ampianarana ny ankizikely hiaro tena raha misy mitady hametaveta azy.

Mitovy velarana amin’ity gazety ity io boky 256 pejy io ary feno sary tsara tarehy. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy 5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso an’ilay boky aseho eto aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.