Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Fifohana Sigara?

Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Fifohana Sigara?

Manontany ny Tanora Hoe...

Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Fifohana Sigara?

Asio ✔ izay hitanao hoe mahakasika anao amin’ireto:

□ Te hanandranandrana aho

□ Miady saina aho

□ Te ho eken’ny hafa aho

□ Tsy te hatavy aho

MITOVY amin’ny ankizy hafa mifoka sigara na vao mitady hifoka ianao, raha nisy nomarihinao tamin’ireo. * Ohatra:

Manandranandrana. “Tiako ho fantatra hoe ahoana izany mifoka sigara izany, ka nalaiko ny sigara nomen’ny mpiara-mianatra tamiko, ary nofohiko mangingina.”—Tracy.

Miady saina sy te ho eken’ny hafa. “Nilaza ny ankizy tany am-pianarana fa mahavita miatrika olana izy ireo rehefa avy mifoka sigara. Izany mihitsy no nilaiko rehefa niady saina aho.”—Nikki.

Te hahia. “Mifoka ny ankizivavy sasany mba hahia foana. Mora lavitra noho ny mifadifady hanina izany.”—Samantha.

Mieritrereta kely anefa alohan’ny handrehetanao sigara, na vao hifoka ianao na efa mpifoka. Aza manaiky ho toy ny trondro sodokan’ny jono, nefa ny aina avy eo no manefa. Araho kosa ny torohevitry ny Baiboly, ary ampiasao ny ‘fahaizanao misaina tsara.’—2 Petera 3:1.

Fantatrao ve ny tena marina?

Mariho hoe marina na diso ireto:

a. ․․․ Mampihena adin-tsaina ny sigara.

b. ․․․ Havoakako ny ankamaroan’ny setroka fohiko.

d. ․․․ Rehefa antitra aho vao hararin’ny sigara.

e. ․․․ Ho lasa tia ahy kokoa ny ankizilahy na ny ankizivavy raha mifoka aho.

f. ․․․ Izaho irery no ho voa raha mifoka.

g. ․․․ Tsy mampaninona an’Andriamanitra na mifoka aho na tsia.

Valiny

a. Mampihena adin-tsaina ny sigara.—Diso. Marina fa manamaivana vetivety ny fanirianao hifoka ny sigara. Hitan’ny mpahay siansa anefa fa mampitombo ny hormonina mahatonga adin-tsaina ny nikôtinina (poizin-tsigara).

b. Havoakako ny ankamaroan’ny setroka fohiko.—Diso. Asehon’ny fikarohana sasany fa maherin’ny 80 isan-jaton’ireo singa ao amin’ny setro-tsigara fohinao no mijanona ao amin’ny vatanao.

d. Rehefa antitra aho vao hararin’ny sigara.—Diso. Hanimba anao tsikelikely ny sigara tsirairay fohinao. Hisy vokany ratsy eo no ho eo koa anefa izany. Lasa andevozin’ny sigara ny olona sasany raha vao mifoka iray monja. Hihena ny rivotra tafiditra ao amin’ny havokavokao ary mety hikohaka lava ianao. Hiketrona aloha kokoa ny hoditrao. Atahorana tsy hiasa tsara ny taovam-pananahanao ary ho mora taitaitra sy kivy ianao.

e. Ho lasa tia ahy kokoa ny ankizilahy na ny ankizivavy raha mifoka aho.—Diso. Hitan’i Lloyd Johnston, mpikaroka, fa “tsy dia tian’ny ankamaroan’ny ankizilahy sy ankizivavy” ireo ankizy mifoka sigara.

f. Izaho irery no ho voa raha mifoka.—Diso. Mamono olona an’arivony isan-taona ny setroka avoakan’ny mpifoka sigara. Hisy vokany ratsy eo amin’ny fianakavianao sy ny namanao izany, ary na dia amin’ny biby namanao ao an-trano aza.

g. Tsy mampaninona an’Andriamanitra na mifoka aho na tsia.—Diso. Tsy maintsy manadio ny tenany amin’ny “zava-drehetra mandoto ny nofo” ireo te hampifaly an’Andriamanitra. (2 Korintianina 7:1) Mandoto ny vatana ny sigara. Tsy afaka ny ho naman’Andriamanitra ireo mifidy ny hifoka, satria mandoto sy manimba tena sady manimba ny hafa.—Matio 22:39; Galatianina 5:19-21.

Fomba hanoherana

Ahoana raha misy manome sigara anao? Ampy matetika ny teny tsotra nefa hentitra, toy ny hoe “Misaotra fa tsy mifoka aho.” Raha misy misisika na maneso anao, dia tadidio fa manan-tsafidy ianao. Afaka miteny ianao hoe:

● “Efa nandinika ny voka-dratsiny aho ka tsy te hifoka mihitsy.”

● “Misy zava-dehibe tiako hatao amin’ny hoavy ary mila miaina aho mba hanaovako an’izany.”

Mety ho ianao mihitsy anefa no te hifoka, toa an’ireo ankizy terỳ aloha. Tohero ny fanirianao ka mieritrereta fanontaniana toy ireto:

● Tena hahasoa ahy ve ilay izy? Raha ny ho eken’ny hafa fotsiny, ohatra, no hifohako sigara, ho tian-dry zareo tokoa ve aho raha zavatra kely fotsiny no itovizako aminy? Tiako ve ny ho naman’ny olona faly mahita ahy manimba ny fahasalamako?

● Ohatrinona no ho laniko amin’ny sigara? Ary ahoana ny fahasalamako sy ny hajako?

● Sigara iray ve no hamoizako ny fifandraisako amin’Andriamanitra?

Ahoana anefa no hialanao raha efa voajono ianao, izany hoe efa andevozin’ny sigara?

Fomba ialana

1. Reseo lahatra ny tenanao. Ataovy lisitra ny antony hialanao ary jereo matetika. Handrisika anao, ohatra, ny faniriana hadio eo anatrehan’Andriamanitra.—Romanina 12:1; Efesianina 4:17-19.

2. Mitadiava fanampiana. Niafina foana ve ianao rehefa nifoka sigara? Teneno amin’izay ireo olona niafenanao hoe te hiala ianao, ary asaivo manampy anao izy ireo. Angataho koa ny fanampian’Andriamanitra raha te hanompo azy ianao.—1 Jaona 5:14.

3. Mamera daty ialana. Ataovy ao anatin’ny tapa-bolana na latsaka ilay daty, ary mariho eo amin’ny kalandrienao. Teneno ny havanao sy ny namanao hoe tsy hifoka intsony ianao manomboka amin’io.

4. Karohy ary poteho. Ataovy savahao ny tranonao sy ny fiaranao ary ny akanjonao, alohan’ilay daty. Poteho daholo izay sigara hitanao. Ario koa ny birike sy ny afokasoka ary ny fasiana tain-tsigara.

5. Tohero ny faniriana hifoka. Misotroa ranom-boankazo na rano betsaka, ary matoria bebe kokoa. Tadidio fa raha tsy mahazo aina ianao, dia handalo ihany izany. Haharitra kosa ny soa ho azonao.

6. Halaviro ny fakam-panahy. Halaviro ny toerana sy toe-javatra mety hitarika anao hifoka. Ilainao koa angamba ny misaraka amin’ireo namanao mpifoka.—Ohabolana 13:20.

7. Aza manamarin-tena. Aza mamita-tena amin’ny hoe “indray misintona fotsiny.” Matetika no miverina mifoka ny olona manao toy izany.—Jeremia 17:9.

Aza manaiky hofitahina

Mandany vola an’arivony tapitrisa isan-taona amin’ny dokam-barotra ireo orinasa mpanao sigara. Ahoana moa no tsy ahalalany hoe tanora maro no ho voafandriny ka ho lasa mpidoroka sigara mihitsy any aoriana?

Aza omena an’ireo mpanao sigara ny volanao. Aza manaiky ho voafandriny. Tsy mitady izay tena hahasoa anao, na izy ireo na ireo ankizy hafa mifoka. Aza mihaino azy ireo fa henoy kosa ny torohevitry ny Baiboly mba ‘hahitanao soa.’—Isaia 48:17.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Mahakasika an’ireo mihinana zava-mahadomelina koa ny olana sy loza voalaza ato, na dia ireo mifoka sigara aza no resahina ato.

[Efajoro/Sary, pejy 27]

NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO

“Raha misy manontany ahy hoe nahoana aho no tsy mifoka sigara, dia ilazako izy hoe: ‘Satria tsy tiako haloto ny havokavoko sady tsy te ho faty tanora aho.’”

“Mandà aho raha misy manome sigara ahy. Raha mitady hanery ahy izy, dia ilazako hoe: ‘Tsy avelanao hanana ny safidiko aho izany? Mampihomehy hoe amin’izao andro efa mandroso izao no mbola misy olona toy izany.’”

[Sary]

Benjamin

Heather

[Efajoro, pejy 28]

FANTATRAO VE?

Mety hampiditra nikôtinina betsaka kokoa ao amin’ny vatana ny zava-mahadomelina tsy fohina, toy ireo tsakoina. Mety hahavoan’ny kanseran’ny tenda sy vava izy ireny, satria misy zavatra simika 25 mahery mahatonga kansera.

[Efajoro, pejy 28]

ANONTANIO NY RAY AMAN-DRENINAO

Ho vonona kokoa handa ny fampirisihan’ny namanao ianao raha miomana. Maninona raha asaina manao fanazaran-tena miaraka aminao ny ray na ny reninao, mba hahaizanao mamaly an’izay manolotra sigara anao? Asaivo maka ny toeran’ilay olona manery anao hifoka izy. Misy soso-kevitra mety hanampy anao ao amin’ilay hoe “Inona no Hatao Raha Taomin’ny Ankizy Haditra?”, pejy 132 sy 133 amin’ny boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2.

[Sary, pejy 28]

Toy ny trondro voajono ny mpifoka sigara satria mahazo zavatra kely nefa ny ainy no manefa