Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Misaotra Nanoro Ahy Ray Be Fitiavana’

‘Misaotra Nanoro Ahy Ray Be Fitiavana’

‘Misaotra Nanoro Ahy Ray Be Fitiavana’

● Hoy ny ankizivavy 19 taona, any amin’ny faritra atsimon’i Etazonia: “Miangona foana izahay ary fantatro fa i Kristy no Mpamonjy. Natahorako foana anefa ny hodorana any amin’ny afobe mirehitra rehefa hitsara Andriamanitra. Novakiko avy eo ilay bokinareo hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

“Toko vitsy monja no voavakiko, dia efa nilamin-tsaina be aho. Toy ny nisy elefanta iray nesorina teo an-tratrako. Hay Andriamanitra be fitiavana sy tsara fanahy ary mamindra fo i Jehovah! Tiany hifandray aminy aho nefa tsy noho ny tahotra. Tsy andriko ny hahatongavan’ny alahady, satria hitsidika ny efitrano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Misaotra anareo nanoro ahy Ray be fitiavana, fa tsy Ray namorona afobe mirehitra.”

Miresaka hevi-dehibe hafa koa ny boky Ampianarina, anisan’izany ny momba ny maty, ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty, ny fomba hanatsarana ny fiainam-pianakaviana, ny momba an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy, ary ny antony amelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy 5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso an’ilay boky aseho eto aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.