Tiako ny Miandry Ondry
Tiako ny Miandry Ondry
Notantarain’i Alymbek Bekmanov
Telo taona aho dia efa niandry ondry, ary lasa tiako ny mikarakara ondry. Efa mpiandry ondry mahay aho, tamin’izaho 17 taona. Hafa mihitsy ny fiandrasana ondry nianarako tatỳ aoriana. Aleo hotantaraiko aminareo hoe nahoana no vao mainka nahafaly ahy izany.
TERAKA tamin’ny 1972 aho. Maro mianadahy izahay ary nipetraka tany Chyrpykty, teo amoron’ilay farihy tsara tarehy atao hoe Issyk Kul. Tia mitsidika ny manodidina an’io farihy io ny mpizaha tany atỳ Kirghizistan, izay anisan’ny Firaisana Sovietika taloha. Mipetraka atỳ Bichkek izao izahay sy Gulmira vadiko. Tokotokony ho 200 kilaometatra avy any amin’ilay tanàna nahalehibe ahy io renivohitr’i Kirghizistan io.
Ny ondry sy ny mpiandry azy
Entinay mankany an-tendrombohitra avo ny ondry rehefa lohataona, tamin’izaho mbola kely. Maherin’ny 3 000 metatra ny fiakarana andehananay, ary naharitra andro maro ny dia. Manivaka ny mpiandry ondry sasany ka tonga haingana any amin’ny kijana. Manaraka tevana sy hantsana anefa ny lalany ka maratra na maty mihitsy izay ondry sendra miala amin’ny andiany.
Matetika koa ireny lalana ireny no ahitana amboadia mampitahotra na mamely ny ondry, ka mampisaraka azy amin’ny andiany sy mamono azy. Aleon’ny dadatoanay àry lalana mora aleha kokoa sy tsy dia mampidi-doza, na dia mihoatra iray andro na mahery aza ny dia. Te handeha haingana aho indraindray nefa tsy avelany. Hoy izy: “Alymbek a! Ny ondry eritreretina fa tsy ny tenanao.”
Manamboatra vala vonjimaika any amin’ireo kijana tsara tarehy izahay mba hiarovana ny ondry mandritra ny alina. Matory maraina ny mpiandry ondry sasany ka efa miposaka ela ny masoandro vao avoakany hiraoka ahitra ny ondry. Mbola tsy misakafo akory ny ondry dia efa mafana ny andro.
Tsy ela dia mifanatona izy ireo ary mitanondrika sy misefosefo. Lasa malemilemy sy mahia izy ireo satria tsy voky tsara. Mifoha amin’ny efatra maraina kosa ny dadatoako, ka efa eny an-kijana ny ondriny rehefa miposaka ny masoandro. Afaka miraoka ahitra tsara àry izy ireo amin’ilay maraina misy tsio-drivotra mangatsiatsiaka iny. Marina ilay hoe: “Jereo ny ondry, dia ho fantatrao ny mpiandry azy.”
Maka aina ny ondry rehefa avy miraoka ahitra. Iny no fotoana tsara ijerena sy ikarakarana azy. Anisan’ny manahirana anay ireo lalitra manatody ao amin’ny foitran’ondry, ka mampivonto azy. Raha tsy hita mialoha izany, dia harary mafy ilay ondry ka mety hihataka amin’ny andiany ary ho faty. Nila ho isan’andro izahay no nijery azy ireo mba hahafahana mikarakara azy. Mitaky fotoana sy ezaka izany nefa mahasalama sy mahafaly an’ireo ondry.
Isainay isan-kariva izy ireo rehefa miverina ao am-bala. Ampandalovinay eo amin’ny fidirana tery, antonona ondry telo na efatra, izy ireo. An-jatony ny ondrinay, nefa lasa zatra izahay ka mahavita manisa ondry hatramin’ny 800, ao anatin’ny 15 na 20 minitra. Ilana fahazarana izany fa vitanay ihany.
Raha sendra tsy ampy ireo ondry, na iray monja aza, dia maka basy sy tehina i Dadatoa ary lasa mitady azy, na dia alina sy manorana aza ny andro. Miantsoantso mafy izy. Matahotra ny bibidia rehefa mandre azy, fa ilay ondry kosa mahazo toky erỳ.
Omenay anarana arakaraka ny bikany sy ny toetrany ny ondry rehetra. Hoatran’ny hoe misy ondry maditra foana isaky ny andian’ondry. Tsy te hankatò tsotra izao izy ireo. Mitady hanaraka azy ny ondry sasany indraindray. Miezaka mampiofana sy manitsy an’ireo maditra àry ny mpiandry. Avelany irery ao am-bala, ohatra, izy. Manaiky famaizana ihany ny sasany ka manaraka an’izay lazain’ny mpiandry. Eny am-bilianay kosa no iafaran’ny ondry maditra sy tsy laitra anarina.
Karazana fiandrasana hafa
Nianatra niady aho tamin’ny 1989 ary lasa nahay niady. Niditra tao amin’ny tafika sovietika aho, ny taona manaraka. Namorona fikambanana andian-jiolahy ireo namako niara-nianatra ady tamiko, tamin’izaho mbola miaramila tany Rosia. Nilazan’izy ireo aho rehefa tafaverina teto Kirghizistan fa hahazo an’izay tiako raha miaraka amin-dry zareo. Efa nifanerasera tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa aho, tamin’izay.
Novalian’ny Vavolombelona ny fanontaniana nampiady saina ahy hatramin’ny mbola kely, toy ny hoe nahoana no maty ny olona. Hay vokatry ny fahotan’i Adama, lehilahy voalohany, ny fahafatesana! (Romanina 5:12) Hitako tao amin’ny Baiboly koa fa naniraka an’i Jesosy Zanany hanavotra antsika i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ary ho afaka amin’ny fahotana nolovana isika raha mino an’i Jehovah sy ny Zanany. Ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany isika amin’izay, araka ny nokasain’Andriamanitra tamin’ny voalohany.—Salamo 37:11, 29; 83:18; Jaona 3:16, 36; 17:1-5; Apokalypsy 21:3, 4.
Tena mazava sy mitombina ny valiny ara-baiboly nomen’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka hoy aho: “Izany mihitsy no tokony ho izy!” Tsy te hiaraka tamin’ny namako taloha intsony aho. Imbetsaka izy ireo no niezaka nitarika ahy hiaraka taminy. Tena te hianatra sy hampihatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly anefa aho ka vitako ny nanda, ary lasa mpiandry ondry ara-panahy aho, tatỳ aoriana.
Nisy vehivavy malaza ho mpanasitrana, nitsidika matetika an’i Neny. Teo am-pitarihana fotoam-pivavahana ifandraisana amin’ny fanahy izy, indray andro, tamin’izaho niditra ny trano. Nilaza izy fa misy zavatra manokana ao amiko, ary nampirisika ahy haka ody fiaro tany amin’ny fiangonana silamo izy. Hanampy ahy, hono, ilay ody, ka hahay hanasitrana aho raha manao izany. Saika resy lahatra aho.
Nankany amin’ireo Vavolombelona nampianatra Baiboly ahy aho, ny ampitso, ary notantaraiko azy ireo izany. Nasehon’izy ireo avy tao amin’ny Baiboly fa tsy tian’i Jehovah ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy. (Deoteronomia 18:9-13) Nisy fotoana aho tsy nahita tory fa nohelingelenin’ny demonia. Nampianarin’ireo Vavolombelona momba ny vavaka mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah anefa aho ka tsy nanonofy ratsy intsony. Niaiky aho hoe i Jehovah no tena Mpiandry.
Nianarako hoe mpiandry ondry koa i Davida mpanoratra salamo, tamin’izy tanora. Nantsoiny hoe “Mpiandry ahy” i Jehovah, ary tiako be ny fiheverany azy. (Salamo 23:1-6) Antsoina hoe “mpiandry ondry” koa i Jesosy Zanak’i Jehovah, ary te hanahaka azy aho. (Hebreo 13:20) Nanokan-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa anaty rano àry aho tamin’ny fivoriambe iray tany Bichkek, tamin’ny voalohandohan’ny 1993.
Fivoriana niavaka
Maro tamin’ny havanay sy ny mpiray tanàna taminay no nanomboka niara-nianatra Baiboly. Olona 70 teo ho eo avy tao an-tanàna no nivory tany akaikin’ny Farihin’i Issyk Kul. Olona ambony teo an-tanàna ny havanay iray ary liana be. Nilaza izy fa handamina fivorian-dehibe hahafahanay hanazava an’ilay finoanay vaovao. Nampirisihin’ny mpitondra fivavahana hanohitra ny fitorianay anefa ny olona. Nanao tetika izy ireo mba hiadian’ny olona aminay mandritra ilay fivoriana.
Olona arivo teo ho eo no tonga, anisan’izany ny olona avy tany amin’ny tanàna telo tsy lavitra teo. Vitsivitsy ny Vavolombelona tonga, ary nanomboka nanazava ny zavatra inoanay ao amin’ny Baiboly ny iray. Tsy ampy dimy minitra akory, dia nisy olona iray niantso mafy ary nametraka fanontaniana mampahatezitra. Nanomboka ny fiampangana sy ny fampitahorana ka nisahotaka ny vahoaka ary nitady handratra anay.
Nitsangana niaro anay ny zokiko lahy, tamin’izay. Vao nanomboka nianatra Baiboly izy. Natahoran’ny olona izy satria mahay miady. Sahy nijoro teo anelanelanay sy ireo saika hamono anay izy, ka nisaraka tsy nisy naratra izahay rehetra. Maro tamin’ireo nanatrika teo no lasa Vavolombelona tatỳ aoriana. Misy mponina 1 000 eo ho eo izao ao amin’io tanàna io ary Vavolombelon’i Jehovah ny 50 mahery.
Nitia zanaka mpiandry ondry
Nahita an’i Gulmira, Vavolombelona avy any amin’ny tanàna iray eto Kirghizistan aho, volana vitsivitsy talohan’ilay fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Moscou, Rosia, tamin’ny Aogositra 1993. Mpiandry ondry
koa ry zareo. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona atao hoe Aksamy ny reniny, tamin’ny 1988, fony mbola voarara ny asan’ny Vavolombelona teto amin’ny Firaisana Sovietika. I Aksamy no Vavolombelon’i Jehovah voalohany teto Kirghizistan. Teo anelanelan’ny 1970 sy 1980 izany.Niara-nianatra Baiboly tamin’ny reniny koa i Gulmira. Natao batisa izy mianaka tamin’ny 1990. Tena tian’i Gulmira izay nianarany ka nitory manontolo andro izy.
Zara raha nahita an’i Gulmira aho nandritra ny roa taona, satria 160 kilaometatra ny elanelanay. Tapa-kevitra ny hifandray aminy bebe kokoa anefa aho ka nankany amin-dry zareo, tamin’ny Martsa 1995. Ankona aho nandre hoe handeha hanompo any amin’ny biraon’ny sampan’i Rosia izy ny ampitson’iny, any amin’ny 5 630 kilaometatra mahery.
Efa mpitory manontolo andro koa aho tamin’izay ary nianatra teny rosianina, satria mbola tsy nisy boky sy gazety tamin’ny teny kirghiz. Nifanoratra nandritra ny telo taona izahay sy Gulmira, ary nifanaraka hoe hampitovina ny famakiana Baiboly ataonay, mba hahafahanay hifampiresaka hevitra avy ao amin’ny Baiboly. Tao amin’ilay fiangonana voalohany miteny kirghiz, tao amin’ny tanànan’i Balikchi, aho tamin’izany.
Manompo an’i Jehovah miaraka amin’i Gulmira
Nanao vakansy tatỳ Kirghizistan i Gulmira tamin’ny 1998 ary nivady izahay. Nasaina nanompo tao amin’ny biraon’ny sampan’i Rosia niaraka taminy koa aho. Faly erỳ aho fa nianatra teny rosianina. Notendrena hiara-miasa tamin’ny ekipa mpandika boky sy gazety ara-baiboly ho amin’ny teny kirghiz aho, tatỳ aoriana. Nivavaka aho ary nangataka fahendrena sy faharetana tamin’i Jehovah. Mazava ho azy fa nanampy be ahy koa i Gulmira.
Nalefa teto Bichkek ny ekipanay tamin’ny 2004, ary notendrena ho anisan’ny komity miandraikitra ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah atỳ Kirghizistan aho. Nisy fiangonana fito miteny kirghiz teto tamin’izany ary 30 mahery ny fiangonana miteny rosianina nanerana an’i Rosia. Efa 20 mahery izao ny fiangonana miteny kirghiz ary maro ny antoko-mpitory miteny kirghiz. Ampahatelony mahery amin’ireo Vavolombelona 4 800 atỳ Kirghizistan izany.
Nanapa-kevitra ny hianatra teny anglisy izahay mivady, satria ilainay amin’ny fanompoana izany. Nasaina tany amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Etazonia izahay avy eo, tamin’ny 2008. Nanatrika sekoly manokana aho tany. Natao ho an’ireo mitarika ny asa fitoriana any amin’ny tany samihafa ilay sekoly.
Tsapanay mivady fa ampy fitaovana kokoa izahay mba hikarakarana ny zavatra ara-panahy ilain’ny olona atỳ Kirghizistan. Hitanay hoe tena mpiandry be fitiavana i Jehovah. Tanteraka tamiko ilay salamo milaza hoe: “I Jehovah no Mpiandry ahy. Tsy ho ory na inona na inona aho. Mampandry ahy eny amin’ny toerana rakotra ahi-maitso izy, ary mitondra ahy eny amin’ny toeram-pialan-tsasatra azon-drano tsara. Mamelombelona ahy izy, ary mitarika ahy amin’ny lalan’ny fahamarinana, noho ny anarany.”—Salamo 23:1-3.
[Sary, pejy 23]
Ny ondrinay eny an-kijana
[Sary, pejy 23]
Isainay isan-kariva ny ondrinay mba hijerena sao misy tsy ao
[Sary, pejy 24]
Izahay sy Gulmira ankehitriny