Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manaova Zavatra Hanatsarana ny Fahasalamanao

Manaova Zavatra Hanatsarana ny Fahasalamanao

TADIDINAO ve i Ram, ilay voaresaka tany aloha? Toy ny olona maro eran-tany izy, ka tsy nahalala hoe tena mahasalama ny misakafo tsara sy ny manana fahazarana tsara. Hoy izy: “Nanampy ahy hitandrina ny sakafo hohaninay ilay lahatsoratra hoe ‘Afaka Mihinana Sakafo Mahasalama Ianao’, tao amin’ny Mifohaza!”—8 Mey 2002, anglisy.

Hoy i Ram: “Nampihatra izay voalazan’ilay lahatsoratra izahay, ka hitanay hoe nihanatanjaka ny hery fanefitray. Voan’ny sery matetika izahay tamin’ny mbola tsy niraharaha firy ny sakafonay. Mahalana anefa izahay izao vao voa. Nahita fomba tsy lafo sy tsotra mba hahazoana rano fisotro madio koa izahay noho ilay lahatsoratra hoe ‘Fomba Enina Hitandroana ny Fahasalamana’, tao amin’ny Mifohaza!—8 Oktobra 2003.

“Nanampy ahy hanatsara ny fahasalamanay koa ilay lahatsoratra hoe ‘ “Vaksiny Vita ho Azy” ny Savony’, tao amin’ny Mifohaza! [8 Aprily 2004.] Narahinay avy hatrany ny soso-kevitra tao, ka tsy voan’ny areti-maso matetika toy ny taloha intsony izahay.

“Be moka sy lalitra etỳ aminay nefa tsy mampaninona ny olona. Nianaranay mianakavy anefa fa tokony horoahina ireny bibikely ireny, rehefa avy nojerenay ilay video hoe Ny Baiboly: Ny Heriny eo Amin’ny Fiainanao. * Nanampy anay ho salama foana koa izany.”

Aza kivy! Atombohy tsikelikely izay fanovana ilainao hatao, ary aza manatratra tanjona sarotra loatra. Ho azo antoka kokoa amin’izay hoe ho vitanao ilay izy. Ahenao tsikelikely, ohatra, ny sakafo tsy dia mahasalama haninao fa aza tonga dia ajanona. Miezaha hatory aloha kokoa sy hanao fanatanjahan-tena bebe kokoa. Aleo manao zavatra kely toy izay tsy manao mihitsy. Afaka herinandro na volana maromaro matetika vao ho lasa fahazarana ny zavatra tsara tiana hatao fanao. Aza kivy àry raha tsy hitanao eo no ho eo izay soa raisinao. Azo inoana fa hihasalama ianao raha manam-paharetana, na dia mety ho kivikivy aza indraindray.

Tsy misy olona salama tanteraka eto amin’ity tontolo tsy lavorary ity. Mety harary ianao satria tsy lavorary, fa tsy hoe satria tsy nitandrina. Aza avela hampiady saina na hampanahy anao loatra àry ny fahasalamanao na ny olana hafa. Hoy i Jesosy: “Iza aminareo no mahay manalava ny androm-piainany, na kely monja aza, rehefa manahy?” (Lioka 12:25) Miezaha fotsiny tsy hanao zavatra tsy tena ilaina nefa mety hahafaty tanora na hampaharary. Ho salama kokoa ianao amin’izay, mandra-pahatongan’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, izay ‘tsy hisian’ny mponina hilaza hoe: “Marary aho.”’—Isaia 33:24.

^ feh. 5 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.