Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Eny Rehetra eny ve Andriamanitra?

Eny Rehetra eny ve Andriamanitra?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Eny Rehetra eny ve Andriamanitra?

MARO no mino fa eny rehetra eny Andriamanitra. Hoy anefa i Solomona, mpanjaka hendry, rehefa nivavaka tamin’i Jehovah: “Enga anie ianao hihaino any an-danitra fonenanao.” (1 Mpanjaka 8:30, 39) Manana fonenana àry i Jehovah Andriamanitra, araka ny Baiboly. Nantsoin’i Solomona hoe ‘lanitra’ io toerana io. Inona no dikan’izany?

Antsoin’ny Baiboly hoe “lanitra” indraindray ny faritra hita maso manodidina ny tany. (Genesisy 2:1, 4) Andriamanitra no namorona ny zava-drehetra. Tsy maintsy ho efa nisy talohan’ny namoronany an’izao rehetra izao hita maso àry ny fonenany, ka tsy maintsy ho toerana tsy hita maso. Tontolo tsy hita maso no tian’ny Baiboly holazaina amin’ny hoe lanitra fonenan’i Jehovah Andriamanitra, fa tsy toerana iray eny amin’ny lanitra na any ambony tsy taka-maso any.

Fahitana mahatalanjona

Miresaka momba ny fonenan’i Jehovah ny Baiboly, ao amin’ny fahitana mahaliana iray azon’ny apostoly Jaona. Nahita varavarana nisokatra tany an-danitra izy, ary nahare feo nanao hoe: “Miakara atỳ.”—Apokalypsy 4:1.

I Jehovah Andriamanitra mihitsy avy eo no hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana mahatalanjona iray. Hitany fa ‘nisy seza fiandrianana teo amin’ny toerany tany an-danitra. Tahaka ny vato jaspa sy vatosoa mena no fahitana an’ilay nipetraka teo amboniny, ary manodidina an’ilay seza fiandrianana dia nisy avana izay hoatran’ny emeraoda no fahitana azy. Nisy tselatra sy feo ary kotroka nivoaka avy teo amin’ilay seza fiandrianana. Ary nisy toa ranomasina tahaka ny fitaratra sady tahaka ny kristaly, teo anoloan’ilay seza fiandrianana.’—Apokalypsy 4:2-6.

Hita amin’izany fa heniky ny hatsarana i Jehovah ary tsy manam-paharoa ny voninahiny. Mariho koa ny manodidina ny seza fiandrianany. Asehon’ilay avana fa milamina sy miadana izany. Hita amin’ireo tselatra sy feo ary kotroka koa fa mahery Andriamanitra. Asehon’ilay ranomasina fitaratra fa ekeny ho madio daholo ireo mijoro eo anatrehany.

Fahitana mampiseho zavatra an’ohatra fotsiny izany, nefa ahalalantsika bebe kokoa momba ny fonenan’Andriamanitra. Ataon’i Jehovah milamina tsara foana ny any an-danitra. Tsy mikorontana ny fonenany.

Eny rehetra eny amin’ny fotoana rehetra ve Andriamanitra?

Tsia, satria manana fonenana izy. Ahoana àry no ahafantarany an’izay mitranga? (2 Tantara 6:39) Voalohany, amin’ny alalan’ny fanahiny masina na ny hery ampiasainy. Hoy ny mpanao salamo: “Aiza no hialako amin’ny fanahinao? Ary aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao? Fa raha miakatra eny amin’ny lanitra aho, dia eny ianao. Ary raha mamelatra ny fandrianako ao amin’ny Fasana aho, dia any koa ianao.”—Salamo 139:7-10.

Mba hahatakarana ny zavatra vitan’ny fanahy masin’Andriamanitra, dia diniho ny masoandro. Eo amin’ny toerana iray izy io, nefa afaka miparitaka amin’ny toerana midadasika amin’ny tany ny angovony. Manana fonenana koa i Jehovah Andriamanitra, nefa afaka manatanteraka an’izay kasainy, na aiza na aiza eo amin’izao rehetra izao. Azon’i Jehovah ampiasaina ny fanahiny masina mba hahalalany an’izay mitranga any amin’ny toerana rehetra sy amin’ny fotoana rehetra. Hoy ny 2 Tantara 16:9: “Ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, mba hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.”

Misy anjely maro be koa eo ambany fifehezan’Andriamanitra. Asehon’ny Baiboly fa mety hiisa an-jatony tapitrisa izy ireny, na an’arivony tapitrisa, na mahery. * (Daniela 7:10) Maro ny fitantaran’ny Baiboly milaza fa nisy anjely nisolo tena an’Andriamanitra, ka tonga tetỳ an-tany sy niresaka tamin’ny olombelona ary niverina nanao tatitra tany amin’Andriamanitra. Nisy anjely, ohatra, namotopototra an’izay nitranga rehefa nisy fitarainana momba an’i Sodoma sy Gomora, tamin’ny andron’i Abrahama. Tapa-kevitra ny handrava an’ireo tanàna ireo Andriamanitra rehefa naharay ny tatitr’ireo anjely.—Genesisy 18:20, 21, 33; 19:1, 13.

Asehon’ny Baiboly àry fa tsy mila mandeha eny rehetra eny i Jehovah Andriamanitra. Afaka mamantatra tsara an’izay mitranga eo amin’ny zavatra noforoniny izy, amin’ny alalan’ny fanahiny masina sy ny anjeliny.

Tena manampy antsika hahafantatra tsara ny Mpamorona antsika ny Baiboly. Resahiny fa mipetraka any amin’ny toerana iray antsoina hoe lanitra Andriamanitra, ary tsy ny lanitra hita maso izany. Misy anjely mahery an’alinaliny koa miara-mipetraka aminy any. Mampiavaka an’io fonenany io ny filaminana sy ny hery ary ny fahadiovana. Manome toky antsika ny Baiboly fa hilamina toy ny any an-danitra ny etỳ an-tany, amin’ny fotoana mety.—Matio 6:10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Milaza ny Apokalypsy 5:11 fa miisa “alinalina” ireo anjely manodidina ny seza fiandrianan’Andriamanitra. Zato tapitrisa ny alinalina (10 000 x 10 000). Milaza maro anefa ilay teny grika nadika hoe “alinalina.” Mety ho an’arivony tapitrisa àry ny anjely.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

● Eny rehetra eny ve Andriamanitra?—1 Mpanjaka 8:30, 39.

● Tonga hatraiza ny fiasan’ny fanahin’Andriamanitra?—Salamo 139:7-10.

[Efajoro, pejy 29]

Eo amin’ny toerana iray ihany ny masoandro nefa tsapa manerana ny toerana midadasika ny heriny. Manana fonenana koa Andriamanitra, nefa afaka miasa eny amin’izay toerana tiany eo amin’izao rehetra izao ny fanahiny masina