Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jesosy Ilay “Manaisotra ny Fahotan’izao Tontolo Izao”

Jesosy Ilay “Manaisotra ny Fahotan’izao Tontolo Izao”

Jesosy Ilay “Manaisotra ny Fahotan’izao Tontolo Izao”

● Nilaza i Jaona Mpanao Batisa fa i Jesosy no “manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao.” (Jaona 1:29) Midika izany fa hamonjy ny olona mankatò izy.

Nahoana anefa i Jesosy no tsy maintsy maty mba hamonjena ny mpanota? Inona no vokany rehefa nahafoy ny ainy izy? Iza avy no mandray soa avy amin’izany? Ary nahoana izany no mahakasika anao?

Isan-taona, rehefa mitsingerina ny daty nahafatesan’i Jesosy, dia mankalaza izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Mifanitsy amin’ny alahady 17 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro, izy io amin’ity taona ity.

Manasa anao amim-pitiavana ny Vavolombelon’i Jehovah mba hiara-mivory aminy, sy hisaintsaina ny antony nahafatesan’i Jesosy. Hovaliana amin’io koa ireo fanontaniana etsy ambony.

Afaka manatrika izany any amin’ny toerana akaiky anao indrindra ianao. Anontanio an’ireo Vavolombelon’i Jehovah eny aminareo ny fotoana sy ny toerana hanaovana azy io.