Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mila Tsy ho Zaka ny Alahelo

Mila Tsy ho Zaka ny Alahelo

Mila Tsy ho Zaka ny Alahelo

Ankizivavikely salama tsara i Nicolle. Nitaraina narary andoha izy indray hariva, ary nentin’ny ray aman-dreniny tany amin’ny hopitaly. Voan’ny aretim-po izy ny ampitso harivan’iny, raha mbola nozahan’ny dokotera. Hita tamin’ny fitiliana hafa natao taminy fa nisy mikraoba tsy fahita firy niparitaka nanerana ny havokavony sy ny voany ary ny fony. Maty tao anatin’ny roa andro i Nicolle, izay telo taona monja.

ANISAN’NY mangidy indrindra eo amin’ny fiainana ny fahafatesan’ny havan-tiana. Hila tsy ho zaka izany indraindray. Hoy i Isabelle, renin’i Nicolle: “Malahelo be an’i Nicolle aho, rehefa mahatsiaro ny famihinany, ny fofony, ny tambitambiny. Tsaroako izy manome ahy voninkazo isan’andro. Tsy afaka ao an-tsaiko mihitsy izy.”

Efa namoy namana na havana koa ve ianao, ohatra hoe zanaka, vady, iray tam-po, ray, na reny? Ahoana àry no hizakanao ny alahelonao?