Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Lakaolin’ny Kankana An-dranomasina

Ny Lakaolin’ny Kankana An-dranomasina

Nisy Namorona Ve?

Ny Lakaolin’ny Kankana An-dranomasina

● Mampiasa paingotra, vy kely, na visy ny dokotera mpandidy mba hanohizana taolana tapaka. Sady mibahana anefa izy ireny no mavesatra, rehefa atao amin’ny taolana kely kokoa. Tsy hain’ny manam-pahaizana mihitsy hatramin’izay hoe ahoana no anamboarana lakaoly afaka miraikitra ao amin’ny vatan’olombelona mandomando. Nahita hevitra anefa izy ireo rehefa nandinika ny kankana an-dranomasina.

Diniho izao: Vita amin’ny fasika sy potik’akorandriaka ny tranon’ny kankana an-dranomasina. Lakaoly avoakany avy ao amin’ny tratrany no ampiasainy mba hampiraikitra an’ireo. Tsara kokoa noho ny lakaoly ataon’olombelona io lakaoly io. Hafakely ireo fitambarana proteinina ao aminy, satria mahatonga an’ilay lakaoly hihamafy haingana ao anaty rano. Rariny raha antsoina hoe mpanorina mahay io kankana io. Milaza i Russell Stewart, ao amin’ny Oniversiten’i Utah, fa io biby kely io no nahavita “nanambatra zavatra tena sarotra araikitra.”

Naka tahaka ny lakaolin’ny kankana an-dranomasina ny mpikaroka ka nahavita lakaoly mafy kokoa. Mbola tokony ho mety levona koa io lakaoly io rehefa hampiasaina amin’ny fandidiana. Hihalevona izy, amin’izay, rehefa mihamitohy ny taolana tapaka. Hisy fandrosoana miavaka eo amin’ny fitsaboana, raha mety tsara amin’ny vatan’olombelona ilay lakaoly.

Ahoana ny hevitrao? Tongatonga ho azy ve ny lakaolin’ny kankana an-dranomasina, sa nisy namorona?

[Sary, pejy 26]

Manantena hitsabo taolana tapaka ny mpikaroka, nefa tsy hampiasa vy

[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]

Kankana an-dranomasina: © Peter J. Bryant, University of California, Irvine