Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

“Mihevitra ny antsasa-manilan’ny Rosianina fa ny kolikoly no fomba tsara indrindra ‘handaminana olana.’ ”—MASOIVOHOM-BAOVAO REUTERS, ROSIA.

“Hita tamin’ny fanadihadiana iray fa tratran’ny aretin-tsaina ny 17,5 isan-jaton’ny Sinoa efa lehibe. ... Ny vehivavy no mora mikorontana ara-pihetseham-po sy manahy kokoa.”—CHINA DAILY, CHINE.

“Araka ny tombantombana farany avy amin’ny Filan-kevitra Nasionaly Momba ny Filaminana dia ny mpamily mampiasa finday na mandefa sy mandray hafatra no mahatonga ny 28 isan-jaton’ny lozam-pifamoivoizana any Etazonia, izany hoe lozam-pifamoivoizana 1,6 tapitrisa isan-taona.”—UC BERKELEY WELLNESS LETTER, ETAZONIA.

‘Tantara Ratsy’

Hoy ny gazety The Irish Times: “Abaribarin’ny Tatitry ny Vaomiera Manadihady Momba ny Fampijaliana Ankizy ny tantara ratsin’i Irlandy.” Milaza io gazety io fa ahariharin’ilay tatitra hoe fahita any amin’ireo toerana fanabeazana an’ny Katolika ny fampijaliana ankizy, manomboka amin’ny “fikapohana ankizy noho izy be hao” ka hatramin’ny fahazarana mametaveta ankizy. Milaza ilay gazety fa tsy noraharahaina izany noho ny fanajana diso toerana ny “fahefana feno ananan’ny Eglizy Katolika.” Tenin’ny olona iray nalahelo an’ireo nampijalina no lohatenin’ilay gazety, manao hoe: “Mba Mahalalà Menatra ry Fanjakana sy Eglizy!”

Misy Rano eny Amin’ny Volana

Nisy sambon-danitra nadonan’ny mpahay siansa teny amin’ny volana, ka nisy vovoka nisavoana vokatr’izany. Nilaza izy ireo fa nahitana rano ireo vovoka, rehefa nodinihina tamin’ny fitaovana mpamantatra singa. Hoy i Michael Wargo, lehiben’ny mpikaroka momba ny volana, ao amin’ny foiben’ny NASA any Washington: “Mihamahafantatra zavatra maro momba ny volana isika, ka hahalala zavatra maro momba ny rafi-masoandro koa.” Hita tamin’ny fandinihana natao vao haingana fa misy rano an-tapitrisany taonina any amin’ny tendrony avaratra amin’ny volana.

Milina Fividianan-javatra Mamoaka Volamena

Anisan’ny entana azo alaina eny amin’ny milina fividianan-javatra koa izao ny vaingam-bolamena, any amin’ny faritra maro eran-tany. Nametrahana milina toy izany, ohatra, tao amin’ny hotely iray any Abu Dhabi, any Emirà Arabo Mitambatra. Ahitana karazan’entana 320 ao amin’izy io, ary anisan’izany ny vaingam-bolamena mahatratra hatramin’ny folo grama sy ny vola madinika volamena, arakaraka izay tiana. Havaozina isaky ny folo minitra ny vidin’ny volamena, ka ordinatera mifandray amin’ny tsenam-barotra iraisam-pirenena no manao izany. Vola eo an-toerana ihany no mety amin’ilay milina, nefa efa eritreretina koa izao ny hampiasana karatra fividianan-javatra. Natao tany Abu Dhabi io milina io “satria be mpividy volamena any”, hoy ny Reuters.