Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsara Bika sy Mihaja Erỳ!

Tsara Bika sy Mihaja Erỳ!

Tsara Bika sy Mihaja Erỳ!

“Tonga dia tia soavaly aho. Miavaka ny bikany ary mihaja erỳ izy ireny.”—TOMASZ, MANAM-PAHAIZANA MOMBA NY FIOMPIANA SOAVALY.

TSARA bika ny soavaly ary manana hery tsy hay tohaina rehefa mitsangana amin’ny tongony aoriana. Mikatrokatroka amin’ny tany ny kitrony ary mitrena kely sady mandroso tsy amin-tahotra izy. Izany no mahatonga ny maro hihevitra ny soavaly ho ny biby tsara tarehy indrindra.

Nataon’ny olona tany amin’ny faritra samihafa izay hahazoana karazan-tsoavaly maro be, hatramin’izay. Heverina ho anisan’ny karazany tsara indrindra ny soavaly arabo tsy safiotra. Nosokajina ho soavaly mafana ra izy io satria matanjaka, haingam-pandeha, tsy mora reraka, ary matsilo saina. Mety tsara amin’ny fanatanjahan-tena àry izy io.

Mahaliana fa efa fanao tany Polonina, any Eoropa Afovoany, ny mampivady soavaly arabo. Mihevitra ireo manam-pahaizana sy mpiompy soavaly fa any Polonina no misy ny ankamaroan’ireo soavaly arabo tsara indrindra. Nahoana? Nanadihady azy ireo izahay mba hahafantarana an’izany.

Ny hevitry ny mpankafy soavaly

Andao aloha isika handinika bebe kokoa momba ny soavaly arabo. I Israely sy ny firenena manodidina azy foana no tonga ao an-tsain’ny olona rehefa mandre hoe soavaly arabo. Hoy i Tomasz, manam-pahaizana momba ny fiompiana soavaly: “Efa hatramin’izay ny Bédouin no niompy soavaly arabo sy niezaka niaro an’io karazany io. Tena hentitra izy ireo rehefa nifidy soavaly hampiarahina sady nikarakara tamim-pitandremana azy ireo, ka lasa noheverina ho sarobidy ny soavaly arabo. Matetika ireny soavaly ireny no miloko volondavenona na volontany manopy mena, ary mahalana no miloko mainty.”

Hoy i Żaneta, mpiompy soavaly arabo: “Miavaka ny hatsaran-tarehiny, ary izy ireny angamba no tarana-tsoavaly tsy mifangaro sy ela nisiana indrindra.” Malaza ho be fihetseham-po izy ireo, nefa koa sahisahy sy tsy mora reraka. Mety tsara hanaovana dia lavitra izy, satria lehibe ny tratrany ary matanjaka ny havokavony.

Avy tany Arabia ho any Polonina

Manana toeram-piompiana soavaly i Tomasz, ary nanontanianay hoe ahoana no nahatongavan’ny soavaly arabo tany Polonina. Hoy izy: “Nisy iraky ny mpanjaka nivezivezy nankany amin’ny lapa silamo tany Stanbul, tamin’ny taonjato faha-16, ary izy no mety ho nitondra azy ireny tatỳ voalohany. Azo antoka anefa fa tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-18 no nanomboka niompy soavaly [arabo] ny Poloney.” Niresaka momba ny zavatra nataon’ilay andriana atao hoe Wacław Rzewuski i Izabela Pawelec-Zawadzka, manam-pahaizana momba ny fiompiana soavaly. Mahay tsara ny kolontsaina tatsinanana io andriana io, hoy i Izabela, ka “izy no voalohany nikarakara ny fampidirana soavaly avy tany Arabia.” Nitondra soavaly arabo 137 ho any Eoropa izy.

Nitsangana ny toeram-piompiana soavaly arabo voalohany tamin’ny 1817, noho ny fikirizana sy ny zotom-pon’i Rzewuski. Tany Janów Podlaski, Polonina Atsinanana, no nisy azy io. Hoy i Tomasz: “Niroborobo ilay izy tamin’ny voalohany. Mpiompy matihanina no nikarakara an’ireo soavaly. Simba anefa ireo toeram-piompiana teto Polonina noho ireo ady lehibe roa, izay nitatra nanerana an’i Eoropa. Maty na nandositra na nisy nangalatra ny maro tamin’ireo soavaly.” Niverina tamin’ny laoniny ihany anefa ny fiompiana soavaly arabo, taoriana kelin’ny Ady Lehibe II.

Telopolo izao, fara fahakeliny, ny toeram-piompiana soavaly arabo any Polonina. Efa 200 taona izay tany no niompiana soavaly ka faran’izay tsara ny karazan-tsoavaly any. Lasa anisan’ny toerana malaza indrindra amin’ny fiompiana soavaly arabo i Polonina. Mpankafy soavaly sy manam-pahaizana maro eran-tany no mirohotra mankany, mba hanatrika fampisehoana sy lavanty fanao isan-taona.

Fikarakarana isan’andro

Tsy maintsy mikarakara tsara an’ireo soavaly ny mpiompy, raha te hanana karazan-tsoavaly faran’izay tsara. Hoy i Małgorzata, tompona toeram-piompiana soavaly: “Sarotra ny mikarakara soavaly arabo. Tokony ho ara-dalàna sy mety tsara ny sakafo omena ny soavaly mafana ra mba hahatsara bika azy foana. Ny soavaly bevohoka no tena mila fikarakarana.” * Inona no sakafo mety indrindra amin’ny soavaly arabo?

Hoy ihany i Małgorzata: “Mololo no omenay azy amin’ny maraina. Misy ny otrikaina rehetra ilaina izy io, indrindra fa ny vitaminina sy mineraly. Tena mahasalama ny avoanina misy ampombo na misy tapatapaka mololo. Tsara koa ny orza sy ny ampombom-barimbazaha. Tena tian’ny soavaly anefa ny vilona be ranony, ovy, karaoty, ary betiravy. Matetika no mividy fangarom-bilona be proteinina ny mpiompy, rehefa ririnina. Mila vongan-tsira misy mineraly na misy bozaka koa ny soavaly arabo, satria mampitonitony azy izany. Voalaza anefa fa na ny mololo sy ny vilona tsara indrindra aza tsy mahatoraka ny vilona eny an-kijana. Mila rano madio foana koa ny soavaly. Tsy sotroiny raha vao rano maloto.”

Mila karakaraina koa ny hoditry ny soavaly arabo sy ny volony, izany hoe tokony hodiovina tsara, hoborosina moramora amin’ny borosy manokana, ary hosafosafoina. Hoy koa i Tomasz: “Tena ilaina ny manadio ny kitrony isan’andro, satria miaro amin’ny aretina toy ny kansera izany. Mila fitandremana kokoa ny masony, ny orony, ny molony, ary ny sofiny.” Hoy ihany i Żaneta: “Mila toerana hihazakazahana ny soavaly mba ho tsara bika sy hihaja foana. Mila mitsilailay eny amin’ny fasika sy tany ary bozaka koa izy. Tsy maintsy rakofana lamba matevina izy rehefa tsemboka avy nihazakazaka ary ampandroina.”

Nasongadin’ireo manam-pahaizana fa ilaina ny mijery izay ilain’ny soavaly tsirairay. Hoy i Małgorzata: “Manana vavahadin-tsaina fahenina, hono, ny soavaly arabo. Tiany ny miaraka amin’ny olona sy safosafoina ary horohana. Lasa matoky an’ilay mpitaingina azy ny soavaly rehefa atao an’izany, ka lasa tiany be ilay olona. Voalaza fa mitrena noho ny hafaliana izy rehefa hitsikiana, horohana, na omena zavatra tiany, toy ny karaoty na vongan-tsiramamy. Tena tian’ny mpankafy soavaly ny mikarakara azy ireny.” Hoy i Tomasz, rehefa nilazalaza ny fitiavany soavaly: “Tonga dia tia soavaly aho. Miavaka ny bikany ary mihaja erỳ izy ireny. Tsy mora matoky olona anefa izy ireny. Afaka taona maro ireo soavaliko vao natoky ahy.”

Ny hoavin’ny soavaly

Nahavariana ny olona foana hatramin’izay ny bikan’ny soavaly, ny hafainganam-pandehany, ny hakingany, ny tanjany, ary ny fahaizany, indrindra fa ny an’ny soavaly arabo. Niezaka nifandray am-po tamin’izy ireny foana ny olona. Mampalahelo fa nohararaotin’ny olona izany nandritra ny ady, ka soavaly an-jatony no namoy ny ainy. Hampiasain’ny olona hiderana an’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona anefa ny soavaly rehefa hanjaka ny Fanjakan’Andriamanitra, ary izany ihany no ho antony hampiasana azy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Ny mpiompy no mamaritra ny fotoana hiterahan’ny soavaly. Afaka miteraka isan-taona ny soavaly indraindray. Miaina 25 ka hatramin’ny 30 taona izy, ary miteraka 15 ka hatramin’ny 18 eo ho eo.

[Sary, pejy 15]

Renin-tsoavaly miaraka amin’ny zanany

[Sary, pejy 16]

Mila Atao An’ireto Isan’andro ny Soavaly Arabo:

1. Borosina moramora ny hodiny sy ny volony

2. Diovina ny kitrony

3. Anehoana fitiavana

[Sary, pejy 17]

Soavaly lahy milalao eny amin’ny lanezy