Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tsy Te Hijanona Mihitsy Aho”

“Tsy Te Hijanona Mihitsy Aho”

“Tsy Te Hijanona Mihitsy Aho”

● Tanora maro eran-tany no nankasitraka ny boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2. * Hoy ny sasany taminy:

“Tiako ilay boky satria mampirisika anay hiresaka amin’ny ray aman-dreny. Narahiko ireo soso-kevitra tao ka azo lazaina hoe mahay mifampiresaka kokoa izao izaho sy ny ray aman-dreniko.”—Roberto, Meksika.

“Tsy te hijanona mihitsy aho raha vao nanomboka namaky an’ilay boky. Tiako ilay hoe ‘Zavatra Eritreretiko Hatao!’ any amin’ny faramparan’ny toko tsirairay, sy ilay hoe ‘Ny Diariko’ any amin’ny faran’ny fizarana tsirairay. Nanampy ahy hiaro ny finoako io boky io, tany am-pianarana.”—Joelah, Etazonia.

“Arakaraka ny namakiako azy no nitiavako azy. Nahavariana ahy ny tenin’ny tanora maro, ary ireo efajoro hoe ‘Fantatrao ve?’ sy hoe ‘Soso-kevitra.’ Io boky io no nahitako fa miahy ny tanora ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah.”—Hui-won, Korea Atsimo.

“Io no tiako indrindra amin’ireo bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah efa novakiko. Fantatrareo mihitsy ny ao an-tsain’ny tanora sy ny olana mahazo azy ao an-trano sy any am-pianarana ary rehefa mifandray amin’ny namany.”—Shana, Kanada.

“Mitomany ao an’efitranoko aho isaky ny miady i Dada sy Neny. Afaka niresaka tamin’izy ireo momba an’izany anefa aho rehefa avy namaky ny toko 24 hoe ‘Inona no Hataoko Rehefa Miady i Dada sy Neny?’ Gaga izy ireo nahita fa tena nalahelo aho rehefa niady ry zareo. Namaky an’ilay toko koa izy ireo. Azony kokoa izao izay tsapako, ary tsy miady matetika intsony ry zareo.”—Mariana, Repoblika Tseky.

“Tena nanohina ny foko ireo pejy momba ny olona modely, ary nanampy ahy handresy ny fahalemeko. Sarotra amiko, ohatra, ny mifandray akaiky amin’ny olona tsy dia fantatro eo anivon’ny fiangonana kristianina. Resahin’ny pejy 97 anefa fa nihanahafantatra an’i Paoly sy ny namany i Lydia rehefa nampiantrano azy ireo. Miezaka manahaka azy aho izao.”—Mónika, Hongria.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 25]

“NAHOANA NO RATSY NY FIRAISANA ALOHAN’NY FANAMBADIANA?”

Nasaina nanao famelabelarana ho an’ny mpiara-mianatra aminy i Katrina, ankizivavy 16 taona any Etazonia. Afaka nifidy izay foto-kevitra tiany izy, ka ny boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2 no nakany hevitra hamelabelarana ny hoe “Nahoana no Ratsy ny Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?” Hoy ny ray aman-dreniny: “Nohazavain’i Katrina ny dikan’ny hoe ‘mifady’ [na tsy manao firaisana], sy ny mety ho vokatry ny firaisana alohan’ny fanambadiana, ary ny voka-dratsin’ny fandikana ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena. Novakin’i Katrina avy tao amin’ilay boky koa ny tenin’ny tanora sasany, izay nilaza ny zavatra tsapany rehefa avy nandika ny fitsipik’Andriamanitra. Nasainy nametraka fanontaniana ny ankizy avy eo ary voavaliny daholo izany. Izao no anisan’ny voalaza tao amin’ny fanamarihan’ny mpampianatra: ‘Misaotra anao nilaza ny marina sy nitondra fahazavana ho an’ity tontolo anaty haizina ity. Tano mafy foana ny finoanao.’ ”