Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ankasitraho ny Fahaizana Manokana Anananao

Ankasitraho ny Fahaizana Manokana Anananao

Ankasitraho ny Fahaizana Manokana Anananao

MAHAVITA zavatra faran’izay betsaka ny vatan’olombelona. Tsy misy biby mahavita ny vitantsika. Noho isika mijoro, ohatra, dia mahita zavatra betsaka kokoa ary afaka manao zavatra maro ny sandry sy tanantsika. Ho voafetra tokoa ny zava-bitantsika raha tsy maintsy mandeha amin’ny tongotra efatra isika!

Tena miavaka koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny atidoha sy ny tanana, sofina, ary ny maso. Hodinihintsika tsirairay ireo, ato amin’ity lahatsoratra ity.

Ny tanana

Fitaovana tsara tarehy mahavita zavatra voafaritra tsara ny tanana. Vitan’ny tanantsika, ohatra, ny mampiditra kofehy amin’ny fanjaitra, mihazona famaky, manao sary, na ny mitendry piano. Tena mora mahatsapa zavatra koa ny tanana. Vao kasihina kely fotsiny ny zavatra iray, dia efa fantatra hoe volom-biby ilay izy, na taratasy, na hoditra, na metaly, na rano, na hazo. Tsy natao handraisana sy hanaovan-javatra fotsiny ny tanana. Natao hamantarana ny manodidina sy hanehoana fitiavana koa izy io.

Nahoana ny tanan’ny olombelona no kinga erỳ, mahavita maneho hevitra, mora mahatsapa zavatra, ary mahavita zavatra maro? Maro ny antony fa efatra no hodinihintsika.

1. Misy taolana 50 mahery ao amin’ny tanana roa, izany hoe ampahefatry ny isan’ny taolana ao amin’ny vatana. Ny taolana sy ny tonon-taolana ary ireo hozatra mampitohy ny tonon-taolana no mahatonga ny tanana hihetsiketsika.

2. Mifanatrika amin’ny rantsana hafa ny ankiben-tanana, ary eo ambonin’ny tonon-taolana manokana. Mahavita fihetsika maro ny ankibe sady matanjaka, noho io tonon-taolana io sy ny hozatra ary ny tamba-tsela hafa.

3. Misy hozatra telo mampihetsika ny tanana. Ao amin’ny lanton-tanana ny roa aminy. Tena matanjaka izy ireo ary misy hozatra tairiny mba hampihetsika ny rantsana. Ho navesatra sy nibahan-toerana ireo hozatra roa ireo, raha tao amin’ny tanana no nisy azy. Kely kokoa ilay hozatra fahatelo, ary ao amin’ny tanana no misy azy. Io no mahatonga ny rantsana hahavita fihetsika voafaritra tsara.

4. Mora mahatsapa zavatra ny rantsantanana satria misy sela mpandray, miisa 2 500 eo ho eo, isaky ny iray santimetatra toradroa, amin’ny loharantsana. Samy manana ny asany ireo sela ireo, ka ahatsapana ny halaman’ny zavatra kasihina, ny hafanany, ny hamandoany, ny fihovotrovony, ny fanindriny, ary ahatsapana marary. Ny rantsantanan’ny olombelona àry no fitaovana mora mahatsapa zavatra indrindra.

Ny sofina

Marina fa misy feo ren’ny biby sasany nefa tsy ren’ny olombelona. Milaza anefa ny manam-pahaizana momba ny feo fa tena mahagaga ny fiaraha-miasan’ny sofin’olombelona sy ny atidoha. Ny sofina no amantarantsika ny hamafin’ny feo, ny haavony, ny hatsarany, ary ny fiaviany. Eo anelanelan’ny 20 sy 20 000 eo ho eo isan-tsegondra ny fiverimberenan’ny fihovotrovotry ny feo zakan’ny sofin’ny olona salama. Ny eo anelanelan’ny 1 000 sy 5 000 isan-tsegondra no tena mora ren’ny sofintsika. Mety ho tsapantsika koa ny fiovan’ny fihovotrovotry ny feo, na dia tena faran’izay kely aza.

Tena matsilo ny sofin’ny olona salama ka na zara raha mihovotrovotra aza ny ampongantsofina, dia mbola reny ihany. Araka ny lesona tao amin’ny oniversite iray, dia efa tena maheno be ny sofin’olombelona, ka “tsy misy antony tokony hitadiavana haheno bebe kokoa. Raha izany mantsy, dia feo toy ny ‘sioka’ fotsiny no ho henontsika”, izany hoe feon’ny ataoma sy ny molekiolan’ny rivotra.

Efa misy fomba hanamafisan’ny sofina ny feo ateraky ny fihovotrovotry ny ampongantsofina, ary misy taolana madinika antsoina hoe tantanana sy riandriana ary anjataolana mampita an’ilay hovotrovotra any amin’ny fara sofina. Ahoana anefa raha misy feo mankarenin-tsofina tampoka? Efa misy hozatra mibaiko an’ireo taolana madinika telo, mba hampihenan’izy ireo ny hamafin’ilay feo. Tsy maharo tena amin’ny feo mafy ela be anefa ny sofina. Mety hanimba azy izany. Tandremo tsara àry io fanomezana “mahatalanjona” avy amin’ny Mpamorona io.—Salamo 139:14.

Manampy anao hamantatra ny fiavian’ny feo koa ny sofina. Anisan’ny mahatonga izany ny endriky ny ravintsofina, ny lavatsofina, ny fisarahan’ireo sofina roa, ary ny fahaizan’ny atidoha. Raha latsaka kelin’ny feo ren’ny sofina ilany àry no ren’ny ilany, na raha tara iray ampahatelopolo tapitrisan-tsegondra monja ny fahatongavan’ny feo any amin’ny sofina iray, dia hobaikoin’ny atidoha avy hatrany ny maso mba hitodika any amin’izay hihavian’ilay feo.

Ahoana raha mila mampiasa saina ianao rehefa hanao an’izany rehetra izany? Tsy hahavita izany ianao raha tsy mpahay kajy matihanina sy mahay mikajy haingana be. Hahazo valisoa be dia be izay manam-pahaizana mahavita mamorona “fitaovam-pandrenesana” mitovitovy amin’ilay nomen’ny Mpamorona. Impiry anefa ianao no mba mandre olona manome voninahitra an’Andriamanitra noho ny asany mahagaga?—Romanina 1:20.

Ny maso

Misy manam-pahaizana manombantombana hoe raha mahita tsara ny olona iray, dia ny masony no ahazoany ny 80 isan-jato eo ho eo amin’ny fanazavana momba ny manodidina azy. Miara-miasa ny atidoha sy ny maso, ka hitantsika tsara ny lokon’ny zavatra iray, ny bikany, ny halavany, ny sakany, ary ny haavony. Vitan’ny maso koa ny manaraka ny fihetsiky ny zavatra na sary iray. Afaka mahita koa isika na amin’ny mazava na amin’ny maizimaizina.

Misy zavatra maromaro fanampiny ilain’ny maso mba hahafahany mahita amin’ny hazavana samihafa. Afaka mitatra 1,5 milimetatra ka hatramin’ny 8 milimetatra, ohatra, ny savaivon’ny anakandriamaso, ka afaka mampiditra hazavana avo 30 heny fanampiny ho ao anaty maso. Mandalo ao amin’ny family ny hazavana ary alefany ao amin’ny temimaso. Ampitomboin’ny family hatramin’ny avo 100 000 heny ny herin’ny hazavana. Aza mijery mivantana ny masoandro mihitsy àry.

Misy sela mpandray hazavana roa karazana ao amin’ny temimaso. Eo ireo sela lavalava kitsoloha (miisa 6 tapitrisa eo ho eo), izay ahafahantsika mahita loko sy mahita mazava tsara. Eo koa ireo sela lavalava (120 tapitrisa ka hatramin’ny 140 tapitrisa), izay matsilo lavitra noho ireo sela lavalava kitsoloha ka manampy antsika hahita rehefa maizimaizina.

Manampy koa ny selam-pitatitra ao amin’ny temimaso, izay mifandray amin’ireo sela mpandray hazavana. Milaza ny fikambanana amerikanina iray mpandinika ny maso fa afaka mifanaraka amin’ny fiovaovan’ny hazavana ireo selam-pitatitra ireo “ao anatin’ny segondra vitsy, ary afaka manatsara ny fahitana amin’ny alina, hatramin’ny avo 10 heny na mahery.” Noho ireo selam-pitatitra ireo, dia toy ny hoe manana fakantsary azo akana sary amin’ny mazava sy amin’ny maizina isika, nefa tsara foana ny sary avoakany.

Matetika ny mpanamboatra kamerà sy skanera ary ordinatera no mamorona programa mifanaraka amin’ireo fitaovana ireo. Tsara lavitra noho ny fomba fiasan’ireo anefa ny fiaraha-miasan’ny atidoha sy ny faritra hafa ao amin’ny vatana. Rariny àry ve ny ilazana fa tongatonga ho azy, araka ny lazain’ireo mino ny evolisiona, izany fiaraha-miasa tena avo lenta izany? Kely noho ny antsika ny zavatra fantatr’i Joba momba ny vatan’olombelona. Hoy anefa io mpanompon’Andriamanitra io: “Ny tananao [Andriamanitra] no namolavola ahy.”—Joba 10:8.

Ny atidoha

Mahagaga ny fahaizan’ny atidoha mamaky an’ireo hafatra entin’ny selam-pitatitra avy any amin’ireo vavahadin-tsaina. Ampifandraisiny amin’izay efa ao amin’ny fitadidiany ireny hafatra ireny. Mety hitamberina ao an-tsainao àry ny zavatra niainanao efa ela, raha vao maheno fofona iray ianao. Raha mahita ampahana zavatra efa fahitanao koa ianao, dia ny atidohanao no hanampy anao hamantatra ny ambiny tsy tazanao. Ho fantatrao, ohatra, hoe ao ny sakanareo raha vao tazanao ny rambony.

Tsy hoe efa voatahiry ao amin’ny atidohanao akory ny sarina saka, ny fofona raozy, ny feon’ny rano mikoriana, na ny fahatsapana volom-biby. Mianatra mamantatra an’ireny kosa izy. Manaporofo izany izay mitranga amin’ny olona jamba hatrany an-kibon-dreniny nefa lasa mahiratra, angamba satria nodidiana. Betsaka ny sary alefan’ny masony any amin’ny atidohany, ka tsy maintsy mianatra mamantatra an’ireny ny atidohany, satria mbola tsy nahita na inona na inona mihitsy izy. Inona no mitranga amin’ilay olona?

Vetivety izy ireo dia mahavita mamantatra loko sy zavatra mihetsika ary bikan-javatra tsotsotra. Miova arakaraka ny olona kosa ny zava-mitranga aorian’izay. Mahavita manohy miana-javatra ny ankizy, indrindra ireo tena mbola kely. Tsy toy izany anefa ny olon-dehibe. Sarotra aminy na dia ny mamantatra endrik’olona aza. Mampalahelo fa ny ankamaroan’ireo olon-dehibe “lasa mahiratra no falifaly be aloha, nefa diso fanantenana sy very hevitra avy eo, ary matetika no lasa ketraka be”, hoy ny mpiasan’ny laboratoara iray ao amin’ny sekoly ambony any Kalifornia.

Asehon’izany fa tena miavaka ny fanasitranana nataon’i Jesosy Kristy, tamin’izy tetỳ an-tany. Tsy hoe nahiratra sy nandre fotsiny ny jamba sy ny marenina, fa nanomboka nahay namantatra ny zavatra hitany sy reny koa. Niteny ara-dalàna koa ny moana. Tena mahagaga izany, indrindra raha moana hatrany an-kibon-dreniny ilay olona. (Matio 15:30; Marka 8:22-25; Lioka 7:21, 22) Azo antoka koa fa tsy nisy lasa ketraka ireo jamba nahiratra ireo. Sahy niaro an’i Jesosy mihitsy aza ny iray taminy, ka nilaza tamin’ireo fahavalon’i Jesosy hoe: “Mbola tsy re mihitsy hatrizay hatrizay hoe nisy nampahiratra mason’olona jamba hatrany an-kibon-dreniny. Koa tsy mahavita na inona na inona mihitsy izany lehilahy izany raha tsy avy amin’Andriamanitra.”—Jaona 9:1-38.

Ny toetra sasany ananantsika indray no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka. Anisan’izany ny herim-po sy fitiavana. Ny olombelona ihany no manana toetra toy izany. Efa noeritreretinao ve hoe nahoana? Te hanaporofo ny olona sasany hoe niova miandalana avy amin’ny biby isika. Tsy voaporofon’izy ireo anefa izany, noho ireny toetra mampiavaka ny olombelona ireny.

[Efajoro, pejy 7]

MAHAGAGA TOKOA NY ATIDOHA!

Ahoana no ataon’ny atidohanao mba hahafahanao mahatsapa, mandre, mahita ary manimbolo? Tsy voavalin’ny mpahay siansa izany. Hoy i Gerald Schroeder, mpahay siansa: “Tsy fantatra mihitsy izay fomba hahafantaran’ny atidohanao an’ireo soratra vakinao.”

Hoy koa izy: ‘Mahavariana sady tsy nampoizina ny zavatra fantatra momba ny atidoha. Lasa nampisalasala àry ilay fampianarana notsotsorina hoe niova miandalana teny fotsiny ny zavamananaina. Inoako fa ho hafa mihitsy ny zavatra nampianarin’i Darwin raha fantany tsara ny fahendrena miafina ao amin’ny zavamananaina.’

[Kisary/Sary, pejy 5]

(Jereo ny gazety)

Taolan’ny rantsantanana

Tonon-taolana manokana

Hozatra

Mora mahatsapa zavatra

[Sary]

Nahoana no mahavita zavatra maro ny tanana?

[Sary, pejy 7]

Mamaky an’ireo hafatra entin’ny selam-pitatitra avy any amin’ireo vavahadin-tsaina ny atidoha, ary mampifandray an’izany amin’izay efa ao amin’ny fitadidiany